د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

Az-zariyaat

external-link copy
1 : 51

وَٱلذَّٰرِيَٰتِ ذَرۡوٗا

Mianiana amin’ny rivotra izay miparitaka Aho, info
التفاسير:

external-link copy
2 : 51

فَٱلۡحَٰمِلَٰتِ وِقۡرٗا

Amin’ny rahona mpitondra havesarana, info
التفاسير:

external-link copy
3 : 51

فَٱلۡجَٰرِيَٰتِ يُسۡرٗا

Amin’ny sambo mikorisa amim-pahamorana, info
التفاسير:

external-link copy
4 : 51

فَٱلۡمُقَسِّمَٰتِ أَمۡرًا

Amin’ireo anjely mpizara araka ny baiko, info
التفاسير:

external-link copy
5 : 51

إِنَّمَا تُوعَدُونَ لَصَادِقٞ

Fa marina avokoa izay ampanantenana anareo. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 51

وَإِنَّ ٱلدِّينَ لَوَٰقِعٞ

Ary ho tonga tsy azo ifandirana ny andro fitsarana. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 51

وَٱلسَّمَآءِ ذَاتِ ٱلۡحُبُكِ

Mianiana amin’ny lanitra izay misy lalana voafaritra tsara Aho, info
التفاسير:

external-link copy
8 : 51

إِنَّكُمۡ لَفِي قَوۡلٖ مُّخۡتَلِفٖ

Fa mifanohitra ny zavatra lazainareo. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 51

يُؤۡفَكُ عَنۡهُ مَنۡ أُفِكَ

Ary mihataka aminy (kor’any) izay mihataka amin’ny finoana. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 51

قُتِلَ ٱلۡخَرَّٰصُونَ

Novonoina ireo mpandainga, info
التفاسير:

external-link copy
11 : 51

ٱلَّذِينَ هُمۡ فِي غَمۡرَةٖ سَاهُونَ

Izay nilatsaka tao anatin’ny tsy firaharahiana. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 51

يَسۡـَٔلُونَ أَيَّانَ يَوۡمُ ٱلدِّينِ

Manontany izy ireo hoe : “Rahoviana ny andro fitsarana? ” info
التفاسير:

external-link copy
13 : 51

يَوۡمَ هُمۡ عَلَى ٱلنَّارِ يُفۡتَنُونَ

Ny andro hisedrana azy ireo amin’ny afo : info
التفاسير:

external-link copy
14 : 51

ذُوقُواْ فِتۡنَتَكُمۡ هَٰذَا ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تَسۡتَعۡجِلُونَ

“Ampandramo ny fisedrana, fa indro ilay notadiavinareo ho hafainganina”. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 51

إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي جَنَّٰتٖ وَعُيُونٍ

Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana, info
التفاسير:

external-link copy
16 : 51

ءَاخِذِينَ مَآ ءَاتَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَبۡلَ ذَٰلِكَ مُحۡسِنِينَ

Handray izay nomen’nyTompony izy ireo. Mifanao ny tsara izy ireo teo aloha, info
التفاسير:

external-link copy
17 : 51

كَانُواْ قَلِيلٗا مِّنَ ٱلَّيۡلِ مَا يَهۡجَعُونَ

Fotoana kely no mba natorian’izy ireo nandritry ny alina, info
التفاسير:

external-link copy
18 : 51

وَبِٱلۡأَسۡحَارِ هُمۡ يَسۡتَغۡفِرُونَ

Ary amin’ny fotoana farany amin’ny alina, dia mangataka famelan-keloka amin’I Allah izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 51

وَفِيٓ أَمۡوَٰلِهِمۡ حَقّٞ لِّلسَّآئِلِ وَٱلۡمَحۡرُومِ

Ary nisy anjaran’ny mpangataka sy ny tsy manana tamin’ny fananan’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 51

وَفِي ٱلۡأَرۡضِ ءَايَٰتٞ لِّلۡمُوقِنِينَ

Misy famantarana maro ho an’ireo izay tena mino eto an-tany. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 51

وَفِيٓ أَنفُسِكُمۡۚ أَفَلَا تُبۡصِرُونَ

Toy izany koa ny eo amin’ny tenanareo.Tsy mba mandinika va ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
22 : 51

وَفِي ٱلسَّمَآءِ رِزۡقُكُمۡ وَمَا تُوعَدُونَ

Ary any an-danitra no misy ny fivelomanareo, sy izay nampanantenana anareo. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 51

فَوَرَبِّ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ إِنَّهُۥ لَحَقّٞ مِّثۡلَ مَآ أَنَّكُمۡ تَنطِقُونَ

Eo anatrehan’ny Tompon’ny lanitra sy ny tany ! Izany dia marina tahaka izay teneninareo. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 51

هَلۡ أَتَىٰكَ حَدِيثُ ضَيۡفِ إِبۡرَٰهِيمَ ٱلۡمُكۡرَمِينَ

Tonga taminao va ny tantaran’ireo vahiny manan-kaja tao amin’i Abrahama ? info
التفاسير:

external-link copy
25 : 51

إِذۡ دَخَلُواْ عَلَيۡهِ فَقَالُواْ سَلَٰمٗاۖ قَالَ سَلَٰمٞ قَوۡمٞ مُّنكَرُونَ

Rehefa niditra tao an-tranony izy ireo dia niteny hoe : “Fiadanana ! ary hoy izy namaly azy ireo : “Fiadanana ry vahiny tsy fantatra ”. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 51

فَرَاغَ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِۦ فَجَآءَ بِعِجۡلٖ سَمِينٖ

Avy eo, dia nandeha nangingina tany amin’ny fianakaviany izy, ka nitondra zanak’omby matavy. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 51

فَقَرَّبَهُۥٓ إِلَيۡهِمۡ قَالَ أَلَا تَأۡكُلُونَ

Dia noentiny teo akaikin’izy ireo izany, ka hoy izy : “ Moa tsy hihinana va ianareo ? ”. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 51

فَأَوۡجَسَ مِنۡهُمۡ خِيفَةٗۖ قَالُواْ لَا تَخَفۡۖ وَبَشَّرُوهُ بِغُلَٰمٍ عَلِيمٖ

Natahotra teo anatrehan’izy ireo izy. Ka hoy izy ireo : “Aza matahotra ianao”. Dia nambaran’izy ireo taminy ny fahaterahan’ilay zaza lahy feno fahalalana. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 51

فَأَقۡبَلَتِ ٱمۡرَأَتُهُۥ فِي صَرَّةٖ فَصَكَّتۡ وَجۡهَهَا وَقَالَتۡ عَجُوزٌ عَقِيمٞ

Tamin’izany dia nandroso ny vadiny sady nihiaka, nikapoka ny tarehiny, ary niteny hoe : “ Vavy antitra, momba”. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 51

قَالُواْ كَذَٰلِكِ قَالَ رَبُّكِۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡحَكِيمُ ٱلۡعَلِيمُ

Hoy izy ireo : “Izany no tenin’ny Tomponao, Izy tokoa no ilay be fahendrena ilay mahalala ny zava-drehetra ”. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 51

۞ قَالَ فَمَا خَطۡبُكُمۡ أَيُّهَا ٱلۡمُرۡسَلُونَ

Dia hoy Abrahama: “ Inona àry no nampanaovina anareo, ry iraka? ”. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 51

قَالُوٓاْ إِنَّآ أُرۡسِلۡنَآ إِلَىٰ قَوۡمٖ مُّجۡرِمِينَ

Namaly izy ireo hoe: “ Nalefa ho an’ny olona mpanao ratsy izahay" info
التفاسير:

external-link copy
33 : 51

لِنُرۡسِلَ عَلَيۡهِمۡ حِجَارَةٗ مِّن طِينٖ

Mba hitoraka vato tanimanga azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 51

مُّسَوَّمَةً عِندَ رَبِّكَ لِلۡمُسۡرِفِينَ

Voa marika any amin’ny Tomponao, ho an’ireo mpanao ny tafahoatra. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 51

فَأَخۡرَجۡنَا مَن كَانَ فِيهَا مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Dia navoakanay izay mpino tao. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 51

فَمَا وَجَدۡنَا فِيهَا غَيۡرَ بَيۡتٖ مِّنَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ

Saingy tsy nahita afa-tsy trano iray an’ireo olona mpankato izahay. info
التفاسير:

external-link copy
37 : 51

وَتَرَكۡنَا فِيهَآ ءَايَةٗ لِّلَّذِينَ يَخَافُونَ ٱلۡعَذَابَ ٱلۡأَلِيمَ

Ka namela famantarana tao izahay, ho an’ireo izay matahotra ny famaizana mamirifiry. info
التفاسير:

external-link copy
38 : 51

وَفِي مُوسَىٰٓ إِذۡ أَرۡسَلۡنَٰهُ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ بِسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٖ

Ary ( toy izany koa) tamin’i Mosesy, rehefa nandefa azy Izahay, ho any amin’i Faraona niaraka tamin’ny porofo mazava. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 51

فَتَوَلَّىٰ بِرُكۡنِهِۦ وَقَالَ سَٰحِرٌ أَوۡ مَجۡنُونٞ

Saingy nanome lamosina izy, fa nahatoky ny heriny, ka niteny hoe: “ Mpanao majika na olona adala ! ”. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 51

فَأَخَذۡنَٰهُ وَجُنُودَهُۥ فَنَبَذۡنَٰهُمۡ فِي ٱلۡيَمِّ وَهُوَ مُلِيمٞ

Nosazianay izy sy ireo miaramilany, ka natsipinay anaty onja, nohon'ny haratsian-toetrany. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 51

وَفِي عَادٍ إِذۡ أَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمُ ٱلرِّيحَ ٱلۡعَقِيمَ

Toy izany ihany koa tamin’ireo Aad, rehefa nalefanay tamin’izy ireo ny rivotra mpandrava. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 51

مَا تَذَرُ مِن شَيۡءٍ أَتَتۡ عَلَيۡهِ إِلَّا جَعَلَتۡهُ كَٱلرَّمِيمِ

Tsy mamela na inona na inona amin’izay andalovany,raha tsy lasa vovoka. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 51

وَفِي ثَمُودَ إِذۡ قِيلَ لَهُمۡ تَمَتَّعُواْ حَتَّىٰ حِينٖ

Toy izany ihany koa tamin’ireo Thamod, rehefa nolazaina izy ireo hoe: “ Mifalia mandritra ny fotoana fohy ianareo ”. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 51

فَعَتَوۡاْ عَنۡ أَمۡرِ رَبِّهِمۡ فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّٰعِقَةُ وَهُمۡ يَنظُرُونَ

Sahy nanohitra ny didin’nyTompony izy ireo, ka nasian’ny varatra teo am-pitazanana. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 51

فَمَا ٱسۡتَطَٰعُواْ مِن قِيَامٖ وَمَا كَانُواْ مُنتَصِرِينَ

Ka tsy afaka nitsangana izy ireo no sady tsy afaka novonjena. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 51

وَقَوۡمَ نُوحٖ مِّن قَبۡلُۖ إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَوۡمٗا فَٰسِقِينَ

Toy izany koa ireo vahoakan’i Noa taloha. Tena olona ratsy fitondran-tena tokoa izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 51

وَٱلسَّمَآءَ بَنَيۡنَٰهَا بِأَيۡيْدٖ وَإِنَّا لَمُوسِعُونَ

Ny lanitra, dia namboarinay avy amin’ny herinay, ary novelarinay amin'ny avelarana tsy hita fiafarana. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 51

وَٱلۡأَرۡضَ فَرَشۡنَٰهَا فَنِعۡمَ ٱلۡمَٰهِدُونَ

Ary ny tany dia novelarinay izy. Ary toy inona ny fomba tsara nampitovianay lanja azy ! info
التفاسير:

external-link copy
49 : 51

وَمِن كُلِّ شَيۡءٍ خَلَقۡنَا زَوۡجَيۡنِ لَعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ

Ary noharianay tsiroa roa avokoa ny zavatra rehetra,mba ho tsaroanareo. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 51

فَفِرُّوٓاْ إِلَى ٱللَّهِۖ إِنِّي لَكُم مِّنۡهُ نَذِيرٞ مُّبِينٞ

Aoka ary ianareo hirodorodo ho any amin’I Allah, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 51

وَلَا تَجۡعَلُواْ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَۖ إِنِّي لَكُم مِّنۡهُ نَذِيرٞ مُّبِينٞ

Aza manana andriamanitra hafa miaraka amin’I Allah ianareo, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 51

كَذَٰلِكَ مَآ أَتَى ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِم مِّن رَّسُولٍ إِلَّا قَالُواْ سَاحِرٌ أَوۡ مَجۡنُونٌ

Toy izany, tsy nisy Iraka tonga tamin’ireo talohan’izy ireo, ka tsy nolazainy hoe : ‘’ Mpanao majika, naolona adala ‘’. info
التفاسير:

external-link copy
53 : 51

أَتَوَاصَوۡاْ بِهِۦۚ بَلۡ هُمۡ قَوۡمٞ طَاغُونَ

Nifampitan’izy ireo va izany teny izany ? Fa mpandika lalana tokoa izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
54 : 51

فَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ فَمَآ أَنتَ بِمَلُومٖ

Mihataha amin’izy ireo ianao, fa tsy homena tsiny. info
التفاسير:

external-link copy
55 : 51

وَذَكِّرۡ فَإِنَّ ٱلذِّكۡرَىٰ تَنفَعُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Ary aoka ianao hifampahatsiaro , fa ahazoan’ireo mpino tombontsoa ny fampahatsiarovana. info
التفاسير:

external-link copy
56 : 51

وَمَا خَلَقۡتُ ٱلۡجِنَّ وَٱلۡإِنسَ إِلَّا لِيَعۡبُدُونِ

Tsy nohariako ny djiny sy ny olombelona, raha tsy ny hanompoan’izy ireo Ahy. info
التفاسير:

external-link copy
57 : 51

مَآ أُرِيدُ مِنۡهُم مِّن رِّزۡقٖ وَمَآ أُرِيدُ أَن يُطۡعِمُونِ

Tsy mila foto-pivelomana avy amin’izy ireo Aho, ary tsy tiako ny hampisakafoan’izy ireo Ahy. info
التفاسير:

external-link copy
58 : 51

إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلرَّزَّاقُ ذُو ٱلۡقُوَّةِ ٱلۡمَتِينُ

Hamafisina, fa Allah no ilay mpanome fahasoavana sesehena, ilay manana ny hery, tsy hay hozongozonina. info
التفاسير:

external-link copy
59 : 51

فَإِنَّ لِلَّذِينَ ظَلَمُواْ ذَنُوبٗا مِّثۡلَ ذَنُوبِ أَصۡحَٰبِهِمۡ فَلَا يَسۡتَعۡجِلُونِ

Izay nanao ny tsy rariny dia hahazo anjara (sazy) mitovy amin’ny an’ireo namany. Aoka izy ireo tsy ho maika loatra. info
التفاسير:

external-link copy
60 : 51

فَوَيۡلٞ لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن يَوۡمِهِمُ ٱلَّذِي يُوعَدُونَ

Loza ho an’izay tsy mino, noho ilay andro efa nampitandremana azy ireo ! info
التفاسير: