ಪವಿತ್ರ ಕುರ್‌ಆನ್ ಅರ್ಥಾನುವಾದ - ಮಲಗಾಸಿ ಅನುವಾದ - ರುವ್ವಾದ್ ಭಾಷಾಂತರ ಕೇಂದ್ರ

ಪುಟ ಸಂಖ್ಯೆ:close

external-link copy
37 : 9

إِنَّمَا ٱلنَّسِيٓءُ زِيَادَةٞ فِي ٱلۡكُفۡرِۖ يُضَلُّ بِهِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ يُحِلُّونَهُۥ عَامٗا وَيُحَرِّمُونَهُۥ عَامٗا لِّيُوَاطِـُٔواْ عِدَّةَ مَا حَرَّمَ ٱللَّهُ فَيُحِلُّواْ مَا حَرَّمَ ٱللَّهُۚ زُيِّنَ لَهُمۡ سُوٓءُ أَعۡمَٰلِهِمۡۗ وَٱللَّهُ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡكَٰفِرِينَ

Ny fanoloana ny volana iray amin’ny hafa dia tsy misy afa-tsy fampitomboana ny tsy finoana. Ka izany no mahadiso làlana ireo tsy mpino, satria misy ny taona tsy hanajany azy, ary misy taona iray hafa hanajany azy,mba hampirindra ny isan’ny volana izay nataon’Allah ho masina, dia tahaka izany no tsy hanajan’izy ireo izay nataon’Allah ho masina. Nataon’i satana tsara teo imason’izy ireo ny asa ratsiny. Fa Allah dia tsy mitari-dàlana ireo vahoaka tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
38 : 9

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَا لَكُمۡ إِذَا قِيلَ لَكُمُ ٱنفِرُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ ٱثَّاقَلۡتُمۡ إِلَى ٱلۡأَرۡضِۚ أَرَضِيتُم بِٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا مِنَ ٱلۡأٓخِرَةِۚ فَمَا مَتَٰعُ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا فِي ٱلۡأٓخِرَةِ إِلَّا قَلِيلٌ

Oh Ianareo izay nino, nahoana Ianareo raha notenenina hoe : " mivoaha haingana ianareo hiady amin’ny lalan’i Allah, mitambesatra amin’ny tany Ianareo. Ankafizinareo ve ny fiainana eto an-tany noho ny fiainana any an-koatra ? Tsy inona akory ny fiainana eto an-tany raha oharina amin’ny any an-koatra afa-tsy kely ihany. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 9

إِلَّا تَنفِرُواْ يُعَذِّبۡكُمۡ عَذَابًا أَلِيمٗا وَيَسۡتَبۡدِلۡ قَوۡمًا غَيۡرَكُمۡ وَلَا تَضُرُّوهُ شَيۡـٔٗاۗ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٌ

Raha tsy mivoaka hiady Ianareo dia hanasazy Anareo Izy amin’ny sazy mamirifiry, ary ho soloin'ny vahoaka hafa ankoatranareo Ianareo ary tsy havita na inona na inona Aminy Ianareo. Ary i Allah dia mahefa ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 9

إِلَّا تَنصُرُوهُ فَقَدۡ نَصَرَهُ ٱللَّهُ إِذۡ أَخۡرَجَهُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ثَانِيَ ٱثۡنَيۡنِ إِذۡ هُمَا فِي ٱلۡغَارِ إِذۡ يَقُولُ لِصَٰحِبِهِۦ لَا تَحۡزَنۡ إِنَّ ٱللَّهَ مَعَنَاۖ فَأَنزَلَ ٱللَّهُ سَكِينَتَهُۥ عَلَيۡهِ وَأَيَّدَهُۥ بِجُنُودٖ لَّمۡ تَرَوۡهَا وَجَعَلَ كَلِمَةَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱلسُّفۡلَىٰۗ وَكَلِمَةُ ٱللَّهِ هِيَ ٱلۡعُلۡيَاۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٌ

Na dia tsy namonjy Azy (Mpaminany Mohammad) aza Ianareo dia efa namonjy Azy i Allah, rehefa nanao sesitany azy ireo ireo tsy mpino, ilay faharoa tamin’izy roa. Rehefa niafina tao amin’ny lava-bato izy roa dia niteny Izy (ilay Mpaminany) tamin’ny namany nanao hoe : " Aza malahelo Ianao, fa i Allah dia tena miaraka amintsika ”, ka nampidinin’i Allah taminy ny fitoniana, ary notohanany izy tamin’ny alàlan’ny miaramila izay tsy hitanareo maso. Ary nataony ho ambany indrindra ny tenin’ireo tsy mpino, fa ny tenin’i Allah no ambony indrindra. Ary Allah no Mahery sy be Fahendrena. info
التفاسير: