పవిత్ర ఖురాన్ యొక్క భావార్థాల అనువాదం - మాలాగసీ అనువాదం - రువ్వాద్ అనువాద కేంద్రం

Nouh

external-link copy
1 : 71

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوۡمِهِۦٓ أَنۡ أَنذِرۡ قَوۡمَكَ مِن قَبۡلِ أَن يَأۡتِيَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ

Nalefanay teo amin'ny vahoakan'i Noa : "Ilazao ny vahoakanao, mialohan'ny hiavian'ny famaizana mamirifiry amin'izy ireo." info
التفاسير:

external-link copy
2 : 71

قَالَ يَٰقَوۡمِ إِنِّي لَكُمۡ نَذِيرٞ مُّبِينٌ

Hoy izy : "Ry vahoakako ! Mpampitandrina mazava ho anareo tokoa aho." info
التفاسير:

external-link copy
3 : 71

أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱتَّقُوهُ وَأَطِيعُونِ

Koa aoka ianareo hanompo an'I Allah, matahora Azy ary mankatoava ahy. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 71

يَغۡفِرۡ لَكُم مِّن ذُنُوبِكُمۡ وَيُؤَخِّرۡكُمۡ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمًّىۚ إِنَّ أَجَلَ ٱللَّهِ إِذَا جَآءَ لَا يُؤَخَّرُۚ لَوۡ كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ

Mba hamelany ny helokareo sy hanomezany fanemoram-potoana ho anareo, hatramin'ny fotoana voafetra. Saingy rehefa tonga ny fotoana noferan'I tompo Allah dia tsy ho azo ahemotra intsony izany, raha mba fantatrareo mantsy ! info
التفاسير:

external-link copy
5 : 71

قَالَ رَبِّ إِنِّي دَعَوۡتُ قَوۡمِي لَيۡلٗا وَنَهَارٗا

Dia hoy izy : "Tompo o ! Niantso ny vahoakako andro aman'alina aho." info
التفاسير:

external-link copy
6 : 71

فَلَمۡ يَزِدۡهُمۡ دُعَآءِيٓ إِلَّا فِرَارٗا

Kanefa tsy nampitombo afa-tsy ny fandosiran'izy ireo ny antsoko. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 71

وَإِنِّي كُلَّمَا دَعَوۡتُهُمۡ لِتَغۡفِرَ لَهُمۡ جَعَلُوٓاْ أَصَٰبِعَهُمۡ فِيٓ ءَاذَانِهِمۡ وَٱسۡتَغۡشَوۡاْ ثِيَابَهُمۡ وَأَصَرُّواْ وَٱسۡتَكۡبَرُواْ ٱسۡتِكۡبَارٗا

Ary isaky ny miantso azy ireo aho, mba hamelanao ny helony, dia nataon'izy ireo teo amin'ny sofiny ny rantsan-tanany, ary nasarony tamin'ny akanjony, be di-doha sady feno fanamboniantena. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 71

ثُمَّ إِنِّي دَعَوۡتُهُمۡ جِهَارٗا

Avy eo dia nantsoiko an-karihary izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 71

ثُمَّ إِنِّيٓ أَعۡلَنتُ لَهُمۡ وَأَسۡرَرۡتُ لَهُمۡ إِسۡرَارٗا

Avy eo nanaovako fanambarana ampahibemaso (izy ireo), sy bitsika miafina. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 71

فَقُلۡتُ ٱسۡتَغۡفِرُواْ رَبَّكُمۡ إِنَّهُۥ كَانَ غَفَّارٗا

Ka hoy aho : "Mangataha famelan-keloka amin'ny Tomponareo ianareo, fa Mpamela heloka tokoa Izy." info
التفاسير:

external-link copy
11 : 71

يُرۡسِلِ ٱلسَّمَآءَ عَلَيۡكُم مِّدۡرَارٗا

Mba handefasany ranon'orana maro ho anareo avy eny amin'ny lanitra. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 71

وَيُمۡدِدۡكُم بِأَمۡوَٰلٖ وَبَنِينَ وَيَجۡعَل لَّكُمۡ جَنَّٰتٖ وَيَجۡعَل لَّكُمۡ أَنۡهَٰرٗا

Sy hampitomboiny ny harena sy ireo taranaka ho anareo, ary hanomezany anareo zaridaina sy renirano. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 71

مَّا لَكُمۡ لَا تَرۡجُونَ لِلَّهِ وَقَارٗا

Koa inona no tsy hanajanareo an'i tompo Allah araky ny tokony ho izy ? info
التفاسير:

external-link copy
14 : 71

وَقَدۡ خَلَقَكُمۡ أَطۡوَارًا

Ary anefa dia namboariny tamin'ny dingana isan'ambaratongany ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 71

أَلَمۡ تَرَوۡاْ كَيۡفَ خَلَقَ ٱللَّهُ سَبۡعَ سَمَٰوَٰتٖ طِبَاقٗا

Tsy hitanareo va ny naharian'I Allah ny lanitra fito mifanaingina ? info
التفاسير:

external-link copy
16 : 71

وَجَعَلَ ٱلۡقَمَرَ فِيهِنَّ نُورٗا وَجَعَلَ ٱلشَّمۡسَ سِرَاجٗا

Sy ny nanaovany ny volana ho hazavana, ary ny masoandro ho fanilo ? info
التفاسير:

external-link copy
17 : 71

وَٱللَّهُ أَنۢبَتَكُم مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ نَبَاتٗا

Ary Allah no nampitombo anareo avy amin'ny tany tahaka ireo zava-maniry. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 71

ثُمَّ يُعِيدُكُمۡ فِيهَا وَيُخۡرِجُكُمۡ إِخۡرَاجٗا

Avy eo dia averina ao ianareo ary havoakany avy ao indray. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 71

وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَرۡضَ بِسَاطٗا

Fa i tompo Allah no nanao ny tany ho lamaka ho anareo. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 71

لِّتَسۡلُكُواْ مِنۡهَا سُبُلٗا فِجَاجٗا

Mba hizoranareo amin'ny lalana malalaka. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 71

قَالَ نُوحٞ رَّبِّ إِنَّهُمۡ عَصَوۡنِي وَٱتَّبَعُواْ مَن لَّمۡ يَزِدۡهُ مَالُهُۥ وَوَلَدُهُۥٓ إِلَّا خَسَارٗا

Hoy i Noa : "Tompo o ! Tsy nankato ahy izy ireo, fa nanaraka ilay nitombo fatiantoka nohon'ny fananany sy ireo zanany. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 71

وَمَكَرُواْ مَكۡرٗا كُبَّارٗا

Ary nanomana tetika goavana izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 71

وَقَالُواْ لَا تَذَرُنَّ ءَالِهَتَكُمۡ وَلَا تَذَرُنَّ وَدّٗا وَلَا سُوَاعٗا وَلَا يَغُوثَ وَيَعُوقَ وَنَسۡرٗا

Ary niteny izy ireo hoe : "Aza mandao ireo andriamanitrareo mihitsy ianareo, ary aza miala amin'ny sampy "wadd", "sowa'a", "yaghouth", "ya'ouq" ary "nasr" na oviana na oviana. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 71

وَقَدۡ أَضَلُّواْ كَثِيرٗاۖ وَلَا تَزِدِ ٱلظَّٰلِمِينَ إِلَّا ضَلَٰلٗا

Ary efa nahavery olona maro izy ireo. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny fahaverezan'ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 71

مِّمَّا خَطِيٓـَٰٔتِهِمۡ أُغۡرِقُواْ فَأُدۡخِلُواْ نَارٗا فَلَمۡ يَجِدُواْ لَهُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ أَنصَارٗا

Rendrika izy ireo nohon'ny hadisoany, avy eo nampidirina tao anaty afo, ka tsy nahita mpamonjy ankoatran'i tompo Allah anefa izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 71

وَقَالَ نُوحٞ رَّبِّ لَا تَذَرۡ عَلَى ٱلۡأَرۡضِ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ دَيَّارًا

Ka hoy i Noa : "Tompo o ! Aza avelanao hisy olona tsy mpino na dia iray aza eto an-tany." info
التفاسير:

external-link copy
27 : 71

إِنَّكَ إِن تَذَرۡهُمۡ يُضِلُّواْ عِبَادَكَ وَلَا يَلِدُوٓاْ إِلَّا فَاجِرٗا كَفَّارٗا

Fa raha avelanao izy ireo dia hamery lalana ireo mpanomponao, ka tsy hiteraka afa-tsy ny mpanota no sady tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 71

رَّبِّ ٱغۡفِرۡ لِي وَلِوَٰلِدَيَّ وَلِمَن دَخَلَ بَيۡتِيَ مُؤۡمِنٗا وَلِلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِۖ وَلَا تَزِدِ ٱلظَّٰلِمِينَ إِلَّا تَبَارَۢا

Tompo o ! Mamelà ny heloko sy ireo Ray aman-dReniko, ary izay mpino miditra ao an-tranoko, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy mpino ; fa ny fahaverezana ihany no hampitomboy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny". info
التفاسير: