पवित्र कुरअानको अर्थको अनुवाद - मालागासी अनुवाद : रव्वाद अनुवाद केन्द्र ।

رقم الصفحة:close

external-link copy
43 : 10

وَمِنۡهُم مَّن يَنظُرُ إِلَيۡكَۚ أَفَأَنتَ تَهۡدِي ٱلۡعُمۡيَ وَلَوۡ كَانُواْ لَا يُبۡصِرُونَ

Ary misy amin’izy ireo izay mijery Anao. Ka moa ve Ianao afaka hitari-dàlana ireo jamba na dia tsy mahita aza izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
44 : 10

إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَظۡلِمُ ٱلنَّاسَ شَيۡـٔٗا وَلَٰكِنَّ ٱلنَّاسَ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ

Marina fa i Allah dia tsy miangatra amin’ny Olona na dia kely aza, fa ny Olona ihany kosa no manao ny tsy rariny amin’ny tenany. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 10

وَيَوۡمَ يَحۡشُرُهُمۡ كَأَن لَّمۡ يَلۡبَثُوٓاْ إِلَّا سَاعَةٗ مِّنَ ٱلنَّهَارِ يَتَعَارَفُونَ بَيۡنَهُمۡۚ قَدۡ خَسِرَ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِلِقَآءِ ٱللَّهِ وَمَا كَانُواْ مُهۡتَدِينَ

Amin’ny Andro hamoriany azy ireo, dia toy ny tsy nijanona (tao am-pasany) afa-tsy adiny iray monja tamin’ny atoandro izay afahan’izy ireo hifankahalala. Tena maty antoka ireo izay nilaza fa lainga ny fihaonana amin’i Allah no sady tsy mpanara-dàlana mihitsy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 10

وَإِمَّا نُرِيَنَّكَ بَعۡضَ ٱلَّذِي نَعِدُهُمۡ أَوۡ نَتَوَفَّيَنَّكَ فَإِلَيۡنَا مَرۡجِعُهُمۡ ثُمَّ ٱللَّهُ شَهِيدٌ عَلَىٰ مَا يَفۡعَلُونَ

Na hampahitanay Anao ny sasany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na ho tamperinay tanteraka ny fiainanao ary tsy maintsy aty Aminay ihany no hiverenan’izy ireo. Manarak’izany, i Allah dia vavolombelona amin’izay rehetra ataon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 10

وَلِكُلِّ أُمَّةٖ رَّسُولٞۖ فَإِذَا جَآءَ رَسُولُهُمۡ قُضِيَ بَيۡنَهُم بِٱلۡقِسۡطِ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ

Isaky ny vahoaka dia nanana Iraka. Ary rehefa tonga ny Iraka ho azy ireo dia voatsara ara-drariny ary tsy nisy fiangarana tamin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 10

وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡوَعۡدُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ

Ary miteny izy ireo ka nanao hoe : “ Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa Ianareo ? ” info
التفاسير:

external-link copy
49 : 10

قُل لَّآ أَمۡلِكُ لِنَفۡسِي ضَرّٗا وَلَا نَفۡعًا إِلَّا مَا شَآءَ ٱللَّهُۗ لِكُلِّ أُمَّةٍ أَجَلٌۚ إِذَا جَآءَ أَجَلُهُمۡ فَلَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ سَاعَةٗ وَلَا يَسۡتَقۡدِمُونَ

Teneno : " Izaho dia tsy manana na inona na inona hampahory na hanasoa ny tenako afa-tsy izay sitrak’i Allah. Ny vahoaka tsirairay dia samy manana fe-potoana hiafarany. Rehefa tonga ny fe-potoan’izy ireo, dia tsy misy afaka hampihemotra na dia adiny iray aza izy ireo na hampandroso izany. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 10

قُلۡ أَرَءَيۡتُمۡ إِنۡ أَتَىٰكُمۡ عَذَابُهُۥ بَيَٰتًا أَوۡ نَهَارٗا مَّاذَا يَسۡتَعۡجِلُ مِنۡهُ ٱلۡمُجۡرِمُونَ

Teneno hoe : " Moa ve hitanareo raha tonga eo Aminareo ny Saziny amin’ny alina na amin’ny atoandro, mba inona no azon’ireo mpanao heloka bevava hafainganina amin’izany ? ” info
التفاسير:

external-link copy
51 : 10

أَثُمَّ إِذَا مَا وَقَعَ ءَامَنتُم بِهِۦٓۚ ءَآلۡـَٰٔنَ وَقَدۡ كُنتُم بِهِۦ تَسۡتَعۡجِلُونَ

Moa ve rehefa mitranga tokoa izany vao hino Ianareo ? Ankehitriny ! Nefa Ianareo teo aloha dia nitaky ny fahatongavan’izany haingana. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 10

ثُمَّ قِيلَ لِلَّذِينَ ظَلَمُواْ ذُوقُواْ عَذَابَ ٱلۡخُلۡدِ هَلۡ تُجۡزَوۡنَ إِلَّا بِمَا كُنتُمۡ تَكۡسِبُونَ

Ary dia ho tenenina amin’ireo izay nanao ny tsy rariny hoe : "Andramonareo ny sazy maharitra mandrakizay! Moa va ho valiana ianareo afa-tsy izay nataonareo. info
التفاسير:

external-link copy
53 : 10

۞ وَيَسۡتَنۢبِـُٔونَكَ أَحَقٌّ هُوَۖ قُلۡ إِي وَرَبِّيٓ إِنَّهُۥ لَحَقّٞۖ وَمَآ أَنتُم بِمُعۡجِزِينَ

Ary mangataka fanazavana avy Aminao izy ireo : " Moa ve marina izany ? ” Teneno fa hoe : " Marina ! Mianiana amin’ny Tompoko Aho ! Tena marina tokoa izany. Ary Ianareo dia tena tsy afaka hanakana izany mihitsy ”. info
التفاسير: