ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
16 : 33

قُل لَّن يَنفَعَكُمُ ٱلۡفِرَارُ إِن فَرَرۡتُم مِّنَ ٱلۡمَوۡتِ أَوِ ٱلۡقَتۡلِ وَإِذٗا لَّا تُمَتَّعُونَ إِلَّا قَلِيلٗا

Teneno (ry Mohammad) hoe : “Tsy hisy tombony ho anareo mihitsy ny fandosirana, raha ny fahafatesana (tsy hisy ady) na ny famonoana amin’ny ady no andosiranareo. Noho izany dia tsy hanana fahafinaretana afa-tsy kely ihany ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 33

قُلۡ مَن ذَا ٱلَّذِي يَعۡصِمُكُم مِّنَ ٱللَّهِ إِنۡ أَرَادَ بِكُمۡ سُوٓءًا أَوۡ أَرَادَ بِكُمۡ رَحۡمَةٗۚ وَلَا يَجِدُونَ لَهُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ وَلِيّٗا وَلَا نَصِيرٗا

Teneno (ry Mohammad) hoe : “Iza ary no afaka hiaro anareo amin’i Allah raha ny sitrany ho anareo ny ratsy, na ny sitrany ho anareo ny famindram-pò ?” Ary tsy ahita izy ireo ivelan’i Allah, ho mpiaro na mpanavotra. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 33

۞ قَدۡ يَعۡلَمُ ٱللَّهُ ٱلۡمُعَوِّقِينَ مِنكُمۡ وَٱلۡقَآئِلِينَ لِإِخۡوَٰنِهِمۡ هَلُمَّ إِلَيۡنَاۖ وَلَا يَأۡتُونَ ٱلۡبَأۡسَ إِلَّا قَلِيلًا

Tena fantatr’i Allah ireo mpametraka sakana sy ireo izay mpiteny amin’ny rahalahin’izy ireo hoe : “Avia aty aminay ianareo”, nefa zara raha tonga miatrika ady izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 33

أَشِحَّةً عَلَيۡكُمۡۖ فَإِذَا جَآءَ ٱلۡخَوۡفُ رَأَيۡتَهُمۡ يَنظُرُونَ إِلَيۡكَ تَدُورُ أَعۡيُنُهُمۡ كَٱلَّذِي يُغۡشَىٰ عَلَيۡهِ مِنَ ٱلۡمَوۡتِۖ فَإِذَا ذَهَبَ ٱلۡخَوۡفُ سَلَقُوكُم بِأَلۡسِنَةٍ حِدَادٍ أَشِحَّةً عَلَى ٱلۡخَيۡرِۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَمۡ يُؤۡمِنُواْ فَأَحۡبَطَ ٱللَّهُ أَعۡمَٰلَهُمۡۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٗا

Kahihitra izy ireo eo anatrehanareo. Ary raha tonga amin’izy ireo ny tahotra, dia hitanao izy ireo mijery anao amin’ny maso mivadibadika tahaka ny olona torana nohon'ny tahotry ny fahafatesana. Ary rehefa miala ny tahotra, dia mampiaka-peo aminareo amin’ny fiteny henjana izy ireo, nefa kahihitra amin’ny tsara izy ireny no tsy nino. Fa nataon’i Allah ihany ny asan’izy ireo. Izany dia mora amin’i Allah. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 33

يَحۡسَبُونَ ٱلۡأَحۡزَابَ لَمۡ يَذۡهَبُواْۖ وَإِن يَأۡتِ ٱلۡأَحۡزَابُ يَوَدُّواْ لَوۡ أَنَّهُم بَادُونَ فِي ٱلۡأَعۡرَابِ يَسۡـَٔلُونَ عَنۡ أَنۢبَآئِكُمۡۖ وَلَوۡ كَانُواْ فِيكُم مَّا قَٰتَلُوٓاْ إِلَّا قَلِيلٗا

Mihevitra izy ireo fa tsy nandeha ireo antoko (mpiara-dia). Nefa raha tonga ireo antoko (mpiara-dia), dia maniry raha mba ho arabo tambanivohitra izy ireo sy manontany ireo vaovao momba anareo. Ary raha niaraka taminareo izy ireo, dia tsy mba niady afa-tsy ny vitsy an’isa ihany. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 33

لَّقَدۡ كَانَ لَكُمۡ فِي رَسُولِ ٱللَّهِ أُسۡوَةٌ حَسَنَةٞ لِّمَن كَانَ يَرۡجُواْ ٱللَّهَ وَٱلۡيَوۡمَ ٱلۡأٓخِرَ وَذَكَرَ ٱللَّهَ كَثِيرٗا

Tena manana ohatra faka-tahaka tsara arahina indrindra ianareo amin’ny Irak’i Allah, ho an’izay manantena an’i Allah sy ny Andro farany, ary mahatsiaro an’i Allah hatrany. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 33

وَلَمَّا رَءَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ٱلۡأَحۡزَابَ قَالُواْ هَٰذَا مَا وَعَدَنَا ٱللَّهُ وَرَسُولُهُۥ وَصَدَقَ ٱللَّهُ وَرَسُولُهُۥۚ وَمَا زَادَهُمۡ إِلَّآ إِيمَٰنٗا وَتَسۡلِيمٗا

Ary raha nahita ireo antoko (mpiara-dia) ireo mpino, dia niteny izy ireo hoe : “Indro izay nampanantenain’i Allah sy ny Irany anay, ary nilaza ny marina Allah sy ny Irany”. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny finoana sy ny fanoloran-tena tamin’izy ireo izany. info
التفاسير: