《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。

页码:close

external-link copy
38 : 20

إِذۡ أَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰٓ أُمِّكَ مَا يُوحَىٰٓ

Rehefa nolazainay tamin’ny Reninao izay tokony nambara Azy: info
التفاسير:

external-link copy
39 : 20

أَنِ ٱقۡذِفِيهِ فِي ٱلتَّابُوتِ فَٱقۡذِفِيهِ فِي ٱلۡيَمِّ فَلۡيُلۡقِهِ ٱلۡيَمُّ بِٱلسَّاحِلِ يَأۡخُذۡهُ عَدُوّٞ لِّي وَعَدُوّٞ لَّهُۥۚ وَأَلۡقَيۡتُ عَلَيۡكَ مَحَبَّةٗ مِّنِّي وَلِتُصۡنَعَ عَلَىٰ عَيۡنِيٓ

“Ataovy anaty vatakely Izy, dia alefaso eny ambony rano mba ho entin’ny riaka eny an-tsisiny. Ka hisy fahavaloko sy fahavalony handray Azy. Ary nandrotsahako fitiavana avy Amiko Ianao mba hobeazina eo ambany masoko. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 20

إِذۡ تَمۡشِيٓ أُخۡتُكَ فَتَقُولُ هَلۡ أَدُلُّكُمۡ عَلَىٰ مَن يَكۡفُلُهُۥۖ فَرَجَعۡنَٰكَ إِلَىٰٓ أُمِّكَ كَيۡ تَقَرَّ عَيۡنُهَا وَلَا تَحۡزَنَۚ وَقَتَلۡتَ نَفۡسٗا فَنَجَّيۡنَٰكَ مِنَ ٱلۡغَمِّ وَفَتَنَّٰكَ فُتُونٗاۚ فَلَبِثۡتَ سِنِينَ فِيٓ أَهۡلِ مَدۡيَنَ ثُمَّ جِئۡتَ عَلَىٰ قَدَرٖ يَٰمُوسَىٰ

Ary tonga (nandalo) teo ny Anabavinao, ka niteny nanao hoe : “ Moa ve azoko atao ny manondro Olona ho Anareo hikarakara Azy ? ”. Dia naverinay tamin’ny Reninao Ianao, mba hampifaly ny masony, ka tsy halahelo intsony izy. Namono Olona Ianao, nefa navotanay tamin’ny tahotra izay nanangeja Anao; ary nosedrainay fitsapana maro Ianao. Ka nonina taona maro niaraka tamin’ny mponin’i Madina Ianao. Avy eo dia tonga ianao, araka ny didy efa voafetra, ô ry Mosa ! info
التفاسير:

external-link copy
41 : 20

وَٱصۡطَنَعۡتُكَ لِنَفۡسِي

Efa nofidiko ho Ahy Ianao. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 20

ٱذۡهَبۡ أَنتَ وَأَخُوكَ بِـَٔايَٰتِي وَلَا تَنِيَا فِي ذِكۡرِي

Koa mandehana Ianao sy ny Rahalahinao, miaraka amin’ny fahagagana avy Amiko; ary aza atao tsirambina ny fahatsiarovana Ahy. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 20

ٱذۡهَبَآ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ إِنَّهُۥ طَغَىٰ

Mandehana any amin’i Faraona Ianareo, fa tena nihoa-pefy Izy. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 20

فَقُولَا لَهُۥ قَوۡلٗا لَّيِّنٗا لَّعَلَّهُۥ يَتَذَكَّرُ أَوۡ يَخۡشَىٰ

Dia miresaha Aminy am-pahendrena Ianareo roa. Angamba ahatsiaro tena izy na hatahotra (Ahy) info
التفاسير:

external-link copy
45 : 20

قَالَا رَبَّنَآ إِنَّنَا نَخَافُ أَن يَفۡرُطَ عَلَيۡنَآ أَوۡ أَن يَطۡغَىٰ

Niteny izy Roa ka nanao hoe : “ Tomponay ô ! Tena matahotra ny hampijaliany Izahay, na ny hanaovany ratsy tafahoatra Aminay ”. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 20

قَالَ لَا تَخَافَآۖ إِنَّنِي مَعَكُمَآ أَسۡمَعُ وَأَرَىٰ

Niteny (i Allah) hoe : “ Aza matahotra ianareo, fa Izaho dia miaraka aminareo hatrany, mandre sy mahita”. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 20

فَأۡتِيَاهُ فَقُولَآ إِنَّا رَسُولَا رَبِّكَ فَأَرۡسِلۡ مَعَنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ وَلَا تُعَذِّبۡهُمۡۖ قَدۡ جِئۡنَٰكَ بِـَٔايَةٖ مِّن رَّبِّكَۖ وَٱلسَّلَٰمُ عَلَىٰ مَنِ ٱتَّبَعَ ٱلۡهُدَىٰٓ

Mandehana any aminy ianareo, ary teneno (izy) hoe : “Izahay dia Iraky ny Tomponao. koa alefaso miaraka aminay ireo Zanak’Israely, fa aza ampijaliana intsony. Tonga eto aminao izahay miaraka amin’ny porofo avy amin’ny Tomponao. Ary ny fiadanana anie ho an’izay manaraka ny làla-mahitsy”. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 20

إِنَّا قَدۡ أُوحِيَ إِلَيۡنَآ أَنَّ ٱلۡعَذَابَ عَلَىٰ مَن كَذَّبَ وَتَوَلَّىٰ

Efa nahazo fanambarana Izahay fa, ny famaizana dia natao ho an’ireo izay milaza lainga (ny finoana) sy mitodi-damosina. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 20

قَالَ فَمَن رَّبُّكُمَا يَٰمُوسَىٰ

Niteny Izy (Faraona) ka nanao hoe : “ Iza àry no Tomponareo ry Mosa ? ” info
التفاسير:

external-link copy
50 : 20

قَالَ رَبُّنَا ٱلَّذِيٓ أَعۡطَىٰ كُلَّ شَيۡءٍ خَلۡقَهُۥ ثُمَّ هَدَىٰ

Niteny Izy (Mosa) : “ Ny Tomponay, dia ilay nanome endrika ny zavatra tsirairay, avy eo dia nitari-dàlana Azy Izy ”. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 20

قَالَ فَمَا بَالُ ٱلۡقُرُونِ ٱلۡأُولَىٰ

Niteny Izy (Faraona) nanao hoe : “ Ka ahoana àry ireo taranaka teo aloha ? ” info
التفاسير: