ߞߎ߬ߙߣߊ߬ ߞߟߊߒߞߋ ߞߘߐ ߟߎ߬ ߘߟߊߡߌߘߊ - ߡߊߟߊ߬ߛߌ߫ ߘߟߊߡߌߘߊ - ߙߎ߬ߥߊ߯ߘߎ-ߕߊ߬ߙߑߖߡߊ ߝߊ߲ߓߊ ߓߟߏ߫

ߞߐߜߍ ߝߙߍߕߍ:close

external-link copy
71 : 15

قَالَ هَٰٓؤُلَآءِ بَنَاتِيٓ إِن كُنتُمۡ فَٰعِلِينَ

Niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Indro ireo Zanako vavy ! Raha misy zavatra tianareo hatao ! info
التفاسير:

external-link copy
72 : 15

لَعَمۡرُكَ إِنَّهُمۡ لَفِي سَكۡرَتِهِمۡ يَعۡمَهُونَ

Mianiana amin’ny fiainanao (Aho) fa nikorontan-tsaina izy ireo tao anaty firediredeny. info
التفاسير:

external-link copy
73 : 15

فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّيۡحَةُ مُشۡرِقِينَ

Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny fiposahan’ny masoandro. info
التفاسير:

external-link copy
74 : 15

فَجَعَلۡنَا عَٰلِيَهَا سَافِلَهَا وَأَمۡطَرۡنَا عَلَيۡهِمۡ حِجَارَةٗ مِّن سِجِّيلٍ

Ary navadikay ambony sy ambany (ny tanàna), ary narotsakay nifanesisesy tamin’izy ireo (tahaka ny orana) ny vato avy amin’ny tany manga. info
التفاسير:

external-link copy
75 : 15

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّلۡمُتَوَسِّمِينَ

Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo izay mahay mandinika. info
التفاسير:

external-link copy
76 : 15

وَإِنَّهَا لَبِسَبِيلٖ مُّقِيمٍ

Izy io (io tanàna io) dia tena eo amin’ny làlana izay fantatry ny maro. info
التفاسير:

external-link copy
77 : 15

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّلۡمُؤۡمِنِينَ

Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo mpino. info
التفاسير:

external-link copy
78 : 15

وَإِن كَانَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡأَيۡكَةِ لَظَٰلِمِينَ

Ary ireo mponin’ny Al-Aykat dia mpanao ny tsy rariny (ihany koa). info
التفاسير:

external-link copy
79 : 15

فَٱنتَقَمۡنَا مِنۡهُمۡ وَإِنَّهُمَا لَبِإِمَامٖ مُّبِينٖ

Dia namaly azy ireo tamin’ny sazy Izahay, ary tena marina fa ireo (tanàna) Roa ireo dia teo amin’ny làlana mazava tsara. info
التفاسير:

external-link copy
80 : 15

وَلَقَدۡ كَذَّبَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡحِجۡرِ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Marina fa ireo mponin’ny Al-hijr dia efa nilaza fa mpandainga ireo Iraka. info
التفاسير:

external-link copy
81 : 15

وَءَاتَيۡنَٰهُمۡ ءَايَٰتِنَا فَكَانُواْ عَنۡهَا مُعۡرِضِينَ

Ary nasehonay tamin’izy ireo ny fahagagana avy Aminay nefa nitodi-damosina ihany izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
82 : 15

وَكَانُواْ يَنۡحِتُونَ مِنَ ٱلۡجِبَالِ بُيُوتًا ءَامِنِينَ

Ary nandavaka ny tendrombohitra mba hanaovana trano ka niaina tamim-pilaminana izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
83 : 15

فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّيۡحَةُ مُصۡبِحِينَ

Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny maraina. info
التفاسير:

external-link copy
84 : 15

فَمَآ أَغۡنَىٰ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ

Ka tsy nahazoan’izy ireo tombontsoa izay azony. info
التفاسير:

external-link copy
85 : 15

وَمَا خَلَقۡنَا ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَآ إِلَّا بِٱلۡحَقِّۗ وَإِنَّ ٱلسَّاعَةَ لَأٓتِيَةٞۖ فَٱصۡفَحِ ٱلصَّفۡحَ ٱلۡجَمِيلَ

Ary tsy nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay nanelanelana azy Roa ireo Izahay raha tsy tamim-pahamarinana. Ary tena ho avy tokoa ny ora ! Koa aoka hamela heloka (azy ireo) Ianao amin’ny famelana tsara. info
التفاسير:

external-link copy
86 : 15

إِنَّ رَبَّكَ هُوَ ٱلۡخَلَّٰقُ ٱلۡعَلِيمُ

Tena marina fa ny Tomponao, dia ilay Mpahary Lehibe, ilay Mpahalala ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
87 : 15

وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَٰكَ سَبۡعٗا مِّنَ ٱلۡمَثَانِي وَٱلۡقُرۡءَانَ ٱلۡعَظِيمَ

Efa nomenay Anao tokoa “ Ireo Andininy fito[92] Averimberina (vakiana) ” ary koa ilay Vakiteny lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
88 : 15

لَا تَمُدَّنَّ عَيۡنَيۡكَ إِلَىٰ مَا مَتَّعۡنَا بِهِۦٓ أَزۡوَٰجٗا مِّنۡهُمۡ وَلَا تَحۡزَنۡ عَلَيۡهِمۡ وَٱخۡفِضۡ جَنَاحَكَ لِلۡمُؤۡمِنِينَ

Aza jerena am-pitsiriritana ireo zavatra izay nanomezanay fifaliana miserana ho an’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo. Ary aza malahelo ny momba azy ireo Ianao. Ary ampidino amin’ireo mpino ny fangorahanao. info
التفاسير:

external-link copy
89 : 15

وَقُلۡ إِنِّيٓ أَنَا ٱلنَّذِيرُ ٱلۡمُبِينُ

Ary lazao hoe : “ Marina fa Izaho no ilay Mpampitandrina Miharihary ”. info
التفاسير:

external-link copy
90 : 15

كَمَآ أَنزَلۡنَا عَلَى ٱلۡمُقۡتَسِمِينَ

Tahaka ny nampidinanay (ny sazy) tamin’ireo izay tsy nino (tsy hanaraka ny Mpaminany). info
التفاسير: