పవిత్ర ఖురాన్ యొక్క భావార్థాల అనువాదం - మాలాగసీ అనువాదం - రువ్వాద్ అనువాద కేంద్రం

పేజీ నెంబరు: 119:106 close

external-link copy
71 : 5

وَحَسِبُوٓاْ أَلَّا تَكُونَ فِتۡنَةٞ فَعَمُواْ وَصَمُّواْ ثُمَّ تَابَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡ ثُمَّ عَمُواْ وَصَمُّواْ كَثِيرٞ مِّنۡهُمۡۚ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِمَا يَعۡمَلُونَ

Ary eritreretin’izy ireo fa tsy hisy ny famaizana ka lasa jamba sy marenina izy ireo. Avy eo dia noraisin’I Allah ny fibebahan’izy ireo. Avy eo dia lasa jamba sy marenina indray ny ankamaroan’izy ireo. Ary I Allah dia mahita tokoa izay ataon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
72 : 5

لَقَدۡ كَفَرَ ٱلَّذِينَ قَالُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡمَسِيحُ ٱبۡنُ مَرۡيَمَۖ وَقَالَ ٱلۡمَسِيحُ يَٰبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ رَبِّي وَرَبَّكُمۡۖ إِنَّهُۥ مَن يُشۡرِكۡ بِٱللَّهِ فَقَدۡ حَرَّمَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِ ٱلۡجَنَّةَ وَمَأۡوَىٰهُ ٱلنَّارُۖ وَمَا لِلظَّٰلِمِينَ مِنۡ أَنصَارٖ

Efa tena tsy mpino tokoa ireo izay niteny hoe: “Tena marina fa Allah dia i Jesoa zanak’i Maria”.Kanefa niteny i Mesia (Jesoa) hoe: “O ry zanak’Israely! Aoka hanompo an’I Allah, Tompoko sy Tomponareo ianareo”. Tena marina fa n’iza n’iza mampikambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa dia efa noraran’I Allah aminy ny Paradisa ary ny Afobe no ho fonenany. Ary tsy hanana mpanavotra mihitsy ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
73 : 5

لَّقَدۡ كَفَرَ ٱلَّذِينَ قَالُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ ثَالِثُ ثَلَٰثَةٖۘ وَمَا مِنۡ إِلَٰهٍ إِلَّآ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۚ وَإِن لَّمۡ يَنتَهُواْ عَمَّا يَقُولُونَ لَيَمَسَّنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ

Tena efa tsy mpino ireo izay miteny hoe: “Allah dia tena Iray amin’ny Telo ”. Nefa tsy misy Zanahary Tompo afa tsy Allah tokana ihany. Ary raha tsy mijanona amin’izay teneniny izy ireo, dia tena hahazo ny famaizana mangirifiry ireo izay tsy nino amin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
74 : 5

أَفَلَا يَتُوبُونَ إِلَى ٱللَّهِ وَيَسۡتَغۡفِرُونَهُۥۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٞ

Moa ve tsy hibebaka amin’I Allah izy ireo sy hangataka amin'I Allah ny famelan-keloka? Ary Allah dia be famelan-keloka, be fiantrana. info
التفاسير:

external-link copy
75 : 5

مَّا ٱلۡمَسِيحُ ٱبۡنُ مَرۡيَمَ إِلَّا رَسُولٞ قَدۡ خَلَتۡ مِن قَبۡلِهِ ٱلرُّسُلُ وَأُمُّهُۥ صِدِّيقَةٞۖ كَانَا يَأۡكُلَانِ ٱلطَّعَامَۗ ٱنظُرۡ كَيۡفَ نُبَيِّنُ لَهُمُ ٱلۡأٓيَٰتِ ثُمَّ ٱنظُرۡ أَنَّىٰ يُؤۡفَكُونَ

Tsy iza akory i Mesia zanak’i Maria afa tsy Iraka ihany. Efa maro ireo Iraka nandalo teo alohany. Ary ny reniny dia vehivavy marina. Samy nihinana sakafo izy roa. Jereo fa ahoana no anazavanay amin’izy ireo ny famantarana avy eo jereo manao ahoana ny fomba hivadihan’izy ireo! info
التفاسير:

external-link copy
76 : 5

قُلۡ أَتَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَمۡلِكُ لَكُمۡ ضَرّٗا وَلَا نَفۡعٗاۚ وَٱللَّهُ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ

Teneno hoe: "Manompo zavatra hafa ankoatran’I Allah ve ianareo izay tsy manana fahefana hanao na ny ratsy, na ny tsara aminareo?" Ary I Allah no Ilay tena Maheno Ilay Mahalala ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
77 : 5

قُلۡ يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لَا تَغۡلُواْ فِي دِينِكُمۡ غَيۡرَ ٱلۡحَقِّ وَلَا تَتَّبِعُوٓاْ أَهۡوَآءَ قَوۡمٖ قَدۡ ضَلُّواْ مِن قَبۡلُ وَأَضَلُّواْ كَثِيرٗا وَضَلُّواْ عَن سَوَآءِ ٱلسَّبِيلِ

Teneno hoe: O ry olon’ny Boky! Aza manitatra be loatra amin’ny finoanareo ankoatry ny marina ianareo. Ary aza manaraka ny sitrapon’ny vahoaka izay efa very tany aloha ianareo, ary nanary olona betsaka ka niala tamin’ny lalana mahitsy. info
التفاسير: