Nomeny Anareo izay rehetra nangatahanareo Taminy. Raha hitanisa ireo fahasoavana avy amin’i Allah Ianareo, dia tsy ho voahisanareo izany. Marina fa ny Olombelona dia mpanao ny tsy rariny sy tena tsy mankasitraka.
Tompo o ! Izy ireny dia tena nanary tokoa ny maro tamin’ny olombelona. n'iza n'iza manaraka Ahy, Izy no Oloko, ary izay tsy mankato Ahy kosa... Ianao no tena Mpamela-heloka sy be Fiantrana.
Tomponay o ! Ianao tokoa no mahafantatra izay afeninay sy habaribarinay, ary tsy misy miafina amin’i Allah na dia kely aza, na eto an-tany na any an-koatra.
Dera sy voninahitra anie ho an’i Allah ! Izay nanome Ahy tao anaty fahanterana an’i Ismaely sy Isaka. Marina fa ny Tompoko dia mihaino ireo fangatahana.
Ary aza mihevitra Ianao fa i Allah dia variana amin’izay ataon’ireo mpanao ny tsy rariny, fa omeny fe-potoana kosa izy ireo, mandra-pahatongan’ny andro izay hampidiridiry tsy ankihetsika ny mason’izy ireo.