ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
21 : 46

۞ وَٱذۡكُرۡ أَخَا عَادٍ إِذۡ أَنذَرَ قَوۡمَهُۥ بِٱلۡأَحۡقَافِ وَقَدۡ خَلَتِ ٱلنُّذُرُ مِنۢ بَيۡنِ يَدَيۡهِ وَمِنۡ خَلۡفِهِۦٓ أَلَّا تَعۡبُدُوٓاْ إِلَّا ٱللَّهَ إِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٖ

Fa tsarovy ny rahalahin'ireo Aad, nampitandrina ny vahoakany izy tao Al-ahqaf, kanefa dia nisy mpampitandrina nandalo talohany sy taoriany, "aoka ianareo tsy hanompo afa-tsy I Allah. Hatahorako ho aminareo ny famaizana amin'ilay andro mahatsiravina." info
التفاسير:

external-link copy
22 : 46

قَالُوٓاْ أَجِئۡتَنَا لِتَأۡفِكَنَا عَنۡ ءَالِهَتِنَا فَأۡتِنَا بِمَا تَعِدُنَآ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ

Hoy izy ireo : ‘’Tonga eto aminay mba hampihataka anay amin’ireo andriamanitray va ianao ? Raha izany, ento eto aminay izay nampitandremanao anay raha isan’ireo mpilaza ny marina ianao.‘’ info
التفاسير:

external-link copy
23 : 46

قَالَ إِنَّمَا ٱلۡعِلۡمُ عِندَ ٱللَّهِ وَأُبَلِّغُكُم مَّآ أُرۡسِلۡتُ بِهِۦ وَلَٰكِنِّيٓ أَرَىٰكُمۡ قَوۡمٗا تَجۡهَلُونَ

Hoy izy : “Any amin’I Allah ihany ny fahalalana. Mampita ny hafatra izay nandefasana ahy aminareo aho. kanefa hitako fa olona tsy mahafantatra ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 46

فَلَمَّا رَأَوۡهُ عَارِضٗا مُّسۡتَقۡبِلَ أَوۡدِيَتِهِمۡ قَالُواْ هَٰذَا عَارِضٞ مُّمۡطِرُنَاۚ بَلۡ هُوَ مَا ٱسۡتَعۡجَلۡتُم بِهِۦۖ رِيحٞ فِيهَا عَذَابٌ أَلِيمٞ

Ary rehefa nahita rahona nankeny amin’ny sahany izy ireo, dia niteny hoe : “Indro ny rahona mitondra ranon’orana ho anay.” Ny mifanohitra amin’izany anefa, no ilay tadiavinareo hafainganina, dia ny rivotra mitondra famaizana mamirifiry, info
التفاسير:

external-link copy
25 : 46

تُدَمِّرُ كُلَّ شَيۡءِۭ بِأَمۡرِ رَبِّهَا فَأَصۡبَحُواْ لَا يُرَىٰٓ إِلَّا مَسَٰكِنُهُمۡۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡمُجۡرِمِينَ

Handrava ny zava-drehetra, nohon'ny didin’ny Tompony. Ary ny ampitson’iny, dia ny fonenan’izy ireo ihany no sisa tazana.Toy izany no hamalianay ireo olona mpanao ratsy. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 46

وَلَقَدۡ مَكَّنَّٰهُمۡ فِيمَآ إِن مَّكَّنَّٰكُمۡ فِيهِ وَجَعَلۡنَا لَهُمۡ سَمۡعٗا وَأَبۡصَٰرٗا وَأَفۡـِٔدَةٗ فَمَآ أَغۡنَىٰ عَنۡهُمۡ سَمۡعُهُمۡ وَلَآ أَبۡصَٰرُهُمۡ وَلَآ أَفۡـِٔدَتُهُم مِّن شَيۡءٍ إِذۡ كَانُواْ يَجۡحَدُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ

Nomenay fahefana izay tsy nomenay anareo izy ireo. Ary nomenay fandrenesana, fahitana sy fo, saingy ny fandrenesany, ny fahitany, ny fony, dia tsy nahazoan’izy ireo tombotsoa, na amin’inona satria nandà ireo famantarana avy amin’I Allah izy ireo, ka dia voafatotr’izay nohesoiny. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 46

وَلَقَدۡ أَهۡلَكۡنَا مَا حَوۡلَكُم مِّنَ ٱلۡقُرَىٰ وَصَرَّفۡنَا ٱلۡأٓيَٰتِ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ

Nopotehinay tokoa ireo tanàna manodidina anareo, ary nataonay isan-karazany ireo famantarana mba hiverenan’izy ireo (amin’I Allah). info
التفاسير:

external-link copy
28 : 46

فَلَوۡلَا نَصَرَهُمُ ٱلَّذِينَ ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ قُرۡبَانًا ءَالِهَةَۢۖ بَلۡ ضَلُّواْ عَنۡهُمۡۚ وَذَٰلِكَ إِفۡكُهُمۡ وَمَا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ

Nahoana no tsy mamonjy azy ireo izay nalainy ankoatran'I Allah, ho Tompo hanakaikezana Azy ? Nandao azy izy ireo, izany no fisandohana ataony, sy lainga foroniny. info
التفاسير: