വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ

പേജ് നമ്പർ:close

external-link copy
52 : 15

إِذۡ دَخَلُواْ عَلَيۡهِ فَقَالُواْ سَلَٰمٗا قَالَ إِنَّا مِنكُمۡ وَجِلُونَ

Raha niditra tao aminy izy ireo ka nilaza nanao hoe : “ Fiadanana (salamo) ! Namaly Izy (Ibrahim) nanao hoe : “ Matahotra Anareo Izahay ! ” info
التفاسير:

external-link copy
53 : 15

قَالُواْ لَا تَوۡجَلۡ إِنَّا نُبَشِّرُكَ بِغُلَٰمٍ عَلِيمٖ

Niteny izy ireo (ireo Anjely) ka nanao hoe : “ Aza matahotra Ianao ! Fa Izahay dia hanambara Aminao vaovao mahafaly, ny fahaterahan’ny Zazakely feno fahalalana ”. info
التفاسير:

external-link copy
54 : 15

قَالَ أَبَشَّرۡتُمُونِي عَلَىٰٓ أَن مَّسَّنِيَ ٱلۡكِبَرُ فَبِمَ تُبَشِّرُونَ

Namaly izy hoe : “ Lazainareo ahy ve izany vaovao mahafaly izany nefa dia efa tratran’ny fahanterana aho? Inona àry no lazainareo amiko? ” info
التفاسير:

external-link copy
55 : 15

قَالُواْ بَشَّرۡنَٰكَ بِٱلۡحَقِّ فَلَا تَكُن مِّنَ ٱلۡقَٰنِطِينَ

Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Ny marina no lazanay Aminao. Aoka àry Ianao tsy ho anisan’ireo mora kivy ”. info
التفاسير:

external-link copy
56 : 15

قَالَ وَمَن يَقۡنَطُ مِن رَّحۡمَةِ رَبِّهِۦٓ إِلَّا ٱلضَّآلُّونَ

Niteny Izy hoe : “ Fa iza moa no kivy amin’ny famindram-pòn’ny Tompony, raha tsy ireo very làlana ? ” info
التفاسير:

external-link copy
57 : 15

قَالَ فَمَا خَطۡبُكُمۡ أَيُّهَا ٱلۡمُرۡسَلُونَ

Dia hoy Izy (Abrahama) ka nanao hoe : “ Inona àry no nanirahana Anareo, ry Iraka ? ” info
التفاسير:

external-link copy
58 : 15

قَالُوٓاْ إِنَّآ أُرۡسِلۡنَآ إِلَىٰ قَوۡمٖ مُّجۡرِمِينَ

Namaly izy ireo ka nanao hoe : “ Nalefa ho an’ny Olona mpanao ratsy Izahay, info
التفاسير:

external-link copy
59 : 15

إِلَّآ ءَالَ لُوطٍ إِنَّا لَمُنَجُّوهُمۡ أَجۡمَعِينَ

Afa-tsy ny fianakavian’i Lota, tena ho vonjenay avokoa izy rehetra, info
التفاسير:

external-link copy
60 : 15

إِلَّا ٱمۡرَأَتَهُۥ قَدَّرۡنَآ إِنَّهَا لَمِنَ ٱلۡغَٰبِرِينَ

Ankoatry ny vadiny, Izahay dia hanao Azy ho anisan’ireo ringana. info
التفاسير:

external-link copy
61 : 15

فَلَمَّا جَآءَ ءَالَ لُوطٍ ٱلۡمُرۡسَلُونَ

Nony tonga teo amin’ny fianakavian’I Lota ireo Iraka, info
التفاسير:

external-link copy
62 : 15

قَالَ إِنَّكُمۡ قَوۡمٞ مُّنكَرُونَ

Dia niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Ianareo dia Olona tsy fantatra ”. info
التفاسير:

external-link copy
63 : 15

قَالُواْ بَلۡ جِئۡنَٰكَ بِمَا كَانُواْ فِيهِ يَمۡتَرُونَ

Niteny Izy ireo ka nanao hoe : “ Tonga aty Aminao tokoa Izahay mitondra ny (sazy) izay nampisalasala azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
64 : 15

وَأَتَيۡنَٰكَ بِٱلۡحَقِّ وَإِنَّا لَصَٰدِقُونَ

Ary tonga Aminao Izahay miaraka amin’ny Fahamarinana. Ary mpilaza ny marina Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
65 : 15

فَأَسۡرِ بِأَهۡلِكَ بِقِطۡعٖ مِّنَ ٱلَّيۡلِ وَٱتَّبِعۡ أَدۡبَٰرَهُمۡ وَلَا يَلۡتَفِتۡ مِنكُمۡ أَحَدٞ وَٱمۡضُواْ حَيۡثُ تُؤۡمَرُونَ

“ Mandehana àry miaraka amin’ny fianakavianao Ianao amin’ny fahataperan’ny alina, ary araho avy ao aoriana izy ireo; ary aoka tsy hisy hitoditodika n'iza n'iza Aminareo; koa mandehana amin’izay handidiana Anareo Ianareo ”. info
التفاسير:

external-link copy
66 : 15

وَقَضَيۡنَآ إِلَيۡهِ ذَٰلِكَ ٱلۡأَمۡرَ أَنَّ دَابِرَ هَٰٓؤُلَآءِ مَقۡطُوعٞ مُّصۡبِحِينَ

Ary nolazainay taminy izany didy izany : Fa ireny Olona ireny, amin’ny maraina, dia ho haringanay avokoa hatramin’ny farany. info
التفاسير:

external-link copy
67 : 15

وَجَآءَ أَهۡلُ ٱلۡمَدِينَةِ يَسۡتَبۡشِرُونَ

Fa ireo mponin’ny tanàna ( Sodoma) dia tonga (teo aminy) ankafaliana. info
التفاسير:

external-link copy
68 : 15

قَالَ إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ ضَيۡفِي فَلَا تَفۡضَحُونِ

Nilaza Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Tena marina fa vahiniko izy ireo, aza manafitohina Ahy Ianareo info
التفاسير:

external-link copy
69 : 15

وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَلَا تُخۡزُونِ

Ary matahora an’i Allah Ianareo. Aza tafihinareo henatra Aho. info
التفاسير:

external-link copy
70 : 15

قَالُوٓاْ أَوَلَمۡ نَنۡهَكَ عَنِ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Niteny izy ireo (ireo olon’ny tanàna) hoe : “ Moa ve tsy efa nandrara Anao Izahay tamin’ny (fandraisana) olona ? ” info
التفاسير: