पवित्र कुरअानको अर्थको अनुवाद - मालागासी अनुवाद : रव्वाद अनुवाद केन्द्र ।

رقم الصفحة:close

external-link copy
109 : 5

۞ يَوۡمَ يَجۡمَعُ ٱللَّهُ ٱلرُّسُلَ فَيَقُولُ مَاذَآ أُجِبۡتُمۡۖ قَالُواْ لَا عِلۡمَ لَنَآۖ إِنَّكَ أَنتَ عَلَّٰمُ ٱلۡغُيُوبِ

Amin’ny andro izay hamorian’I Allah ireo Iraka dia hiteny Izy manao hoe : “Inona ny valin-teny navaly anareo ?” Dia hiteny izy ireo manao hoe : “Tsy manam-pahalalana velively izahay, tena marina fa Ianao no tena Mahalala ny zava-miafina”. info
التفاسير:

external-link copy
110 : 5

إِذۡ قَالَ ٱللَّهُ يَٰعِيسَى ٱبۡنَ مَرۡيَمَ ٱذۡكُرۡ نِعۡمَتِي عَلَيۡكَ وَعَلَىٰ وَٰلِدَتِكَ إِذۡ أَيَّدتُّكَ بِرُوحِ ٱلۡقُدُسِ تُكَلِّمُ ٱلنَّاسَ فِي ٱلۡمَهۡدِ وَكَهۡلٗاۖ وَإِذۡ عَلَّمۡتُكَ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَٱلتَّوۡرَىٰةَ وَٱلۡإِنجِيلَۖ وَإِذۡ تَخۡلُقُ مِنَ ٱلطِّينِ كَهَيۡـَٔةِ ٱلطَّيۡرِ بِإِذۡنِي فَتَنفُخُ فِيهَا فَتَكُونُ طَيۡرَۢا بِإِذۡنِيۖ وَتُبۡرِئُ ٱلۡأَكۡمَهَ وَٱلۡأَبۡرَصَ بِإِذۡنِيۖ وَإِذۡ تُخۡرِجُ ٱلۡمَوۡتَىٰ بِإِذۡنِيۖ وَإِذۡ كَفَفۡتُ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ عَنكَ إِذۡ جِئۡتَهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡهُمۡ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٞ

Rehefa miteny I Allah manao hoe : “Oh ry Jesoa zanak’i Maria ! Tsarovy ny fahasoavako taminao sy tamin’ny reninao, raha nampahereziko ianao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Niteny tamin’ny olombelona fony vao teraka teo ambony fandriana ianao sy tamin’ny fahamatorana ihany koa. Ary nampianariko ny boky sy ny fahendrena ary ny Taoraty sy ny Evanjely ianao. Ary raha nanamboatra toy ny endrika vorona (sarim-borona) avy tamin’ny tany manga nohon'ny heriko ka notsofinao izany, dia lasa tena vorona nohon'ny heriko. Ary nanasitrana ny jamba sy ny boka nohon'ny heriko ianao. Ary namelona ireo maty nohon'ny heriko ianao. Ary narovako tamin’ny zanak’Israely ianao raha nitondra tamin’izy ireo ny porofo mazava ianao”. Nefa niteny ireo tsy nino tamin’izy ireo nanao hoe : “Tsy inona io afa-tsy majika miharihary”. info
التفاسير:

external-link copy
111 : 5

وَإِذۡ أَوۡحَيۡتُ إِلَى ٱلۡحَوَارِيِّـۧنَ أَنۡ ءَامِنُواْ بِي وَبِرَسُولِي قَالُوٓاْ ءَامَنَّا وَٱشۡهَدۡ بِأَنَّنَا مُسۡلِمُونَ

Ary tsarovy raha nilaza tamin’ireo Apostoly Aho nanao hoe : “Minoa Ahy sy ny Irako ianareo”, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Mino izahay; ary aoka ianao ho vavolombelona fa izahay dia mpankato an'IAllah”. info
التفاسير:

external-link copy
112 : 5

إِذۡ قَالَ ٱلۡحَوَارِيُّونَ يَٰعِيسَى ٱبۡنَ مَرۡيَمَ هَلۡ يَسۡتَطِيعُ رَبُّكَ أَن يُنَزِّلَ عَلَيۡنَا مَآئِدَةٗ مِّنَ ٱلسَّمَآءِۖ قَالَ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ

Raha niteny ireo Apostoly nanao hoe :“Oh ry Jesoa zanak’i Maria ! Moa ve afaka mampidina aminay latabatra feno sakafo avy any an-danitra ve ny Tomponao ?” Niteny Izy nanao hoe : “Matahora an'I Allah ianareo raha mpino marina”. info
التفاسير:

external-link copy
113 : 5

قَالُواْ نُرِيدُ أَن نَّأۡكُلَ مِنۡهَا وَتَطۡمَئِنَّ قُلُوبُنَا وَنَعۡلَمَ أَن قَدۡ صَدَقۡتَنَا وَنَكُونَ عَلَيۡهَا مِنَ ٱلشَّٰهِدِينَ

Niteny izy ireo nanao hoe : “Maniry ny mba hihinana amin’izany izahay sy mba hampitony ny fonay ary mba ahalalanay fa tena milaza ny marina aminay tokoa ianao, ary mba ho anisan’ny vavolombelona amin’izany izahay. info
التفاسير: