ߞߎ߬ߙߣߊ߬ ߞߟߊߒߞߋ ߞߘߐ ߟߎ߬ ߘߟߊߡߌߘߊ - ߡߊߟߊ߬ߛߌ߫ ߘߟߊߡߌߘߊ - ߙߎ߬ߥߊ߯ߘߎ-ߕߊ߬ߙߑߖߡߊ ߝߊ߲ߓߊ ߓߟߏ߫

ߞߐߜߍ ߝߙߍߕߍ:close

external-link copy
102 : 21

لَا يَسۡمَعُونَ حَسِيسَهَاۖ وَهُمۡ فِي مَا ٱشۡتَهَتۡ أَنفُسُهُمۡ خَٰلِدُونَ

Tsy aheno ny feony izy ireo ary hifaly mandrakizay amin’izay irin’ny tenan'izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
103 : 21

لَا يَحۡزُنُهُمُ ٱلۡفَزَعُ ٱلۡأَكۡبَرُ وَتَتَلَقَّىٰهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ هَٰذَا يَوۡمُكُمُ ٱلَّذِي كُنتُمۡ تُوعَدُونَ

Tsy hampalahelo azy ireo ny tahotra lehibe, satria hotsenan’ireo Anjely izy ireo (ary ilazany vaovao mahafaly hoe) :” ity ilay Andronareo izay nampanantenaina anareo”. info
التفاسير:

external-link copy
104 : 21

يَوۡمَ نَطۡوِي ٱلسَّمَآءَ كَطَيِّ ٱلسِّجِلِّ لِلۡكُتُبِۚ كَمَا بَدَأۡنَآ أَوَّلَ خَلۡقٖ نُّعِيدُهُۥۚ وَعۡدًا عَلَيۡنَآۚ إِنَّا كُنَّا فَٰعِلِينَ

Amin’ny andro izay hamoretanay ny lanitra tahaka ny hamoretana ny taratasin’ny boky, toy ny nanaovanay ny famoronana voalohany no hamerenanay azy indray. Fampanantenana efa nataonay izany, tsy maintsy ho tanterahanay tokoa ! info
التفاسير:

external-link copy
105 : 21

وَلَقَدۡ كَتَبۡنَا فِي ٱلزَّبُورِ مِنۢ بَعۡدِ ٱلذِّكۡرِ أَنَّ ٱلۡأَرۡضَ يَرِثُهَا عِبَادِيَ ٱلصَّٰلِحُونَ

Efa nosoratanay tao amin’ny boky Zabora (Salamo) taorian’ny fampahatsiahivana fa handova ny tany ireo mpanompoko mendrika. info
التفاسير:

external-link copy
106 : 21

إِنَّ فِي هَٰذَا لَبَلَٰغٗا لِّقَوۡمٍ عَٰبِدِينَ

Ao anatin’izany dia misy fampahatsiahivana ho an’ny vahoaka mpanompo. info
التفاسير:

external-link copy
107 : 21

وَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ إِلَّا رَحۡمَةٗ لِّلۡعَٰلَمِينَ

Ary tsy nandefa anao Izahay raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao. info
التفاسير:

external-link copy
108 : 21

قُلۡ إِنَّمَا يُوحَىٰٓ إِلَيَّ أَنَّمَآ إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۖ فَهَلۡ أَنتُم مُّسۡلِمُونَ

Teneno hoe : “Tena marina fa ny nambara tamiko dia ny hoe : ny zanaharinareo dia Zanahary Tokana ihany, ka moa ve mpanetri-tena tokoa ianareo ?” info
التفاسير:

external-link copy
109 : 21

فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَقُلۡ ءَاذَنتُكُمۡ عَلَىٰ سَوَآءٖۖ وَإِنۡ أَدۡرِيٓ أَقَرِيبٌ أَم بَعِيدٞ مَّا تُوعَدُونَ

Fa raha mitodi-damosina kosa izy ireo, dia teneno hoe :”Efa nolazaiko ianareo rehetra, ary (tsy fantatro) na efa akaiky na mbola lavitra izay nampanantenaina anareo. info
التفاسير:

external-link copy
110 : 21

إِنَّهُۥ يَعۡلَمُ ٱلۡجَهۡرَ مِنَ ٱلۡقَوۡلِ وَيَعۡلَمُ مَا تَكۡتُمُونَ

Izy (Allah) dia tena mahalala tokoa izay avoakanareo amin’ny teny sy mahalala koa izay afeninareo. info
التفاسير:

external-link copy
111 : 21

وَإِنۡ أَدۡرِي لَعَلَّهُۥ فِتۡنَةٞ لَّكُمۡ وَمَتَٰعٌ إِلَىٰ حِينٖ

Ary tsy fantatro, izany angamba no mety ho fitsapana ho anareo sy ho fahafinaretana miserana. info
التفاسير:

external-link copy
112 : 21

قَٰلَ رَبِّ ٱحۡكُم بِٱلۡحَقِّۗ وَرَبُّنَا ٱلرَّحۡمَٰنُ ٱلۡمُسۡتَعَانُ عَلَىٰ مَا تَصِفُونَ

Niteny izy hoe : “Tompoko o ! Tsarao araka ny fahamarinana, ary ny Tomponay Ilay be Indrafo no Fitarainana amin’ny famaritana tsy marina izay lazainareo”. info
التفاسير: