Ary hahita ny masoandro mihilana miankavanana miala ny lava-baton’izy ireo ianao, rehefa miposaka izy, ary rehefa milentika kosa izy dia miala amin’izy ireo miankavia, nefa izy ireo dia eo amin’ny toerana malalaka ao anaty (lava-bato). Izany dia isan’ireo fahagagana avy amin’I Allah ! Izay tarihin’i Allah amin'ny lalana dia izy no tena voatari-dalana. Fa izay naviliny lalana kosa dia tsy hahita mpiahy sy mpitarika azy ianao.