Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin

Numero ng Pahina:close

external-link copy
61 : 43

وَإِنَّهُۥ لَعِلۡمٞ لِّلسَّاعَةِ فَلَا تَمۡتَرُنَّ بِهَا وَٱتَّبِعُونِۚ هَٰذَا صِرَٰطٞ مُّسۡتَقِيمٞ

Ary izy, dia ho famantarana mikasika ilay Ora, ka aza misalasala ny amin’izany velively ianareo. Koa manaraha ahy, izany no lalana mahitsy. info
التفاسير:

external-link copy
62 : 43

وَلَا يَصُدَّنَّكُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُۖ إِنَّهُۥ لَكُمۡ عَدُوّٞ مُّبِينٞ

Aoka tsy hampivily anareo mihitsy ny devoly! Fa tena fahavalo miharihary ho anareo izy. info
التفاسير:

external-link copy
63 : 43

وَلَمَّا جَآءَ عِيسَىٰ بِٱلۡبَيِّنَٰتِ قَالَ قَدۡ جِئۡتُكُم بِٱلۡحِكۡمَةِ وَلِأُبَيِّنَ لَكُم بَعۡضَ ٱلَّذِي تَخۡتَلِفُونَ فِيهِۖ فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ

Ary rehefa nitondra ny porofo I Jesoa, dia hoy izy : “Tonga eto aminareo miaraka amin’ny fahendrena aho, sady hanazava aminareo ireo zavatra sasany tsy nampitovy hevitra anareo. Matahora an'I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy. info
التفاسير:

external-link copy
64 : 43

إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ رَبِّي وَرَبُّكُمۡ فَٱعۡبُدُوهُۚ هَٰذَا صِرَٰطٞ مُّسۡتَقِيمٞ

Tompoko sy Tomponareo tokoa Izy Allah, koa aoka ianareo hanompo Azy, fa izany no lalana mahitsy.” info
التفاسير:

external-link copy
65 : 43

فَٱخۡتَلَفَ ٱلۡأَحۡزَابُ مِنۢ بَيۡنِهِمۡۖ فَوَيۡلٞ لِّلَّذِينَ ظَلَمُواْ مِنۡ عَذَابِ يَوۡمٍ أَلِيمٍ

Saingy tsy nitovy hevitra ireo vondron’olona teo amin’izy ireo. Koa loza ho an’ireo mpanao ny tsy rariny, amin’ny famaizana amin’ilay andro feno fanaintainana. info
التفاسير:

external-link copy
66 : 43

هَلۡ يَنظُرُونَ إِلَّا ٱلسَّاعَةَ أَن تَأۡتِيَهُم بَغۡتَةٗ وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ

Tsy miandry afa-tsy ny hahatongavan’ilay Ora tampoka va izy reo, amin’ny fotoana tsy ampoiziny akory ? info
التفاسير:

external-link copy
67 : 43

ٱلۡأَخِلَّآءُ يَوۡمَئِذِۭ بَعۡضُهُمۡ لِبَعۡضٍ عَدُوٌّ إِلَّا ٱلۡمُتَّقِينَ

Ho mpifahavalo ireo mpinamana amin’io andro io, afa-tsy ireo vontom-pinoana. info
التفاسير:

external-link copy
68 : 43

يَٰعِبَادِ لَا خَوۡفٌ عَلَيۡكُمُ ٱلۡيَوۡمَ وَلَآ أَنتُمۡ تَحۡزَنُونَ

“Ry mpanompoko ! Tsy hanam-pahatahorana ianareo androany, ary tsy halahelo ihany koa". info
التفاسير:

external-link copy
69 : 43

ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِـَٔايَٰتِنَا وَكَانُواْ مُسۡلِمِينَ

Ireo izay nino ny famantarana avy Aminay, sady nankato, info
التفاسير:

external-link copy
70 : 43

ٱدۡخُلُواْ ٱلۡجَنَّةَ أَنتُمۡ وَأَزۡوَٰجُكُمۡ تُحۡبَرُونَ

Aoka ianareo sy ireo vadinareo hiditra ao amin’ny Paradisa, fa hanaovana lanonana ianareo any.” info
التفاسير:

external-link copy
71 : 43

يُطَافُ عَلَيۡهِم بِصِحَافٖ مِّن ذَهَبٖ وَأَكۡوَابٖۖ وَفِيهَا مَا تَشۡتَهِيهِ ٱلۡأَنفُسُ وَتَلَذُّ ٱلۡأَعۡيُنُۖ وَأَنتُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ

Hampandalovina eny amin’izy ireo ny lovia volamena sy ireo kapoaka; fa hisy izay rehetra irin’ny vatana sy mahafaly ny maso ao; ka dia hipetraka ao mandrakizay ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
72 : 43

وَتِلۡكَ ٱلۡجَنَّةُ ٱلَّتِيٓ أُورِثۡتُمُوهَا بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ

Izany no Paradisa ho lovainareo noho ny nataonareo. info
التفاسير:

external-link copy
73 : 43

لَكُمۡ فِيهَا فَٰكِهَةٞ كَثِيرَةٞ مِّنۡهَا تَأۡكُلُونَ

Fa hisy voankazo maro ho anareo ao, ka hihinana amin’izany ianareo. info
التفاسير: