ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
57 : 39

أَوۡ تَقُولَ لَوۡ أَنَّ ٱللَّهَ هَدَىٰنِي لَكُنتُ مِنَ ٱلۡمُتَّقِينَ

Na hitenenany hoe: “Raha mba notarihan’I Allah tamin’ny lalana mahitsy aho, dia ho anisan’ireo nanam-pahatahorana tokoa” info
التفاسير:

external-link copy
58 : 39

أَوۡ تَقُولَ حِينَ تَرَى ٱلۡعَذَابَ لَوۡ أَنَّ لِي كَرَّةٗ فَأَكُونَ مِنَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Na hiteny izy rehefa mahita famaizana hoe : “Indrisy! Raha mba afaka miverina mantsy aho! Dia ho anisan’ireo mpanao asa soa ”. info
التفاسير:

external-link copy
59 : 39

بَلَىٰ قَدۡ جَآءَتۡكَ ءَايَٰتِي فَكَذَّبۡتَ بِهَا وَٱسۡتَكۡبَرۡتَ وَكُنتَ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ

Tena izany tokoa! Tonga teo aminao ireo andininy avy Amiko, saingy nataonao ho lainga izy ireny, ary niavonavonanao, fa anisan’ireo olona tsy mpino ianao. info
التفاسير:

external-link copy
60 : 39

وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ تَرَى ٱلَّذِينَ كَذَبُواْ عَلَى ٱللَّهِ وُجُوهُهُم مُّسۡوَدَّةٌۚ أَلَيۡسَ فِي جَهَنَّمَ مَثۡوٗى لِّلۡمُتَكَبِّرِينَ

Ary amin’ny andro fitsanganana, dia ho hitanao maloka ny tarehin’ireo izay namoron-dainga momba an’i Allah. Moa tsy any amin’ny Afobe tokoa ve no hisy ny fitoeran’ireo mpanambony tena ? info
التفاسير:

external-link copy
61 : 39

وَيُنَجِّي ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ بِمَفَازَتِهِمۡ لَا يَمَسُّهُمُ ٱلسُّوٓءُ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ

Fa havotan’I Allah ireo izay manam-pahatahorana, ka hataony mpandresy. Tsy misy ratsy mihitsy hahazo azy ireo, ary tsy hanana alahelo ihany koa. info
التفاسير:

external-link copy
62 : 39

ٱللَّهُ خَٰلِقُ كُلِّ شَيۡءٖۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ وَكِيلٞ

Mpahary ny zava-drehetra I Allah, ary Izy no mpiantoka azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
63 : 39

لَّهُۥ مَقَالِيدُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ

Izy no mitazona ny fanalahidin’ny lanitra sy ny tany, fa izay tsy mino ireo famantarana avy amin’I Allah kosa, dia izy ireny no ho matiantoka. info
التفاسير:

external-link copy
64 : 39

قُلۡ أَفَغَيۡرَ ٱللَّهِ تَأۡمُرُوٓنِّيٓ أَعۡبُدُ أَيُّهَا ٱلۡجَٰهِلُونَ

Lazao hoe : “ Ho didinareo hanompo ny hafa ivelan’I Allah ve aho ry tsy manam-pahalalana ? ” info
التفاسير:

external-link copy
65 : 39

وَلَقَدۡ أُوحِيَ إِلَيۡكَ وَإِلَى ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِكَ لَئِنۡ أَشۡرَكۡتَ لَيَحۡبَطَنَّ عَمَلُكَ وَلَتَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ

Efa nambara taminao sy tamin’ireo izay talohanao hoe : “ Raha manambatra Allah amin’ny zavatra hafa ianao, dia ho very maina tokoa ny asanao, ka tsy maintsy ho anisan’ireo matiantoka ianao”. info
التفاسير:

external-link copy
66 : 39

بَلِ ٱللَّهَ فَٱعۡبُدۡ وَكُن مِّنَ ٱلشَّٰكِرِينَ

Fa ny mifanohitra amin’izany, Allah irery ihany no tompoy, ary aoka ho anisan’ireo mpankasitraka ianao. info
التفاسير:

external-link copy
67 : 39

وَمَا قَدَرُواْ ٱللَّهَ حَقَّ قَدۡرِهِۦ وَٱلۡأَرۡضُ جَمِيعٗا قَبۡضَتُهُۥ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَٱلسَّمَٰوَٰتُ مَطۡوِيَّٰتُۢ بِيَمِينِهِۦۚ سُبۡحَٰنَهُۥ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ

Tsy nanome haja an’I Allah izy ireo, araka ny tokony ho izy, kanefa dia ho raisiny am-pelatanany ny tany manontolo amin’ny andro fitsanganana. Ary hiforitra eo amin’ny tanany havanana ny lanitra. Voninahitra anie ho Azy ! Izy no tena Ambonin’izay atambatr’izy ireo Aminy. info
التفاسير: