Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin

external-link copy
260 : 2

وَإِذۡ قَالَ إِبۡرَٰهِـۧمُ رَبِّ أَرِنِي كَيۡفَ تُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰۖ قَالَ أَوَلَمۡ تُؤۡمِنۖ قَالَ بَلَىٰ وَلَٰكِن لِّيَطۡمَئِنَّ قَلۡبِيۖ قَالَ فَخُذۡ أَرۡبَعَةٗ مِّنَ ٱلطَّيۡرِ فَصُرۡهُنَّ إِلَيۡكَ ثُمَّ ٱجۡعَلۡ عَلَىٰ كُلِّ جَبَلٖ مِّنۡهُنَّ جُزۡءٗا ثُمَّ ٱدۡعُهُنَّ يَأۡتِينَكَ سَعۡيٗاۚ وَٱعۡلَمۡ أَنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٞ

Ary raha niteny i Ibrahama hoe : “Tompo ô! Asehoy ahy, tahaka ny ahoana no famelomanao indray ireo maty”, dia hoy Allah namaly azy : “Moa tsy mino va ianao?”. Dia hoy Ibrahim : “Tsia! Tsy izany akory, fa mba hampitony ny foko”. Ka dia hoy Allah : “Makà vorona efatra ianao ka tapatapaho, ary ametraho singany iray avy aminy isaky ny tendrombohitra; aorian’izany, dia antsoy izy ireo, fa hilomay hanatona anao. Ary aoka ho fantatrao, fa Allah dia Tsitoha sy be fahendrena. info
التفاسير: