ಪವಿತ್ರ ಕುರ್‌ಆನ್ ಅರ್ಥಾನುವಾದ - ಮಲಗಾಸಿ ಅನುವಾದ - ರುವ್ವಾದ್ ಭಾಷಾಂತರ ಕೇಂದ್ರ

ಪುಟ ಸಂಖ್ಯೆ:close

external-link copy
111 : 16

۞ يَوۡمَ تَأۡتِي كُلُّ نَفۡسٖ تُجَٰدِلُ عَن نَّفۡسِهَا وَتُوَفَّىٰ كُلُّ نَفۡسٖ مَّا عَمِلَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ

(Tsarovy) ny Andro izay ahatongavan’ny fanahy tsirairay, hiaro ny tenany, ary hovaliana amin’ny asa izay nataony ny tsirairay, ka tsy hiangarana izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
112 : 16

وَضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلٗا قَرۡيَةٗ كَانَتۡ ءَامِنَةٗ مُّطۡمَئِنَّةٗ يَأۡتِيهَا رِزۡقُهَا رَغَدٗا مِّن كُلِّ مَكَانٖ فَكَفَرَتۡ بِأَنۡعُمِ ٱللَّهِ فَأَذَٰقَهَا ٱللَّهُ لِبَاسَ ٱلۡجُوعِ وَٱلۡخَوۡفِ بِمَا كَانُواْ يَصۡنَعُونَ

Ary nanao fanoharana tanàna iray Allah, tao anatin’ny fitoniana sy filaminana tanteraka, ka tonga betsaka Taminy ny anjara fivelomany avy amin’ny toerana rehetra. Ka tsy nankasitraka ny fahasoavan’i Allah (ireo tao an-tanàna). Koa dia nampandramanin’i Allah azy ireo ny hanoanana sy ny tahotra, noho ny nataon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
113 : 16

وَلَقَدۡ جَآءَهُمۡ رَسُولٞ مِّنۡهُمۡ فَكَذَّبُوهُ فَأَخَذَهُمُ ٱلۡعَذَابُ وَهُمۡ ظَٰلِمُونَ

Ary efa tonga tamin’izy ireo ny Iraka avy amin’izy ireo ihany, ka nataon’izy ireo ho mpandainga Izy. Ary dia nianjady tamin’izy ireo ny famaizana noho izy ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
114 : 16

فَكُلُواْ مِمَّا رَزَقَكُمُ ٱللَّهُ حَلَٰلٗا طَيِّبٗا وَٱشۡكُرُواْ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ إِيَّاهُ تَعۡبُدُونَ

Koa mihinana àry ianareo amin’izay anjara fivelomana nomen’i Allah anareo, amin’izay tsy voarara sy tsara. Ary misaora amin’ny fahasoavan’i Allah ianareo, raha Izy tokoa no Tompoinareo. info
التفاسير:

external-link copy
115 : 16

إِنَّمَا حَرَّمَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡمَيۡتَةَ وَٱلدَّمَ وَلَحۡمَ ٱلۡخِنزِيرِ وَمَآ أُهِلَّ لِغَيۡرِ ٱللَّهِ بِهِۦۖ فَمَنِ ٱضۡطُرَّ غَيۡرَ بَاغٖ وَلَا عَادٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ

Tena marina fa ireo zava-boarara ho Anareo dia ny biby maty ho azy, ny rà, ny henan-kisoa, ary (ny biby) izay niantsoana ny anarana hafa ankoatr’i Allah. Nefa n'iza n'iza tratran’ny tsy azo anoharana, ka tsy mitsipaka ary tsy mandika làlana... marina fa i Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
116 : 16

وَلَا تَقُولُواْ لِمَا تَصِفُ أَلۡسِنَتُكُمُ ٱلۡكَذِبَ هَٰذَا حَلَٰلٞ وَهَٰذَا حَرَامٞ لِّتَفۡتَرُواْ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ لَا يُفۡلِحُونَ

Ary aza milaza, araka ny lainga izay tenenin’ny lelanareo Ianareo, manao hoe : « Ity dia azo atao “ Hala l”, ary ity dia voarara “ Haram ” », mba hamoronanareo lainga amin’i Allah. Tena marina, fa ireo izay mamorona lainga mahakasika an’i Allah dia tsy ahita fahombiazana. info
التفاسير:

external-link copy
117 : 16

مَتَٰعٞ قَلِيلٞ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ

Fahafinaretana kely (ho azy ireo) izany, ka nefa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry. info
التفاسير:

external-link copy
118 : 16

وَعَلَى ٱلَّذِينَ هَادُواْ حَرَّمۡنَا مَا قَصَصۡنَا عَلَيۡكَ مِن قَبۡلُۖ وَمَا ظَلَمۡنَٰهُمۡ وَلَٰكِن كَانُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ

Tamin’ireo Jiosy, noraranay (azy ireo) izay efa notantaranay Taminao (teo aloha). Tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo Izahay, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny Tenany. info
التفاسير: