ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
14 : 72

وَأَنَّا مِنَّا ٱلۡمُسۡلِمُونَ وَمِنَّا ٱلۡقَٰسِطُونَۖ فَمَنۡ أَسۡلَمَ فَأُوْلَٰٓئِكَ تَحَرَّوۡاْ رَشَدٗا

Ary nankato an'I Allah tokoa ny sasany taminay ary tsy nankato kosa ny sasany taminay. Ary ireo izay nankato an'I Allah, izy ireo no mikatsaka ny lalana marina. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 72

وَأَمَّا ٱلۡقَٰسِطُونَ فَكَانُواْ لِجَهَنَّمَ حَطَبٗا

Ary ho an'ireo izay niala ny lala-marina dia izy ireo no ho akora fandrehitra any amin'ny afobe. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 72

وَأَلَّوِ ٱسۡتَقَٰمُواْ عَلَى ٱلطَّرِيقَةِ لَأَسۡقَيۡنَٰهُم مَّآءً غَدَقٗا

Ary raha mijanona amin'ny lalana mahitsy izy ireo dia hanome rano fisotro betsaka ho azy ireo tokoa izahay. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 72

لِّنَفۡتِنَهُمۡ فِيهِۚ وَمَن يُعۡرِضۡ عَن ذِكۡرِ رَبِّهِۦ يَسۡلُكۡهُ عَذَابٗا صَعَدٗا

Ho fisedrana azy ireo ao. Ary izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy amin’ny Tompony, dia hotarihiny any amin’ny famaizana mihamafy hatrany. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 72

وَأَنَّ ٱلۡمَسَٰجِدَ لِلَّهِ فَلَا تَدۡعُواْ مَعَ ٱللَّهِ أَحَدٗا

Fa an’Allah ireo toerana fiankohofana (mosquée), koa aoka àry ianareo tsy hiantso na iza na iza ankoatra an’Allah. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 72

وَأَنَّهُۥ لَمَّا قَامَ عَبۡدُ ٱللَّهِ يَدۡعُوهُ كَادُواْ يَكُونُونَ عَلَيۡهِ لِبَدٗا

Ary rehefa mijoro hiantso Azy ny mpanompon'I Allah dia saika hanao tambabe taminy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 72

قُلۡ إِنَّمَآ أَدۡعُواْ رَبِّي وَلَآ أُشۡرِكُ بِهِۦٓ أَحَدٗا

Lazao hoe : "Ny Tompoko irery ihany no antsoiko ary tsy hampifangaro na iza na iza Aminy aho." info
التفاسير:

external-link copy
21 : 72

قُلۡ إِنِّي لَآ أَمۡلِكُ لَكُمۡ ضَرّٗا وَلَا رَشَدٗا

Lazao hoe : "Tsy manana fahefana hanisy ratsy na hanasoa anareo mihitsy aho." info
التفاسير:

external-link copy
22 : 72

قُلۡ إِنِّي لَن يُجِيرَنِي مِنَ ٱللَّهِ أَحَدٞ وَلَنۡ أَجِدَ مِن دُونِهِۦ مُلۡتَحَدًا

Lazao hoe : "Tsy misy afaka hiaro ahy amin'I Allah mihitsy ary tsy afaka ny hahita fialofana hafa ankoatra Azy ihany koa aho." info
التفاسير:

external-link copy
23 : 72

إِلَّا بَلَٰغٗا مِّنَ ٱللَّهِ وَرِسَٰلَٰتِهِۦۚ وَمَن يَعۡصِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ فَإِنَّ لَهُۥ نَارَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدًا

Ny fampitana ny fanambarana avy amin'i Tompo Allah ho anareo ihany no andraikitro, toy izany koa ireo hafatra avy Aminy. Ary ho an'ireo izay tsy mankatoa an'I Allah sy ny Iraka avy Aminy dia ao ny afon'ny helo izay honenan'izy ireo mandrakizay. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 72

حَتَّىٰٓ إِذَا رَأَوۡاْ مَا يُوعَدُونَ فَسَيَعۡلَمُونَ مَنۡ أَضۡعَفُ نَاصِرٗا وَأَقَلُّ عَدَدٗا

Hanohy tsy hino izy ireo mandra-pahitany izay nampanantenana azy ireo, ary tsy ho ela dia fantatr'izy ireo hoe iza no tena osa eo amin'ny fanampiana, ary iza ireo vitsy an'isa. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 72

قُلۡ إِنۡ أَدۡرِيٓ أَقَرِيبٞ مَّا تُوعَدُونَ أَمۡ يَجۡعَلُ لَهُۥ رَبِّيٓ أَمَدًا

Lazao hoe : "Tsy fantatro na efa atomotra izany nampanantenana anareo izany, na namaritra fetr'andro lavitra ho an'izany ny Tompoko." info
التفاسير:

external-link copy
26 : 72

عَٰلِمُ ٱلۡغَيۡبِ فَلَا يُظۡهِرُ عَلَىٰ غَيۡبِهِۦٓ أَحَدًا

Izy no mpahalala ny tsy hita maso, ary tsy manambara ireo tsiambaratelony amin'iza na iza Izy. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 72

إِلَّا مَنِ ٱرۡتَضَىٰ مِن رَّسُولٖ فَإِنَّهُۥ يَسۡلُكُ مِنۢ بَيۡنِ يَدَيۡهِ وَمِنۡ خَلۡفِهِۦ رَصَدٗا

Afa-tsy amin'izay finidiny amin'ireo Iraka avy Aminy ary dia nasiany mpiaro mandeha tokoa eo anoloany sy ao aoriany. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 72

لِّيَعۡلَمَ أَن قَدۡ أَبۡلَغُواْ رِسَٰلَٰتِ رَبِّهِمۡ وَأَحَاطَ بِمَا لَدَيۡهِمۡ وَأَحۡصَىٰ كُلَّ شَيۡءٍ عَدَدَۢا

Mba ahafantarany fa mampita ireo hafatra avy amin'ny Tompony ireo Iraka avy Aminy. Ary miaro ireo rehetra miaraka Aminy Izy no sady mandrakitra ny zava-drehetra koa. info
التفاسير: