ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
55 : 36

إِنَّ أَصۡحَٰبَ ٱلۡجَنَّةِ ٱلۡيَوۡمَ فِي شُغُلٖ فَٰكِهُونَ

Amin’izany andro izany, dia ho variana amin’ny fahasambarana azon’izy ireo ny olon’ny Paradisa. info
التفاسير:

external-link copy
56 : 36

هُمۡ وَأَزۡوَٰجُهُمۡ فِي ظِلَٰلٍ عَلَى ٱلۡأَرَآئِكِ مُتَّكِـُٔونَ

Eo ambany alokalok'izy ireo sy ny vadiny no mitehin-kiho eo ambony seza lava. info
التفاسير:

external-link copy
57 : 36

لَهُمۡ فِيهَا فَٰكِهَةٞ وَلَهُم مَّا يَدَّعُونَ

Hahazo voankazo izy ireo ao, ary hahazo izay rehetra tadiaviny. info
التفاسير:

external-link copy
58 : 36

سَلَٰمٞ قَوۡلٗا مِّن رَّبّٖ رَّحِيمٖ

Fandriampahalemana ! ( Salam ) no teny avy amin’ny Tompo be Indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
59 : 36

وَٱمۡتَٰزُواْ ٱلۡيَوۡمَ أَيُّهَا ٱلۡمُجۡرِمُونَ

Ary miataha lavitra ianareo amin’izany andro izany ! Ry Mpanao heloka be vava! info
التفاسير:

external-link copy
60 : 36

۞ أَلَمۡ أَعۡهَدۡ إِلَيۡكُمۡ يَٰبَنِيٓ ءَادَمَ أَن لَّا تَعۡبُدُواْ ٱلشَّيۡطَٰنَۖ إِنَّهُۥ لَكُمۡ عَدُوّٞ مُّبِينٞ

Moa tsy efa nifanaiky taminareo ve Aho, ry taranak’i Adama, mba tsy hanompo ny devoly ? Satria fahavalo miharihary ho anareo tokoa izy. info
التفاسير:

external-link copy
61 : 36

وَأَنِ ٱعۡبُدُونِيۚ هَٰذَا صِرَٰطٞ مُّسۡتَقِيمٞ

Fa hanompo Ahy ianareo ? Izany no lalana mahitsy. info
التفاسير:

external-link copy
62 : 36

وَلَقَدۡ أَضَلَّ مِنكُمۡ جِبِلّٗا كَثِيرًاۖ أَفَلَمۡ تَكُونُواْ تَعۡقِلُونَ

Ary efa namery andiany maro taminareo tokoa izy. Ka moa tsy misaina ve ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
63 : 36

هَٰذِهِۦ جَهَنَّمُ ٱلَّتِي كُنتُمۡ تُوعَدُونَ

Indro ny afobe izay nampanantenaina anareo. info
التفاسير:

external-link copy
64 : 36

ٱصۡلَوۡهَا ٱلۡيَوۡمَ بِمَا كُنتُمۡ تَكۡفُرُونَ

Midira ao ianareo androany, nohon'ny tsy finoanareo. info
التفاسير:

external-link copy
65 : 36

ٱلۡيَوۡمَ نَخۡتِمُ عَلَىٰٓ أَفۡوَٰهِهِمۡ وَتُكَلِّمُنَآ أَيۡدِيهِمۡ وَتَشۡهَدُ أَرۡجُلُهُم بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ

Amin’izany andro izany, dia hidinay ny vavan’izy ireo, fa ny tanan’izy ireo no hiresaka Aminay, ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona amin’izay nataony. info
التفاسير:

external-link copy
66 : 36

وَلَوۡ نَشَآءُ لَطَمَسۡنَا عَلَىٰٓ أَعۡيُنِهِمۡ فَٱسۡتَبَقُواْ ٱلصِّرَٰطَ فَأَنَّىٰ يُبۡصِرُونَ

Ary raha sitrakay, dia nokosehinay tokoa ny mason’izy ireo, ka hihazakazaka eny amin’ny làlana izy ireo. Fa ahoana àry no fomba hahiratan’izy ireo? info
التفاسير:

external-link copy
67 : 36

وَلَوۡ نَشَآءُ لَمَسَخۡنَٰهُمۡ عَلَىٰ مَكَانَتِهِمۡ فَمَا ٱسۡتَطَٰعُواْ مُضِيّٗا وَلَا يَرۡجِعُونَ

Ary raha sitrakay, dia novanay ny endrika aman-toetran’izy ireo eo amin’ny toeran’izy ireo, ka tsy afaka handroso na hihemotra intsony izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
68 : 36

وَمَن نُّعَمِّرۡهُ نُنَكِّسۡهُ فِي ٱلۡخَلۡقِۚ أَفَلَا يَعۡقِلُونَ

Ary izay omenay andro lava hiainana, dia hataonay miha osa. Moa tsy misaina ve izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
69 : 36

وَمَا عَلَّمۡنَٰهُ ٱلشِّعۡرَ وَمَا يَنۢبَغِي لَهُۥٓۚ إِنۡ هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ وَقُرۡءَانٞ مُّبِينٞ

Ary tsy nampianarinay tononkalo izy [ Mohammad ], sady tsy mendrika azy mihitsy izany.Tsy inona izany fa fampahatsiahivana sy vakiteny mazava (Koroany). info
التفاسير:

external-link copy
70 : 36

لِّيُنذِرَ مَن كَانَ حَيّٗا وَيَحِقَّ ٱلۡقَوۡلُ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ

Mba hampitandremany izay velona, ary ho tanteraka amin’ireo tsy mpino ny teny [Famaizana]. info
التفاسير: