ߞߎ߬ߙߣߊ߬ ߞߟߊߒߞߋ ߞߘߐ ߟߎ߬ ߘߟߊߡߌߘߊ - ߡߊߟߊ߬ߛߌ߫ ߘߟߊߡߌߘߊ - ߙߎ߬ߥߊ߯ߘߎ-ߕߊ߬ߙߑߖߡߊ ߝߊ߲ߓߊ ߓߟߏ߫

As-swaffat

external-link copy
1 : 37

وَٱلصَّٰٓفَّٰتِ صَفّٗا

Mianiana amin’ireo izay nalahatra amin’ny laharana Aho, info
التفاسير:

external-link copy
2 : 37

فَٱلزَّٰجِرَٰتِ زَجۡرٗا

Sy amin’ireo izay manosika mafy (ireo rahona), info
التفاسير:

external-link copy
3 : 37

فَٱلتَّٰلِيَٰتِ ذِكۡرًا

Ary amin’ireo izay mamaky ho fampahatsiahivana (Koroany) : info
التفاسير:

external-link copy
4 : 37

إِنَّ إِلَٰهَكُمۡ لَوَٰحِدٞ

Hamafisina, fa tokana ny Zanaharinareo, info
التفاسير:

external-link copy
5 : 37

رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا وَرَبُّ ٱلۡمَشَٰرِقِ

Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelany, ary Tompon’ireo fiposahan’ny masoandro ”. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 37

إِنَّا زَيَّنَّا ٱلسَّمَآءَ ٱلدُّنۡيَا بِزِينَةٍ ٱلۡكَوَاكِبِ

Hamafisina, fa Izahay no nampihaingo ny lanitra akaiky indrindra amin’ny ravak’ireo kintana, info
التفاسير:

external-link copy
7 : 37

وَحِفۡظٗا مِّن كُلِّ شَيۡطَٰنٖ مَّارِدٖ

Mba ho fiarovana amin’ny satana mpikomy rehetra, info
التفاسير:

external-link copy
8 : 37

لَّا يَسَّمَّعُونَ إِلَى ٱلۡمَلَإِ ٱلۡأَعۡلَىٰ وَيُقۡذَفُونَ مِن كُلِّ جَانِبٖ

Tsy afaka hihaino ireo manan-kaja ambony intsony izy ireo, satria ho torahana izy ireo avy amin’ny fitodihana rehetra, info
التفاسير:

external-link copy
9 : 37

دُحُورٗاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٞ وَاصِبٌ

Sady ho voatosika. Ary hahazo famaizana tsy manam-pahataperana izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 37

إِلَّا مَنۡ خَطِفَ ٱلۡخَطۡفَةَ فَأَتۡبَعَهُۥ شِهَابٞ ثَاقِبٞ

Afa-tsy izay mihaino an-tsokosoko, dia hanenjika azy ny poti-kintana mandoaka. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 37

فَٱسۡتَفۡتِهِمۡ أَهُمۡ أَشَدُّ خَلۡقًا أَم مَّنۡ خَلَقۡنَآۚ إِنَّا خَلَقۡنَٰهُم مِّن طِينٖ لَّازِبِۭ

Anontanio àry izy ireo, moa ve izy ireo no tena sarotra amboarina indrindra noho izay noharianay ? Fa fotaka madity no noharianay azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 37

بَلۡ عَجِبۡتَ وَيَسۡخَرُونَ

Nefa gaga ianao, ary maneso izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 37

وَإِذَا ذُكِّرُواْ لَا يَذۡكُرُونَ

Ary rehefa ampahatsiahivina (ny Kor’ány) izy ireo, dia tsy mandray izany. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 37

وَإِذَا رَأَوۡاْ ءَايَةٗ يَسۡتَسۡخِرُونَ

Ary rehefa mahita famantarana izy ireo, dia manao izay hanesoana izany. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 37

وَقَالُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٌ

Ary miteny izy ireo hoe: “Majika miharihary ihany izany ”. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 37

أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ

Rehefa maty izahay, ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho velomina indray ve ? info
التفاسير:

external-link copy
17 : 37

أَوَءَابَآؤُنَا ٱلۡأَوَّلُونَ

Na koa ireo razambenay taloha ? ” info
التفاسير:

external-link copy
18 : 37

قُلۡ نَعَمۡ وَأَنتُمۡ دَٰخِرُونَ

Dia lazao hoe : “Eny ! Ary ho ambany tokoa ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 37

فَإِنَّمَا هِيَ زَجۡرَةٞ وَٰحِدَةٞ فَإِذَا هُمۡ يَنظُرُونَ

Tsy hisy afa-tsy hiaka tokana ihany, dia indro izy ireo fa hijery. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 37

وَقَالُواْ يَٰوَيۡلَنَا هَٰذَا يَوۡمُ ٱلدِّينِ

Ka hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Tonga ny andro hanomezana ny valin-kasasarana”. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 37

هَٰذَا يَوۡمُ ٱلۡفَصۡلِ ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ

“Izany no andro fitsarana, izay nolazainareo fa lainga”. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 37

۞ ٱحۡشُرُواْ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ وَأَزۡوَٰجَهُمۡ وَمَا كَانُواْ يَعۡبُدُونَ

“Angoninareo ireo izay nanao ny tsy rariny sy ny vadin’izy ireo, ary izay rehetra notompoiny, info
التفاسير:

external-link copy
23 : 37

مِن دُونِ ٱللَّهِ فَٱهۡدُوهُمۡ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡجَحِيمِ

Ankoatran'I Allah dia tarihinareo makany amin’ny làlan’ny afobe izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 37

وَقِفُوهُمۡۖ إِنَّهُم مَّسۡـُٔولُونَ

Ary ajanony izy ireo fa tsy maintsy hanontaniana. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 37

مَا لَكُمۡ لَا تَنَاصَرُونَ

“Nahoana àry ianareo no tsy mifamonjy ? ” info
التفاسير:

external-link copy
26 : 37

بَلۡ هُمُ ٱلۡيَوۡمَ مُسۡتَسۡلِمُونَ

Nefa amin’izany andro izany dia hankato tanteraka izy ireo info
التفاسير:

external-link copy
27 : 37

وَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ

Ary hifampitodika izy ireo hifanontany info
التفاسير:

external-link copy
28 : 37

قَالُوٓاْ إِنَّكُمۡ كُنتُمۡ تَأۡتُونَنَا عَنِ ٱلۡيَمِينِ

Hiteny izy ireo hoe : “Tonga taminay tamin’ny fanehoana ny tsara ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 37

قَالُواْ بَل لَّمۡ تَكُونُواْ مُؤۡمِنِينَ

Dia hoy izy ireo hoe : “ Ianareo koa aza tsy nino ”. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 37

وَمَا كَانَ لَنَا عَلَيۡكُم مِّن سُلۡطَٰنِۭۖ بَلۡ كُنتُمۡ قَوۡمٗا طَٰغِينَ

Ary izahay dia tsy nanana fahefana taminareo. Fa ianareo kosa dia efa vahoaka mpihoa-pefy. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 37

فَحَقَّ عَلَيۡنَا قَوۡلُ رَبِّنَآۖ إِنَّا لَذَآئِقُونَ

Ary dia tanteraka aminay àry izao ny tenin’ny Tomponay, ka hanandrana (famaizana) tokoa izahay info
التفاسير:

external-link copy
32 : 37

فَأَغۡوَيۡنَٰكُمۡ إِنَّا كُنَّا غَٰوِينَ

Nofitahinay tokoa ianareo fa raha ny marina dia izahay mihitsy no efa very lalana. info
التفاسير:

external-link copy
33 : 37

فَإِنَّهُمۡ يَوۡمَئِذٖ فِي ٱلۡعَذَابِ مُشۡتَرِكُونَ

Ary amin’izany andro izany dia hitambatra ao anatin’ny famaizana izy rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 37

إِنَّا كَذَٰلِكَ نَفۡعَلُ بِٱلۡمُجۡرِمِينَ

Tahaka izany tokoa no hanaovanay ireo mpanao heloka bevava. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 37

إِنَّهُمۡ كَانُوٓاْ إِذَا قِيلَ لَهُمۡ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا ٱللَّهُ يَسۡتَكۡبِرُونَ

Rehefa nilazana izy ireo hoe : “Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah” dia nanambony tena izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 37

وَيَقُولُونَ أَئِنَّا لَتَارِكُوٓاْ ءَالِهَتِنَا لِشَاعِرٖ مَّجۡنُونِۭ

Ary niteny hoe : “Moa ve izahay no hamela ireo zanaharinay nohon'ny mpanao tononkalo adala ?” info
التفاسير:

external-link copy
37 : 37

بَلۡ جَآءَ بِٱلۡحَقِّ وَصَدَّقَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Kanefa tonga niaraka tamin’ny fahamarinana izy ary nanamarina ireo Iraka (teo aloha). info
التفاسير:

external-link copy
38 : 37

إِنَّكُمۡ لَذَآئِقُواْ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡأَلِيمِ

Marina tokoa fa ianareo dia tena hanandrana ny famaizana mangirifiry. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 37

وَمَا تُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ

Ary tsy omena valin’asa ianareo raha tsy araka ny asa nataonareo ihany info
التفاسير:

external-link copy
40 : 37

إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ

Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy info
التفاسير:

external-link copy
41 : 37

أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ رِزۡقٞ مَّعۡلُومٞ

Ho azy ireny ny valin-kasasarana efa fantatra info
التفاسير:

external-link copy
42 : 37

فَوَٰكِهُ وَهُم مُّكۡرَمُونَ

Voankazo maro ary omen-kaja izy ireo info
التفاسير:

external-link copy
43 : 37

فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ

.Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana info
التفاسير:

external-link copy
44 : 37

عَلَىٰ سُرُرٖ مُّتَقَٰبِلِينَ

Eo ambonin’ireo farafara mifanatrika. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 37

يُطَافُ عَلَيۡهِم بِكَأۡسٖ مِّن مَّعِينِۭ

Ho entina mitety azy ireo ny kaopy feno rano avy amin’ny loharano. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 37

بَيۡضَآءَ لَذَّةٖ لِّلشَّٰرِبِينَ

Fotsy, ankafizin’ireo mpisotro azy. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 37

لَا فِيهَا غَوۡلٞ وَلَا هُمۡ عَنۡهَا يُنزَفُونَ

Tsy misy hahavery (ny sain’izy ireo) ao, ary tsy hahamamo azy ireo izany. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 37

وَعِندَهُمۡ قَٰصِرَٰتُ ٱلطَّرۡفِ عِينٞ

Ary izy ireo dia hanana vehivavy tsara, manana fijery maontina, baribary maso. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 37

كَأَنَّهُنَّ بَيۡضٞ مَّكۡنُونٞ

Izy ireo dia tahaka ny atody voatahiry tsara. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 37

فَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ

Ary ny sasany amin'izy ireo dia hitodika amin'ny ankilany hifanontany. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 37

قَالَ قَآئِلٞ مِّنۡهُمۡ إِنِّي كَانَ لِي قَرِينٞ

Hiteny ny iray amin’izy ireo hoe : “Izaho dia nana-namana" info
التفاسير:

external-link copy
52 : 37

يَقُولُ أَءِنَّكَ لَمِنَ ٱلۡمُصَدِّقِينَ

Izay niteny hoe : “moa ve ianao tena anisan’ireo mpino ?” info
التفاسير:

external-link copy
53 : 37

أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَدِينُونَ

“Moa ve raha maty isika ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho tsaraina ?” info
التفاسير:

external-link copy
54 : 37

قَالَ هَلۡ أَنتُم مُّطَّلِعُونَ

Hiteny izy hoe : “ Moa ve ianareo mba te-hitazana avy aty ambony ?” info
التفاسير:

external-link copy
55 : 37

فَٱطَّلَعَ فَرَءَاهُ فِي سَوَآءِ ٱلۡجَحِيمِ

Dia nijery avy eny ambony izy ka nahatazana azy teo afovoan’ny afobe info
التفاسير:

external-link copy
56 : 37

قَالَ تَٱللَّهِ إِن كِدتَّ لَتُرۡدِينِ

Ary hiteny izy hoe : “Mianiana amin’I Allah aho fa saika noverezinao aho !” info
التفاسير:

external-link copy
57 : 37

وَلَوۡلَا نِعۡمَةُ رَبِّي لَكُنتُ مِنَ ٱلۡمُحۡضَرِينَ

Ary raha tsy noho ny fahasoavan’ny Tompoko dia tena anisan’ireo tao (anatin’ny afobe) koa aho. info
التفاسير:

external-link copy
58 : 37

أَفَمَا نَحۡنُ بِمَيِّتِينَ

Moa ve marina fa tsy ho faty isika, info
التفاسير:

external-link copy
59 : 37

إِلَّا مَوۡتَتَنَا ٱلۡأُولَىٰ وَمَا نَحۡنُ بِمُعَذَّبِينَ

Afa-tsy ny fahafatesantsika tamin’ny voalohany ary tsy ho faizina isika” info
التفاسير:

external-link copy
60 : 37

إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ

Marina fa izany tokoa ilay fahombiazana lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
61 : 37

لِمِثۡلِ هَٰذَا فَلۡيَعۡمَلِ ٱلۡعَٰمِلُونَ

Ho an’ny zavatra toy izany no tokony hiasan’ireo izay miasa. info
التفاسير:

external-link copy
62 : 37

أَذَٰلِكَ خَيۡرٞ نُّزُلًا أَمۡ شَجَرَةُ ٱلزَّقُّومِ

Moa ve tsy izany no mendrika kokoa ho fonenana sa ny hazon’ny Zakkom[105] info
التفاسير:

external-link copy
63 : 37

إِنَّا جَعَلۡنَٰهَا فِتۡنَةٗ لِّلظَّٰلِمِينَ

Marina fa Izahay dia nanao izany ho fitsapana ho an’ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
64 : 37

إِنَّهَا شَجَرَةٞ تَخۡرُجُ فِيٓ أَصۡلِ ٱلۡجَحِيمِ

Izany dia hazo izay mivoaka avy any amin’ny farany ambany amin’ny afobe. info
التفاسير:

external-link copy
65 : 37

طَلۡعُهَا كَأَنَّهُۥ رُءُوسُ ٱلشَّيَٰطِينِ

Ireo voany dia tahaka ny lohan’ireo satana. info
التفاسير:

external-link copy
66 : 37

فَإِنَّهُمۡ لَأٓكِلُونَ مِنۡهَا فَمَالِـُٔونَ مِنۡهَا ٱلۡبُطُونَ

Tsy maintsy mihinana amin'izany izy ireo ary hameno ny kibony info
التفاسير:

external-link copy
67 : 37

ثُمَّ إِنَّ لَهُمۡ عَلَيۡهَا لَشَوۡبٗا مِّنۡ حَمِيمٖ

Manaraka izany dia hisy avy eny ambony ny fifangaroan-drano ratsy, mangotraka ho an’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
68 : 37

ثُمَّ إِنَّ مَرۡجِعَهُمۡ لَإِلَى ٱلۡجَحِيمِ

Ary ny fiverenan’izy ireo dia mankany amin’ny afobe (Djahim) info
التفاسير:

external-link copy
69 : 37

إِنَّهُمۡ أَلۡفَوۡاْ ءَابَآءَهُمۡ ضَآلِّينَ

Izy ireo dia nahita ireo razambeny tao anatin’ny fahaverezana info
التفاسير:

external-link copy
70 : 37

فَهُمۡ عَلَىٰٓ ءَاثَٰرِهِمۡ يُهۡرَعُونَ

Koa indro izy ireo mihazakazaka manaraka ny dian’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
71 : 37

وَلَقَدۡ ضَلَّ قَبۡلَهُمۡ أَكۡثَرُ ٱلۡأَوَّلِينَ

Ary izany no tena nahavery ny ankamaroan’ireo efa talohan’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
72 : 37

وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا فِيهِم مُّنذِرِينَ

Ary efa nalefanay tokoa tamin’izy ireo ny mpampitandrina maro. info
التفاسير:

external-link copy
73 : 37

فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُنذَرِينَ

Jereo àry, mba nanao ahoana ny fiafaran’ireo izay nahazo fampitandremana ! info
التفاسير:

external-link copy
74 : 37

إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ

Afa-tsy ireo mpanompon’i Allah izay voafidy. info
التفاسير:

external-link copy
75 : 37

وَلَقَدۡ نَادَىٰنَا نُوحٞ فَلَنِعۡمَ ٱلۡمُجِيبُونَ

Ary efa niantso anay tokoa i Noa fa izahay no mpamaly ny antso tsara indrindra. info
التفاسير:

external-link copy
76 : 37

وَنَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥ مِنَ ٱلۡكَرۡبِ ٱلۡعَظِيمِ

Ary navotanay izy sy ny fianakaviany tamin’ny tebiteby lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
77 : 37

وَجَعَلۡنَا ذُرِّيَّتَهُۥ هُمُ ٱلۡبَاقِينَ

Ary nataonay ny taranany no hany sisa tavela. info
التفاسير:

external-link copy
78 : 37

وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ

Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy. info
التفاسير:

external-link copy
79 : 37

سَلَٰمٌ عَلَىٰ نُوحٖ فِي ٱلۡعَٰلَمِينَ

Fiadanana ho an’i Noa eo amin’izao tontolo izao info
التفاسير:

external-link copy
80 : 37

إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa. info
التفاسير:

external-link copy
81 : 37

إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino. info
التفاسير:

external-link copy
82 : 37

ثُمَّ أَغۡرَقۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ

Ary dia narendrikay ireo vahoaka sasany. info
التفاسير:

external-link copy
83 : 37

۞ وَإِنَّ مِن شِيعَتِهِۦ لَإِبۡرَٰهِيمَ

Ary anisany mpiray finoana aminy tokoa i Ibrahim (Abrahama) info
التفاسير:

external-link copy
84 : 37

إِذۡ جَآءَ رَبَّهُۥ بِقَلۡبٖ سَلِيمٍ

Raha tonga tamin’ny Tompony izy amin’ny fo madio. info
التفاسير:

external-link copy
85 : 37

إِذۡ قَالَ لِأَبِيهِ وَقَوۡمِهِۦ مَاذَا تَعۡبُدُونَ

Rehefa niteny izy tamin’ny Rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?" info
التفاسير:

external-link copy
86 : 37

أَئِفۡكًا ءَالِهَةٗ دُونَ ٱللَّهِ تُرِيدُونَ

Mitady Tompo maro hafa ivelan’I Allah ve ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
87 : 37

فَمَا ظَنُّكُم بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Inona ary ny hevitrareo mahakasika ny Tompon'izao tontolo izao ? info
التفاسير:

external-link copy
88 : 37

فَنَظَرَ نَظۡرَةٗ فِي ٱلنُّجُومِ

Avy eo dia nanopy maso izy ka nijery ireo kintana info
التفاسير:

external-link copy
89 : 37

فَقَالَ إِنِّي سَقِيمٞ

Sady niteny izy hoe : “Marina tokoa fa marary aho” info
التفاسير:

external-link copy
90 : 37

فَتَوَلَّوۡاْ عَنۡهُ مُدۡبِرِينَ

Nimboho azy izy ireo dia nandeha. info
التفاسير:

external-link copy
91 : 37

فَرَاغَ إِلَىٰٓ ءَالِهَتِهِمۡ فَقَالَ أَلَا تَأۡكُلُونَ

Dia nizotra moramora nankany amin’ny sampin’izy ireo izy, ary niteny hoe : “Moa ve tsy mihinana ianareo ?" info
التفاسير:

external-link copy
92 : 37

مَا لَكُمۡ لَا تَنطِقُونَ

Fa inona no tsy mampiteny anareo? info
التفاسير:

external-link copy
93 : 37

فَرَاغَ عَلَيۡهِمۡ ضَرۡبَۢا بِٱلۡيَمِينِ

Avy eo nokapohiny antsokosoko izy ireo tamin’ny tanany havanana. info
التفاسير:

external-link copy
94 : 37

فَأَقۡبَلُوٓاْ إِلَيۡهِ يَزِفُّونَ

Tamin’izany dia nanantona azy am-pihazakazahana ireo olona. info
التفاسير:

external-link copy
95 : 37

قَالَ أَتَعۡبُدُونَ مَا تَنۡحِتُونَ

Niteny (tamin’izy ireo) izy hoe : “Moa ve ianareo dia manompo izay (sary) nataonareo ihany". info
التفاسير:

external-link copy
96 : 37

وَٱللَّهُ خَلَقَكُمۡ وَمَا تَعۡمَلُونَ

Nefa I Allah no nahary anareo sy izay ataonareo info
التفاسير:

external-link copy
97 : 37

قَالُواْ ٱبۡنُواْ لَهُۥ بُنۡيَٰنٗا فَأَلۡقُوهُ فِي ٱلۡجَحِيمِ

Niteny izy ireo hoe : “Hanamboary fata-mihiboka (lafaoro) ho azy ka atsipio ao anatin’ny afo mamaivay izy. info
التفاسير:

external-link copy
98 : 37

فَأَرَادُواْ بِهِۦ كَيۡدٗا فَجَعَلۡنَٰهُمُ ٱلۡأَسۡفَلِينَ

Nitady hanao teti-dratsy taminy izy ireo ; ka nataonay latsaka ambany indrindra izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
99 : 37

وَقَالَ إِنِّي ذَاهِبٌ إِلَىٰ رَبِّي سَيَهۡدِينِ

Ary niteny izy hoe : Izaho dia handeha any amin’ny Tompoko ary hitari-dalana ahy Izy. info
التفاسير:

external-link copy
100 : 37

رَبِّ هَبۡ لِي مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ

Tompo ô ! Omeo taranaka mba ho anisan’ireo mpanao soa aho. info
التفاسير:

external-link copy
101 : 37

فَبَشَّرۡنَٰهُ بِغُلَٰمٍ حَلِيمٖ

Nolazainay vaovao mahafaly izy fa hahazo zazalahy be fangoraham-po. info
التفاسير:

external-link copy
102 : 37

فَلَمَّا بَلَغَ مَعَهُ ٱلسَّعۡيَ قَالَ يَٰبُنَيَّ إِنِّيٓ أَرَىٰ فِي ٱلۡمَنَامِ أَنِّيٓ أَذۡبَحُكَ فَٱنظُرۡ مَاذَا تَرَىٰۚ قَالَ يَٰٓأَبَتِ ٱفۡعَلۡ مَا تُؤۡمَرُۖ سَتَجِدُنِيٓ إِن شَآءَ ٱللَّهُ مِنَ ٱلصَّٰبِرِينَ

Ary rehefa nahatratra ny taona ahafahany miaraka aminy izy dia niteny (Ibrahimo) hoe: “Anaka, izaho dia nahita tamin’ny nofy fa nanao sorona anao. Ka ahoana àry ny fahitanao izany”. Niteny (Ismaely) hoe: “Ry dada ô! Ataovy izay nandidiana anao fa ho hitanao aho, raha sitrak’i Allah, fa anisan’ireo manam-paharetana. info
التفاسير:

external-link copy
103 : 37

فَلَمَّآ أَسۡلَمَا وَتَلَّهُۥ لِلۡجَبِينِ

Avy eo rehefa nanaiky (ny didin’i Allah) izy roa dia nojereny, info
التفاسير:

external-link copy
104 : 37

وَنَٰدَيۡنَٰهُ أَن يَٰٓإِبۡرَٰهِيمُ

Ka indro Izahay niantso azy hoe: “ Ô ry Ibrahimo ! info
التفاسير:

external-link copy
105 : 37

قَدۡ صَدَّقۡتَ ٱلرُّءۡيَآۚ إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Tena notanterahinao tokoa ny nofy. Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa. info
التفاسير:

external-link copy
106 : 37

إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ ٱلۡبَلَٰٓؤُاْ ٱلۡمُبِينُ

Izany tokoa no fitsapana tena miharihary. info
التفاسير:

external-link copy
107 : 37

وَفَدَيۡنَٰهُ بِذِبۡحٍ عَظِيمٖ

Ary nosolonay izy (Ismaely) tamin’ny alalan’ny fanatitra lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
108 : 37

وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ

Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy. info
التفاسير:

external-link copy
109 : 37

سَلَٰمٌ عَلَىٰٓ إِبۡرَٰهِيمَ

“Fiadanana anie ho amin’i Ibrahimo”. info
التفاسير:

external-link copy
110 : 37

كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa info
التفاسير:

external-link copy
111 : 37

إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino. info
التفاسير:

external-link copy
112 : 37

وَبَشَّرۡنَٰهُ بِإِسۡحَٰقَ نَبِيّٗا مِّنَ ٱلصَّٰلِحِينَ

Ary nolazanay azy ny vaovao mahafaly momban'i Isaka (Ishaka), izay ho mpaminany anisan’ireo olo-mendrika. info
التفاسير:

external-link copy
113 : 37

وَبَٰرَكۡنَا عَلَيۡهِ وَعَلَىٰٓ إِسۡحَٰقَۚ وَمِن ذُرِّيَّتِهِمَا مُحۡسِنٞ وَظَالِمٞ لِّنَفۡسِهِۦ مُبِينٞ

Ary nohasoavinay izy sy Isaka ary misy amin’ny taranak’izy ireo ny mpanao asa tsara sy ny mpanao ny tsy rariny miharihary amin’ny tenany. info
التفاسير:

external-link copy
114 : 37

وَلَقَدۡ مَنَنَّا عَلَىٰ مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ

Ary efa nomenay tombotsoa i Mosesy sy Harona, info
التفاسير:

external-link copy
115 : 37

وَنَجَّيۡنَٰهُمَا وَقَوۡمَهُمَا مِنَ ٱلۡكَرۡبِ ٱلۡعَظِيمِ

Ary navotanay izy roa sy ny vahoakany tamin’ny tebiteby lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
116 : 37

وَنَصَرۡنَٰهُمۡ فَكَانُواْ هُمُ ٱلۡغَٰلِبِينَ

Ary novonjenay izy ireo ary dia izy ireo no mpandresy. info
التفاسير:

external-link copy
117 : 37

وَءَاتَيۡنَٰهُمَا ٱلۡكِتَٰبَ ٱلۡمُسۡتَبِينَ

Ary nomenay azy roa ny Boky mazava. info
التفاسير:

external-link copy
118 : 37

وَهَدَيۡنَٰهُمَا ٱلصِّرَٰطَ ٱلۡمُسۡتَقِيمَ

Ary notarihinay amin’ny lalana mahitsy izy roa info
التفاسير:

external-link copy
119 : 37

وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِمَا فِي ٱلۡأٓخِرِينَ

Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy roa. info
التفاسير:

external-link copy
120 : 37

سَلَٰمٌ عَلَىٰ مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ

“ Fiadanana anie ho amin’i Mosesy sy Harona ”. info
التفاسير:

external-link copy
121 : 37

إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa. info
التفاسير:

external-link copy
122 : 37

إِنَّهُمَا مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Tena marina fa izy roa dia anisan’ireo mpanomponay mpino. info
التفاسير:

external-link copy
123 : 37

وَإِنَّ إِلۡيَاسَ لَمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Ary marina fa i Ilyasa (Elia) dia anisan’ireo Iraka. info
التفاسير:

external-link copy
124 : 37

إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِۦٓ أَلَا تَتَّقُونَ

Rehefa niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : " Moa ve tsy matahotra ianareo ?" info
التفاسير:

external-link copy
125 : 37

أَتَدۡعُونَ بَعۡلٗا وَتَذَرُونَ أَحۡسَنَ ٱلۡخَٰلِقِينَ

Mitalaho amin’i Baal ve ianareo? Ary avelanareo Ilay Tsara indrindra amin’ireo mpahary info
التفاسير:

external-link copy
126 : 37

ٱللَّهَ رَبَّكُمۡ وَرَبَّ ءَابَآئِكُمُ ٱلۡأَوَّلِينَ

I Allah no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha. info
التفاسير:

external-link copy
127 : 37

فَكَذَّبُوهُ فَإِنَّهُمۡ لَمُحۡضَرُونَ

Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga Izy, tena marina fa izy ireo dia ho ao (anatin’ny afobe). info
التفاسير:

external-link copy
128 : 37

إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ

Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy. info
التفاسير:

external-link copy
129 : 37

وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ

Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy. info
التفاسير:

external-link copy
130 : 37

سَلَٰمٌ عَلَىٰٓ إِلۡ يَاسِينَ

“ Fiadanana anie ho amin’I Iliyasa sy ireo mpanaraka azy ”. info
التفاسير:

external-link copy
131 : 37

إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa. info
التفاسير:

external-link copy
132 : 37

إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Tena marina fa izy dia anisan'ireo mpanomponay mpino. info
التفاسير:

external-link copy
133 : 37

وَإِنَّ لُوطٗا لَّمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Ary tena marina fa i Lota dia anisan’ireo iraka. info
التفاسير:

external-link copy
134 : 37

إِذۡ نَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥٓ أَجۡمَعِينَ

Rehefa navotanay izy sy ny fianakaviany manontolo info
التفاسير:

external-link copy
135 : 37

إِلَّا عَجُوزٗا فِي ٱلۡغَٰبِرِينَ

Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana. info
التفاسير:

external-link copy
136 : 37

ثُمَّ دَمَّرۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ

Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany. info
التفاسير:

external-link copy
137 : 37

وَإِنَّكُمۡ لَتَمُرُّونَ عَلَيۡهِم مُّصۡبِحِينَ

Ary marina fa ianareo dia tena mandalo eo amin’izy ireo amin’ny maraina info
التفاسير:

external-link copy
138 : 37

وَبِٱلَّيۡلِۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ

Sy amin’ny alina. Moa ve tsy mba misaina ianareo? info
التفاسير:

external-link copy
139 : 37

وَإِنَّ يُونُسَ لَمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Ary marina fa i Younouss (Jonasy) dia anisan’ireo iraka. info
التفاسير:

external-link copy
140 : 37

إِذۡ أَبَقَ إِلَى ٱلۡفُلۡكِ ٱلۡمَشۡحُونِ

Rehefa nandositra tamin’ilay sambo feno izy info
التفاسير:

external-link copy
141 : 37

فَسَاهَمَ فَكَانَ مِنَ ٱلۡمُدۡحَضِينَ

Dia nandray anjara tamin’ny ankitsapaka ka voatendry ho anisan’ny atsipy (anatin’ny ranomasina) izy. info
التفاسير:

external-link copy
142 : 37

فَٱلۡتَقَمَهُ ٱلۡحُوتُ وَهُوَ مُلِيمٞ

Ka natelin’ny trondro izy fa mendrika omena tsiny. info
التفاسير:

external-link copy
143 : 37

فَلَوۡلَآ أَنَّهُۥ كَانَ مِنَ ٱلۡمُسَبِّحِينَ

Raha tsy anisan’ireo mpidera ny voninahitr’i Allah izy info
التفاسير:

external-link copy
144 : 37

لَلَبِثَ فِي بَطۡنِهِۦٓ إِلَىٰ يَوۡمِ يُبۡعَثُونَ

Dia tokony ho tavela tao anatin’ny kibony (trondro) mandra-pahatonga ny andro hananganana azy amin’ny maty. info
التفاسير:

external-link copy
145 : 37

۞ فَنَبَذۡنَٰهُ بِٱلۡعَرَآءِ وَهُوَ سَقِيمٞ

Natsipinay teny an-tanety izy ary izy dia tsy salama. info
التفاسير:

external-link copy
146 : 37

وَأَنۢبَتۡنَا عَلَيۡهِ شَجَرَةٗ مِّن يَقۡطِينٖ

Ary dia nampanirianay voatavo ny teo amboniny. info
التفاسير:

external-link copy
147 : 37

وَأَرۡسَلۡنَٰهُ إِلَىٰ مِاْئَةِ أَلۡفٍ أَوۡ يَزِيدُونَ

Ary nalefanay izy (ho mpaminany) tany amin’ny vahoaka iray hetsy na mihoatra. info
التفاسير:

external-link copy
148 : 37

فَـَٔامَنُواْ فَمَتَّعۡنَٰهُمۡ إِلَىٰ حِينٖ

Koa nino izy ireo ary nomenay azy ireo ny fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra. info
التفاسير:

external-link copy
149 : 37

فَٱسۡتَفۡتِهِمۡ أَلِرَبِّكَ ٱلۡبَنَاتُ وَلَهُمُ ٱلۡبَنُونَ

Hametrao fanontaniana àry izy ireo: “ Moa ve ho an’ny Tomponao ireo zazavavy ary ho azy ireo ny zazalahy? info
التفاسير:

external-link copy
150 : 37

أَمۡ خَلَقۡنَا ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ إِنَٰثٗا وَهُمۡ شَٰهِدُونَ

Na noharianay ho vavy ireo anjely ary izy ireo no vavolombelona? info
التفاسير:

external-link copy
151 : 37

أَلَآ إِنَّهُم مِّنۡ إِفۡكِهِمۡ لَيَقُولُونَ

Marina fa izy ireo dia niteny tamin’ny lainga nataon’izy ireo hoe info
التفاسير:

external-link copy
152 : 37

وَلَدَ ٱللَّهُ وَإِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ

“Nanan-janaka I Allah” ary marina fa izy ireo dia tena mpandainga info
التفاسير:

external-link copy
153 : 37

أَصۡطَفَى ٱلۡبَنَاتِ عَلَى ٱلۡبَنِينَ

Moa ve tsy nisafidy ireo zaza vavy Izy noho ireo zaza lahy ? info
التفاسير:

external-link copy
154 : 37

مَا لَكُمۡ كَيۡفَ تَحۡكُمُونَ

Inona no mahazo anareo? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo? info
التفاسير:

external-link copy
155 : 37

أَفَلَا تَذَكَّرُونَ

Moa tsy mieritreritra ve ianareo? info
التفاسير:

external-link copy
156 : 37

أَمۡ لَكُمۡ سُلۡطَٰنٞ مُّبِينٞ

Sa manana porofo mazava ianareo? info
التفاسير:

external-link copy
157 : 37

فَأۡتُواْ بِكِتَٰبِكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ

Ento àry ny Bokinareo raha toa ka marina ny anareo. info
التفاسير:

external-link copy
158 : 37

وَجَعَلُواْ بَيۡنَهُۥ وَبَيۡنَ ٱلۡجِنَّةِ نَسَبٗاۚ وَلَقَدۡ عَلِمَتِ ٱلۡجِنَّةُ إِنَّهُمۡ لَمُحۡضَرُونَ

Ary nataon’izy ireo misy rohim-pihavanana eo Aminy sy ireo Djiny; nefa efa fantatr’ireo Djiny fa izy ireo dia tena ho ao (amin’ny afobe). info
التفاسير:

external-link copy
159 : 37

سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يَصِفُونَ

Voninahitra anie ho an’I Allah noho izay hamaritan’izy ireo Azy info
التفاسير:

external-link copy
160 : 37

إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ

Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy. info
التفاسير:

external-link copy
161 : 37

فَإِنَّكُمۡ وَمَا تَعۡبُدُونَ

Marina fa ianareo sy izay tompoinareo info
التفاسير:

external-link copy
162 : 37

مَآ أَنتُمۡ عَلَيۡهِ بِفَٰتِنِينَ

Dia tsy afaka maka fanahy (na iza na iza) ianareo amin’izany info
التفاسير:

external-link copy
163 : 37

إِلَّا مَنۡ هُوَ صَالِ ٱلۡجَحِيمِ

Afa-tsy izay hiditra ao anatin’ny afobe (Djahim). info
التفاسير:

external-link copy
164 : 37

وَمَا مِنَّآ إِلَّا لَهُۥ مَقَامٞ مَّعۡلُومٞ

Tsy misy na dia iray aza aminay ka tsy manana toerana efa fantatra info
التفاسير:

external-link copy
165 : 37

وَإِنَّا لَنَحۡنُ ٱلصَّآفُّونَ

Ary izahay (Anjely) dia tena milahatra araka ny laharana info
التفاسير:

external-link copy
166 : 37

وَإِنَّا لَنَحۡنُ ٱلۡمُسَبِّحُونَ

Ary izahay no tena mpidera ny voninahitr’I Allah info
التفاسير:

external-link copy
167 : 37

وَإِن كَانُواْ لَيَقُولُونَ

Ary izy ireo dia tena manana fahazarana miteny hoe : info
التفاسير:

external-link copy
168 : 37

لَوۡ أَنَّ عِندَنَا ذِكۡرٗا مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ

Raha nanana fampahatsiahivana avy tamin’ny razambenay izahay info
التفاسير:

external-link copy
169 : 37

لَكُنَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ

Dia tena efa lasa mpanompo voafidin’I Allah izahay! info
التفاسير:

external-link copy
170 : 37

فَكَفَرُواْ بِهِۦۖ فَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ

Tsy nino izany izy ireo ary dia ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany. info
التفاسير:

external-link copy
171 : 37

وَلَقَدۡ سَبَقَتۡ كَلِمَتُنَا لِعِبَادِنَا ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Ary efa nomenay ireo Iraka Mpanomponay ny Teninay, info
التفاسير:

external-link copy
172 : 37

إِنَّهُمۡ لَهُمُ ٱلۡمَنصُورُونَ

Fa izy ireo no tena hahazo ny fanavotana info
التفاسير:

external-link copy
173 : 37

وَإِنَّ جُندَنَا لَهُمُ ٱلۡغَٰلِبُونَ

Ary ny miaramilanay no tena ho mpandresy. info
التفاسير:

external-link copy
174 : 37

فَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ حَتَّىٰ حِينٖ

Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy info
التفاسير:

external-link copy
175 : 37

وَأَبۡصِرۡهُمۡ فَسَوۡفَ يُبۡصِرُونَ

Ary araho maso izy ireo fa tsy ho ela dia hahita izy ireo ! info
التفاسير:

external-link copy
176 : 37

أَفَبِعَذَابِنَا يَسۡتَعۡجِلُونَ

Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina? info
التفاسير:

external-link copy
177 : 37

فَإِذَا نَزَلَ بِسَاحَتِهِمۡ فَسَآءَ صَبَاحُ ٱلۡمُنذَرِينَ

Fa raha ho latsaka amin’ny toeran’izy ireo izany dia ho ratsy tokoa ny marainan’ireo izay nampitandremina! info
التفاسير:

external-link copy
178 : 37

وَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ حَتَّىٰ حِينٖ

Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy; info
التفاسير:

external-link copy
179 : 37

وَأَبۡصِرۡ فَسَوۡفَ يُبۡصِرُونَ

Ary araho maso fa tsy ho ela dia hahita izy ireo ! info
التفاسير:

external-link copy
180 : 37

سُبۡحَٰنَ رَبِّكَ رَبِّ ٱلۡعِزَّةِ عَمَّا يَصِفُونَ

Voninahitra anie ho an’ny Tomponao, Ilay Tompon’ny Hery noho izay hamaritan’izy ireo Azy. info
التفاسير:

external-link copy
181 : 37

وَسَلَٰمٌ عَلَى ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Ka fiadanana anie ho amin’ireo Iraka info
التفاسير:

external-link copy
182 : 37

وَٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Ary Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao ! info
التفاسير: