ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
68 : 7

أُبَلِّغُكُمۡ رِسَٰلَٰتِ رَبِّي وَأَنَا۠ لَكُمۡ نَاصِحٌ أَمِينٌ

Mampita aminareo ireo hafatry ny Tompoko Aho ary Izaho dia mpanolo-tsaina azo antoka ho anareo. info
التفاسير:

external-link copy
69 : 7

أَوَعَجِبۡتُمۡ أَن جَآءَكُمۡ ذِكۡرٞ مِّن رَّبِّكُمۡ عَلَىٰ رَجُلٖ مِّنكُمۡ لِيُنذِرَكُمۡۚ وَٱذۡكُرُوٓاْ إِذۡ جَعَلَكُمۡ خُلَفَآءَ مِنۢ بَعۡدِ قَوۡمِ نُوحٖ وَزَادَكُمۡ فِي ٱلۡخَلۡقِ بَصۜۡطَةٗۖ فَٱذۡكُرُوٓاْ ءَالَآءَ ٱللَّهِ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ

Moa ve gaga ianareo raha tonga aminareo ny fampatsahivana avy amin’ny Tomponareo, izay nentin’ny olona iray avy aminareo mba hampitandrina anareo ? Ary mahatsiarova ianareo raha nataony ho mpandimby toerana taorian’ny vahoakan’i Noa, ary nampitomboiny ianareo tamin’ny vatana (fahatanjahana). Ka tsarovinareo ireo fahasoavan’I Allah angamba hahazo fahombiazana ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
70 : 7

قَالُوٓاْ أَجِئۡتَنَا لِنَعۡبُدَ ٱللَّهَ وَحۡدَهُۥ وَنَذَرَ مَا كَانَ يَعۡبُدُ ءَابَآؤُنَا فَأۡتِنَا بِمَا تَعِدُنَآ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ

Niteny izy ireo nanao hoe : “Moa ve tonga aty aminay Ianao mba hanompoanay Allah Irery ihany, ary mba hamelanay izay notompoin’ireo razambenay ? Ento aminay àry izay nampitandremanao anay (amin’ny sazy) raha anisan’ireo mpilaza ny marina tokoa Ianao”. info
التفاسير:

external-link copy
71 : 7

قَالَ قَدۡ وَقَعَ عَلَيۡكُم مِّن رَّبِّكُمۡ رِجۡسٞ وَغَضَبٌۖ أَتُجَٰدِلُونَنِي فِيٓ أَسۡمَآءٖ سَمَّيۡتُمُوهَآ أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُم مَّا نَزَّلَ ٱللَّهُ بِهَا مِن سُلۡطَٰنٖۚ فَٱنتَظِرُوٓاْ إِنِّي مَعَكُم مِّنَ ٱلۡمُنتَظِرِينَ

Niteny Izy (Hod) nanao hoe : “Indro fa efa nihatra aminareo ny fampijaliana sy ny fahatezerana avy amin’ny Tomponareo. Moa ve hiady hevitra Amiko mikasika ireo anarana izay nomenareo azy ireo (ireo sampy), ianareo sy ireo razambenareo, izay tsy nampidinan’I Allah porofo ny amin’izany na dia kely aza ? Andrasonareo àry, fa izaho dia anisan’ny miandry miaraka aminareo”. info
التفاسير:

external-link copy
72 : 7

فَأَنجَيۡنَٰهُ وَٱلَّذِينَ مَعَهُۥ بِرَحۡمَةٖ مِّنَّا وَقَطَعۡنَا دَابِرَ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَاۖ وَمَا كَانُواْ مُؤۡمِنِينَ

Ka dia navotanay Izy sy ireo izay miaraka taminy, nohon'ny famindram-po avy Aminay, dia naringanay ireo izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay ary tsy mpino izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
73 : 7

وَإِلَىٰ ثَمُودَ أَخَاهُمۡ صَٰلِحٗاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥۖ قَدۡ جَآءَتۡكُم بَيِّنَةٞ مِّن رَّبِّكُمۡۖ هَٰذِهِۦ نَاقَةُ ٱللَّهِ لَكُمۡ ءَايَةٗۖ فَذَرُوهَا تَأۡكُلۡ فِيٓ أَرۡضِ ٱللَّهِۖ وَلَا تَمَسُّوهَا بِسُوٓءٖ فَيَأۡخُذَكُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ

Ary nalefanay tamin’ny foko Thamod ny rahalan’izy ireo Soãlihy, ka niteny Izy nanao hoe : “Oh ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah, tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy ianareo. Efa tonga aminareo ny porofo avy amin’ny Tomponareo. Ity ny rameva vavin’I Allah, fahagagana ho anareo. Ka avelao izy hihinana amin’ny tanin’I Allah, ary aza manao ratsy aminy ianareo sao iharan’ny sazy mamirifiry. info
التفاسير: