ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

external-link copy
31 : 24

وَقُل لِّلۡمُؤۡمِنَٰتِ يَغۡضُضۡنَ مِنۡ أَبۡصَٰرِهِنَّ وَيَحۡفَظۡنَ فُرُوجَهُنَّ وَلَا يُبۡدِينَ زِينَتَهُنَّ إِلَّا مَا ظَهَرَ مِنۡهَاۖ وَلۡيَضۡرِبۡنَ بِخُمُرِهِنَّ عَلَىٰ جُيُوبِهِنَّۖ وَلَا يُبۡدِينَ زِينَتَهُنَّ إِلَّا لِبُعُولَتِهِنَّ أَوۡ ءَابَآئِهِنَّ أَوۡ ءَابَآءِ بُعُولَتِهِنَّ أَوۡ أَبۡنَآئِهِنَّ أَوۡ أَبۡنَآءِ بُعُولَتِهِنَّ أَوۡ إِخۡوَٰنِهِنَّ أَوۡ بَنِيٓ إِخۡوَٰنِهِنَّ أَوۡ بَنِيٓ أَخَوَٰتِهِنَّ أَوۡ نِسَآئِهِنَّ أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُنَّ أَوِ ٱلتَّٰبِعِينَ غَيۡرِ أُوْلِي ٱلۡإِرۡبَةِ مِنَ ٱلرِّجَالِ أَوِ ٱلطِّفۡلِ ٱلَّذِينَ لَمۡ يَظۡهَرُواْ عَلَىٰ عَوۡرَٰتِ ٱلنِّسَآءِۖ وَلَا يَضۡرِبۡنَ بِأَرۡجُلِهِنَّ لِيُعۡلَمَ مَا يُخۡفِينَ مِن زِينَتِهِنَّۚ وَتُوبُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ جَمِيعًا أَيُّهَ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ

Ary teneno amin’ireo vehivavy mpino mba hampiondrika ny fijerin’izy ireo sy hitahiry ny fahadiovam-pitondran-tenany, ary tsy haneho ny haingony afa-tsy izay miseho amin’izany, ary aoka izy ireo hampidina ny lamba fisalorany eo amin’ny tratrany. Ary tsy haneho ny haingon’izy ireo afa-tsy amin’ny vadin’izy ireo, na amin’ny rain’izy ireo, na amin’ireo rafozan-dahin’izy ireo, na amin’ny zanak’izy ireo, na amin’ny zana-badin’izy ireo, na amin’ny anadahin’izy ireo, na amin’ny zanak’anadahin’izy ireo, na amin’ny zana-drahavavin’izy ireo, na amin’ireo vehivavy mpino silamo, na amin’ireo mpanompo eo am-pelatànan’izy ireo, na amin’ireo mpiasa lahy ao an-trano, tsy manana hery (hanao firaisana), na amin’ireo zazalahy (tsy ampy taona) mbola tsy mahafantatra ny henatry ny vehivavy. Ary aoka izy ireo tsy hanakapoka ny tongony amim-pamindràna ka ahafantarana izay afeniny amin’ireo haingony, ary mibebaha ianareo rehetra eo anatrehan’I Allah ry mpino ! Angamba hahazo fahombiazana ianareo. info
التفاسير: