വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ

പേജ് നമ്പർ:close

external-link copy
84 : 26

وَٱجۡعَل لِّي لِسَانَ صِدۡقٖ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ

Omeo laza tsara aho amin’ireo taranaka amam-para any aoriana. info
التفاسير:

external-link copy
85 : 26

وَٱجۡعَلۡنِي مِن وَرَثَةِ جَنَّةِ ٱلنَّعِيمِ

Ary ataovy an’isan’ireo mpandova ny Paradisan’ny «Na’ìm» (fahafinaretana) aho. info
التفاسير:

external-link copy
86 : 26

وَٱغۡفِرۡ لِأَبِيٓ إِنَّهُۥ كَانَ مِنَ ٱلضَّآلِّينَ

Ary mamelà ny heloky ny raiko, satria izy dia tena anisan’ireo very lalana. info
التفاسير:

external-link copy
87 : 26

وَلَا تُخۡزِنِي يَوۡمَ يُبۡعَثُونَ

Ary aza alaina baraka aho amin’ny andro hampitsanganana ireo maty. info
التفاسير:

external-link copy
88 : 26

يَوۡمَ لَا يَنفَعُ مَالٞ وَلَا بَنُونَ

Amin’ny andro izay tsy hitera-boka-tsoa, na ny harena na ny zanaka. info
التفاسير:

external-link copy
89 : 26

إِلَّا مَنۡ أَتَى ٱللَّهَ بِقَلۡبٖ سَلِيمٖ

Afa-tsy izay tonga eo anatrehan’I Allah miaraka amin’ny fo madio. info
التفاسير:

external-link copy
90 : 26

وَأُزۡلِفَتِ ٱلۡجَنَّةُ لِلۡمُتَّقِينَ

Ary hampanatonina ny Paradisa, ho an’ireo nanam-patahorana. info
التفاسير:

external-link copy
91 : 26

وَبُرِّزَتِ ٱلۡجَحِيمُ لِلۡغَاوِينَ

Ary haseho ny afobe, ho an’ireo very lalana. info
التفاسير:

external-link copy
92 : 26

وَقِيلَ لَهُمۡ أَيۡنَ مَا كُنتُمۡ تَعۡبُدُونَ

Ary ho tenenina amin’izy ireo hoe : “Aiza ireo izay notompoinareo?" info
التفاسير:

external-link copy
93 : 26

مِن دُونِ ٱللَّهِ هَلۡ يَنصُرُونَكُمۡ أَوۡ يَنتَصِرُونَ

Ankoatr’I Allah ? Moa ve manavotra anareo izy ireo ? Sa afaka manavotra ny tenany ve izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
94 : 26

فَكُبۡكِبُواْ فِيهَا هُمۡ وَٱلۡغَاوُۥنَ

Ary hatsipy hifangaro ao izy ireo, sy ireo very lalana. info
التفاسير:

external-link copy
95 : 26

وَجُنُودُ إِبۡلِيسَ أَجۡمَعُونَ

Toy izany koa ireo miaramilan’i Iblisa rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
96 : 26

قَالُواْ وَهُمۡ فِيهَا يَخۡتَصِمُونَ

Hiteny izy ireo ao, sady mifanditra : info
التفاسير:

external-link copy
97 : 26

تَٱللَّهِ إِن كُنَّا لَفِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٍ

Mianiana amin’I Allah izahay fa tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa. info
التفاسير:

external-link copy
98 : 26

إِذۡ نُسَوِّيكُم بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Raha nampitovy anareo tamin’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay ! info
التفاسير:

external-link copy
99 : 26

وَمَآ أَضَلَّنَآ إِلَّا ٱلۡمُجۡرِمُونَ

Ary tsy nisy namery lalana anay afa-tsy ireo mpanao heloka bevava ! info
التفاسير:

external-link copy
100 : 26

فَمَا لَنَا مِن شَٰفِعِينَ

Ary tsy manana mpanelanelana izahay. info
التفاسير:

external-link copy
101 : 26

وَلَا صَدِيقٍ حَمِيمٖ

Na sakaiza mafana fo ! info
التفاسير:

external-link copy
102 : 26

فَلَوۡ أَنَّ لَنَا كَرَّةٗ فَنَكُونَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Raha nanana fahafahana miverina izahay dia ho anisan’ireo mpino ! info
التفاسير:

external-link copy
103 : 26

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ

Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
104 : 26

وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ

Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
105 : 26

كَذَّبَتۡ قَوۡمُ نُوحٍ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ny vahoakan’i Noa. info
التفاسير:

external-link copy
106 : 26

إِذۡ قَالَ لَهُمۡ أَخُوهُمۡ نُوحٌ أَلَا تَتَّقُونَ

Rehefa niteny tamin’izy ireo i Noa, rahalahin’izy ireo, hoe : “Tsy matahotra (an’I Allah) ve ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
107 : 26

إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ

Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo ! info
التفاسير:

external-link copy
108 : 26

فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ

Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary ankatoavy aho. info
التفاسير:

external-link copy
109 : 26

وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy mila tambiny aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao. info
التفاسير:

external-link copy
110 : 26

فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ

Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy. info
التفاسير:

external-link copy
111 : 26

۞ قَالُوٓاْ أَنُؤۡمِنُ لَكَ وَٱتَّبَعَكَ ٱلۡأَرۡذَلُونَ

Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino anao izahay, nefa ireny olona ambany saranga indrindra ireny no manaraka anao ?” info
التفاسير: