Marina fa ny Tomponareo dia i Allah, izay nahary ireo lanitra sy ny tany nandritry ny enin’andro, avy eo dia nitoetra “ Istaoa ” teo amin’ny seza fiandrianany Izy, mandrindra ny zava-drehetra. Tsy misy ho mpanelanelana raha tsy mahazo alalana avy Aminy. izany ilay Allah Tomponareo. Tompoinareo àry Izy ! Moa ve tsy mahatsapa izany Ianareo ?
Any Aminy no hiverenananareo rehetra, izany no fampanantenan’i Allah amim-pahamarinana ! Izy no nanao ny fahariana voalohany, avy eo dia hamerina izany Izy mba hanomezany ireo izay nino sy nanao asa soa ny valisoa ara-drariny. Ary ho an’ireo izay tsy nino kosa dia ny zava-pisotro mangotrakotraka sy ny sazy mamirifiry, noho izy ireo tsy nino !
Izy no nanao ny masoandro ho famirapiratana sy ny volana ho fahazavana ary nalahany ho manana ambaratongam-piovaovana izany, mba hafantaranareo ny isan’ny taona sy ny fikajiana ny fotoana. Tsy nahary izany Allah raha tsy amim-pahamarinana. Hazavainy antsipiriany ireo famantarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalana.
Marina fa eo amin’ny fifadimbiasan’ny alina sy ny andro ary koa eo amin’izay rehetra noharian’i Allah any amin’ireo lanitra sy ny tany dia tena misy famantarana maro ho an’ireo vahoaka manam-patahorana (an’i Allah).