د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

Swad

external-link copy
1 : 38

صٓۚ وَٱلۡقُرۡءَانِ ذِي ٱلذِّكۡرِ

Swád, Mianiana amin’ny Koroany, izay manana laza amam-boninahitra Aho ! info
التفاسير:

external-link copy
2 : 38

بَلِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي عِزَّةٖ وَشِقَاقٖ

Raha ny tena marina dia ireo izay tsy nino no ao anatin’ny fiavonavonana sy fizarazarana tanteraka. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 38

كَمۡ أَهۡلَكۡنَا مِن قَبۡلِهِم مِّن قَرۡنٖ فَنَادَواْ وَّلَاتَ حِينَ مَنَاصٖ

Firifiry tamin’ny taranaka talohan’izy ireo no naringanay ka nihiaka mafy izy ireo tamin’ny fotoana efa tsy azo nandosirana intsony? info
التفاسير:

external-link copy
4 : 38

وَعَجِبُوٓاْ أَن جَآءَهُم مُّنذِرٞ مِّنۡهُمۡۖ وَقَالَ ٱلۡكَٰفِرُونَ هَٰذَا سَٰحِرٞ كَذَّابٌ

Ary gaga izy ireo (ireo mponin’i Makka) fa misy mpampitandrina avy tao amin’izy ireo ihany no tonga tamin’izy ireo, ary niteny ireo tsy mpino hoe: “Io dia mpanao majika, tena mpandainga". info
التفاسير:

external-link copy
5 : 38

أَجَعَلَ ٱلۡأٓلِهَةَ إِلَٰهٗا وَٰحِدًاۖ إِنَّ هَٰذَا لَشَيۡءٌ عُجَابٞ

Moa ve hataony ho zanahary tokana ireo zanahary ? Tena marina fa izany dia zavatra mahagaga tokoa. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 38

وَٱنطَلَقَ ٱلۡمَلَأُ مِنۡهُمۡ أَنِ ٱمۡشُواْ وَٱصۡبِرُواْ عَلَىٰٓ ءَالِهَتِكُمۡۖ إِنَّ هَٰذَا لَشَيۡءٞ يُرَادُ

Ary lasa ireo loholona tamin’izy ireo sady niteny hoe :“ Mandehana ianareo ary mahareta amin’ireo zanaharinareo satria izany tokoa no zavatra tena irina". info
التفاسير:

external-link copy
7 : 38

مَا سَمِعۡنَا بِهَٰذَا فِي ٱلۡمِلَّةِ ٱلۡأٓخِرَةِ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا ٱخۡتِلَٰقٌ

Tsy mbola naheno izany izahay tamin’ny finoana teo aloha (Kristianisma), tsy inona izany fa zavatra noforonina fotsiny. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 38

أَءُنزِلَ عَلَيۡهِ ٱلذِّكۡرُ مِنۢ بَيۡنِنَاۚ بَلۡ هُمۡ فِي شَكّٖ مِّن ذِكۡرِيۚ بَل لَّمَّا يَذُوقُواْ عَذَابِ

Izy ve no nampidinana ny fampahatsiahivana teo amintsika ? ” Raha ny tena marina, dia ao anatin’ny ahiahy izy ireo momba ny fampahatsiahivako. Raha ny tena marina, dia mbola tsy nanandrana ny famaizana avy Amiko izy ireo ! info
التفاسير:

external-link copy
9 : 38

أَمۡ عِندَهُمۡ خَزَآئِنُ رَحۡمَةِ رَبِّكَ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡوَهَّابِ

Sa izy ireo ve no mitazona ireo tahiry sarobidin’ny Famindram-pon’ny Tomponao, Ilay Mahery, Ilay Mpanome Mendrika indrindra ? info
التفاسير:

external-link copy
10 : 38

أَمۡ لَهُم مُّلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَاۖ فَلۡيَرۡتَقُواْ فِي ٱلۡأَسۡبَٰبِ

Sa azy ireo ve ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany sy izay eo anelanelan’izy ireo ? Aoka àry hiakatra any izy ireo amin’ny fomba izay azony atao rehetra ! info
التفاسير:

external-link copy
11 : 38

جُندٞ مَّا هُنَالِكَ مَهۡزُومٞ مِّنَ ٱلۡأَحۡزَابِ

(Izy ireo dia) tafika avy amin’ny antoko maro mitambatra izay mbola eto an-toerana ihany dia efa resy ! info
التفاسير:

external-link copy
12 : 38

كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٖ وَعَادٞ وَفِرۡعَوۡنُ ذُو ٱلۡأَوۡتَادِ

Efa nampandainga talohan’izy ireo ny vahoakan’i Noa, ireo Aad, sy i Faraona izay nanana fanjakana matanjaka. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 38

وَثَمُودُ وَقَوۡمُ لُوطٖ وَأَصۡحَٰبُ لۡـَٔيۡكَةِۚ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلۡأَحۡزَابُ

Ary ireo Thamody sy ny vahoakan’i Lota ary ireo olon’ny Aïkat. Izy ireny no antoko maro mitambatra. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 38

إِن كُلٌّ إِلَّا كَذَّبَ ٱلرُّسُلَ فَحَقَّ عِقَابِ

Tsy nisy na dia iray aza tamin’izy ireo afa-tsy nampandainga ireo Iraka, ka tanteraka tamin’izy ireo ny sazy avy Amiko. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 38

وَمَا يَنظُرُ هَٰٓؤُلَآءِ إِلَّا صَيۡحَةٗ وَٰحِدَةٗ مَّا لَهَا مِن فَوَاقٖ

Ary tsy miandry izy ireo afa-tsy hiaka tokana ihany, tsy misy fiverimberenana. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 38

وَقَالُواْ رَبَّنَا عَجِّل لَّنَا قِطَّنَا قَبۡلَ يَوۡمِ ٱلۡحِسَابِ

Ary niteny izy ireo hoe : “ Tomponay ô ! Hafaingano aminay ny anjaranay alohan’ny andro Fitsarana ”. info
التفاسير: