ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
43 : 38

وَوَهَبۡنَا لَهُۥٓ أَهۡلَهُۥ وَمِثۡلَهُم مَّعَهُمۡ رَحۡمَةٗ مِّنَّا وَذِكۡرَىٰ لِأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ

Ary natolotray azy indray ny fianakaviany, ka tahaka izany koa no niaraka tamin’izy ireo, noho ny famindram-po avy Aminay sy fampatsiahivana ho an’ireo izay manan-tsaina. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 38

وَخُذۡ بِيَدِكَ ضِغۡثٗا فَٱضۡرِب بِّهِۦ وَلَا تَحۡنَثۡۗ إِنَّا وَجَدۡنَٰهُ صَابِرٗاۚ نِّعۡمَ ٱلۡعَبۡدُ إِنَّهُۥٓ أَوَّابٞ

“Mandraisa ratsan-kazo palma iray fehezana amin’ny tànanao ianao, avy eo kapohy amin’ny alàlan’izany izy (ny vadinao), ary aza mivadika amin’ny fianiananao”. Marina fa Izahay dia nahita azy naharitra. Endrey fa mpanompo mendrika tokoa izy! Mibebaka lalandava izy. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 38

وَٱذۡكُرۡ عِبَٰدَنَآ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ أُوْلِي ٱلۡأَيۡدِي وَٱلۡأَبۡصَٰرِ

Ary tsarovinao ireo mpanomponay Ibrahimo, Isaka, Jakoba izay natanjaka tamin’ny fanompoana sy nahiratra. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 38

إِنَّآ أَخۡلَصۡنَٰهُم بِخَالِصَةٖ ذِكۡرَى ٱلدَّارِ

Tena marina fa nataonay nanana fiavahana manokana izy ireo, ny fampahatsiahivana ny any ankoatra. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 38

وَإِنَّهُمۡ عِندَنَا لَمِنَ ٱلۡمُصۡطَفَيۡنَ ٱلۡأَخۡيَارِ

Ary tena marina fa, izy ireo eo akaikinay, dia anisan’ireo olom-boafidy mendrika indrindra. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 38

وَٱذۡكُرۡ إِسۡمَٰعِيلَ وَٱلۡيَسَعَ وَذَا ٱلۡكِفۡلِۖ وَكُلّٞ مِّنَ ٱلۡأَخۡيَارِ

Ary tsarovy Ismaela, i Elize (Al-Yassa) sy i Zol-Kifl, ny tsirairay amin’izy ireo dia samy anisan’ireo mendrika indrindra. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 38

هَٰذَا ذِكۡرٞۚ وَإِنَّ لِلۡمُتَّقِينَ لَحُسۡنَ مَـَٔابٖ

Izany dia fampahatsiahivana. Ary marina fa ho an’ireo manam-patahorana ny toeram-pialan-tsasatra mendrika indrindra: info
التفاسير:

external-link copy
50 : 38

جَنَّٰتِ عَدۡنٖ مُّفَتَّحَةٗ لَّهُمُ ٱلۡأَبۡوَٰبُ

Ireo zaridainan’i Edena, misokatra ho azy ireo ny varavarana maro, info
التفاسير:

external-link copy
51 : 38

مُتَّكِـِٔينَ فِيهَا يَدۡعُونَ فِيهَا بِفَٰكِهَةٖ كَثِيرَةٖ وَشَرَابٖ

Ka mitehin-kiho izy ireo ao, no sady mangataka voankazo maro sy zava-pisotro isan-karazany. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 38

۞ وَعِندَهُمۡ قَٰصِرَٰتُ ٱلطَّرۡفِ أَتۡرَابٌ

Ary eo akaikin’izy ireo dia hisy ireo vehivavy tsara tarehy manana fijery maotina, mitovy taona avokoa izy rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
53 : 38

هَٰذَا مَا تُوعَدُونَ لِيَوۡمِ ٱلۡحِسَابِ

Izany no hampanantenaina anareo ho amin’ny Andron’ny Fitsarana. info
التفاسير:

external-link copy
54 : 38

إِنَّ هَٰذَا لَرِزۡقُنَا مَا لَهُۥ مِن نَّفَادٍ

Izany tokoa no anjara fanomezana avy Aminay, tsy manam-pahataperana. info
التفاسير:

external-link copy
55 : 38

هَٰذَاۚ وَإِنَّ لِلطَّٰغِينَ لَشَرَّ مَـَٔابٖ

Indro àry ! Ary tena marina fa ho an’ireo mpihoa-pefy ny toeram-pialan-tsasatra ratsy indrindra: info
التفاسير:

external-link copy
56 : 38

جَهَنَّمَ يَصۡلَوۡنَهَا فَبِئۡسَ ٱلۡمِهَادُ

Ny Afobe izay handoro azy ireo. Endrey izany haratsian’ny fandriana ! info
التفاسير:

external-link copy
57 : 38

هَٰذَا فَلۡيَذُوقُوهُ حَمِيمٞ وَغَسَّاقٞ

Indro àry ! Fa aoka hanandrana ny rano mangotraka sy maimbo ao izy ireo, info
التفاسير:

external-link copy
58 : 38

وَءَاخَرُ مِن شَكۡلِهِۦٓ أَزۡوَٰجٌ

Sy karazana sazy hafa mitovy amin’izany. info
التفاسير:

external-link copy
59 : 38

هَٰذَا فَوۡجٞ مُّقۡتَحِمٞ مَّعَكُمۡ لَا مَرۡحَبَۢا بِهِمۡۚ إِنَّهُمۡ صَالُواْ ٱلنَّارِ

Indro fa misy andiany iray izay miditra amim-pirotorotoana miaraka aminareo, tsy misy fiarahabana tongasoa ho azy ireo. Fa hodorana ao anatin’ny Afobe izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
60 : 38

قَالُواْ بَلۡ أَنتُمۡ لَا مَرۡحَبَۢا بِكُمۡۖ أَنتُمۡ قَدَّمۡتُمُوهُ لَنَاۖ فَبِئۡسَ ٱلۡقَرَارُ

Niteny izy ireo hoe : “Raha ny tena marina dia tsy misy fiarahabana tongasoa ho anareo. Ianareo no nanomana izany ho anay”, endrey izany haratsian’ ny toeram-pijanonana ! info
التفاسير:

external-link copy
61 : 38

قَالُواْ رَبَّنَا مَن قَدَّمَ لَنَا هَٰذَا فَزِدۡهُ عَذَابٗا ضِعۡفٗا فِي ٱلنَّارِ

Hiteny izy ireo hoe : “Ry Tomponay ô ! Izay nanomana izany ho anay dia ampitomboy aminy ho avo roa heny ny famaizana ao anatin’ny Afobe”. info
التفاسير: