വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ

പേജ് നമ്പർ:close

external-link copy
17 : 59

فَكَانَ عَٰقِبَتَهُمَآ أَنَّهُمَا فِي ٱلنَّارِ خَٰلِدَيۡنِ فِيهَاۚ وَذَٰلِكَ جَزَٰٓؤُاْ ٱلظَّٰلِمِينَ

Any amin’ny afo no fiafaran’izy roa tonta, ka hitoetra ao mandrakizay, izany no hamaliana ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 59

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَلۡتَنظُرۡ نَفۡسٞ مَّا قَدَّمَتۡ لِغَدٖۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ خَبِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ

Ianareo mpino ! Matahora an’I Allah ianareo. Aoka samy handinika tsara izay nataony ho an’ny rahampitso ny tsirairay ary matahora an’I Allah ianareo, fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 59

وَلَا تَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ نَسُواْ ٱللَّهَ فَأَنسَىٰهُمۡ أَنفُسَهُمۡۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ

Ary aza manao tahaka ireo izay nanadino an’I Allah, ka nataon’i Allah nanadino ny tenany izy ireo, izy ireny no ratsy fitondran-tena. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 59

لَا يَسۡتَوِيٓ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِ وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِۚ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِ هُمُ ٱلۡفَآئِزُونَ

Tsy hitovy ireo olon’ny afo, sy ireo olon’ny Paradisa, ireo olon'ny Paradisa no mpandresy. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 59

لَوۡ أَنزَلۡنَا هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانَ عَلَىٰ جَبَلٖ لَّرَأَيۡتَهُۥ خَٰشِعٗا مُّتَصَدِّعٗا مِّنۡ خَشۡيَةِ ٱللَّهِۚ وَتِلۡكَ ٱلۡأَمۡثَٰلُ نَضۡرِبُهَا لِلنَّاسِ لَعَلَّهُمۡ يَتَفَكَّرُونَ

Raha nampidininay tamina tendrombohitra ity Koroany ity, dia hitanao fa nanetri-tena izy, ka nitresaka nohon'ny tahotra an’I Allah, fa ireny fanoharana ireny, dia ambaranay amin’ny olona mba hieritreretany. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 59

هُوَ ٱللَّهُ ٱلَّذِي لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ عَٰلِمُ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِۖ هُوَ ٱلرَّحۡمَٰنُ ٱلرَّحِيمُ

Izy no Allah. Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy, Ilay mahafantatra ny zava-miafina sy ny hita maso. Izy no ilay be fiantrana, Ilay be indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 59

هُوَ ٱللَّهُ ٱلَّذِي لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡمَلِكُ ٱلۡقُدُّوسُ ٱلسَّلَٰمُ ٱلۡمُؤۡمِنُ ٱلۡمُهَيۡمِنُ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡجَبَّارُ ٱلۡمُتَكَبِّرُۚ سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يُشۡرِكُونَ

Izy no Allah, tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy ; Ilay Tompo, Ilay masina, Ilay mampitony, Ilay mampatoky, Ilay mahery indrindra, Ilay tsitoha, Ilay mpifehy, Ilay mpirehareha. Voninahitra ho an’I Allah ! Ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 59

هُوَ ٱللَّهُ ٱلۡخَٰلِقُ ٱلۡبَارِئُ ٱلۡمُصَوِّرُۖ لَهُ ٱلۡأَسۡمَآءُ ٱلۡحُسۡنَىٰۚ يُسَبِّحُ لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ

Izy no Allah, Ilay mpahary, Ilay manome ny fiandoahan'ny zava-drehetra, Ilay mpanome endrika azy ireo ny anarana tsara indrindra, manome voninahitra Azy avokoa, izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena. info
التفاسير: