Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin

Numero ng Pahina:close

external-link copy
195 : 3

فَٱسۡتَجَابَ لَهُمۡ رَبُّهُمۡ أَنِّي لَآ أُضِيعُ عَمَلَ عَٰمِلٖ مِّنكُم مِّن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰۖ بَعۡضُكُم مِّنۢ بَعۡضٖۖ فَٱلَّذِينَ هَاجَرُواْ وَأُخۡرِجُواْ مِن دِيَٰرِهِمۡ وَأُوذُواْ فِي سَبِيلِي وَقَٰتَلُواْ وَقُتِلُواْ لَأُكَفِّرَنَّ عَنۡهُمۡ سَيِّـَٔاتِهِمۡ وَلَأُدۡخِلَنَّهُمۡ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ ثَوَابٗا مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِۚ وَٱللَّهُ عِندَهُۥ حُسۡنُ ٱلثَّوَابِ

Ka namaly ny hatak’izy ireo ny Tompony, ary nanao hoe : “ Tena marina fa tsy hanary ny asa nataon’ny tsirairay Taminareo Aho, na lahy na vavy, avy amin’ny andaniny sy avy amin’ny ankilany Aminareo. Ka ireo izay nifindra monina sy noroahana tamin’ny toeram-ponenany, sy nampijaliana tamin’ny làlako, ary ireo niady sy novonoina, dia tena ho fafàko amin’izy ireo ny asa ratsy vitan'izy ireo, ary hampidiriko tokoa ao amin’ireo zaridaina (Paradisa) izy ireo, izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny, valisoa avy amin’i Allah, ary i Allah no manana ny mendrika indrindra amin’ny valisoa. info
التفاسير:

external-link copy
196 : 3

لَا يَغُرَّنَّكَ تَقَلُّبُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي ٱلۡبِلَٰدِ

Aoka tsy hamitaka Anao ny fihetsik’ireo izay tsy nino ao amin’ny tanàna. info
التفاسير:

external-link copy
197 : 3

مَتَٰعٞ قَلِيلٞ ثُمَّ مَأۡوَىٰهُمۡ جَهَنَّمُۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمِهَادُ

Fahafinaretana kely fotsiny ! Avy eo any amin’ny Afobe no fialofan’izy ireo. Ary ratsy dia ratsy tokoa izany fandriana izany ! info
التفاسير:

external-link copy
198 : 3

لَٰكِنِ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ رَبَّهُمۡ لَهُمۡ جَنَّٰتٞ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَا نُزُلٗا مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِۗ وَمَا عِندَ ٱللَّهِ خَيۡرٞ لِّلۡأَبۡرَارِ

Ka nefa ireo izay matahotra ny Tompon'izy ireo kosa, dia ho azy ireo ny zaridaina (Paradisa) maro, izay misy renirano maro mikoriana ao ambaniny. Hitoetra ao mandrakizay izy ireo, toeram-pitobiana avy amin’i Allah. Ary izay misy any amin’i Allah dia mendrika ho an’ireo mpanao asa soa. info
التفاسير:

external-link copy
199 : 3

وَإِنَّ مِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ لَمَن يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡكُمۡ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡهِمۡ خَٰشِعِينَ لِلَّهِ لَا يَشۡتَرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ ثَمَنٗا قَلِيلًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ أَجۡرُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ

Ary tena misy amin’ireo Olon’ny Boky mino tokoa an’i Allah sy izay nampidinina Taminareo, ary izay nampidininy tamin’izy ireo. Feno fanetre-tena amin’i Allah izy ireo, ary tsy nivarotra mihitsy ireo fanambaran’i Allah amin’ny vidiny ambany dia ambany izy ireo. Ho azy ireo ny valisoa avy amin’ny Tompony.Tena marina fa i Allah dia haingam-panisa. info
التفاسير:

external-link copy
200 : 3

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱصۡبِرُواْ وَصَابِرُواْ وَرَابِطُواْ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ

Ô Ianareo izay nino ! Miareta Ianareo sy mahereza, ary hamafiso ny fiambenanareo (vahoaka), ary matahorà an’i Allah Ianareo, fa hahazo fahombiazana tokoa Ianareo. info
التفاسير: