ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
44 : 24

يُقَلِّبُ ٱللَّهُ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةٗ لِّأُوْلِي ٱلۡأَبۡصَٰرِ

Mampifandimby ny alina sy ny andro I Allah. Tena marina fa amin’izany dia misy ny fisintonan-tsaina handinika ho an’ireo izay manam-paharetana. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 24

وَٱللَّهُ خَلَقَ كُلَّ دَآبَّةٖ مِّن مَّآءٖۖ فَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰ بَطۡنِهِۦ وَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰ رِجۡلَيۡنِ وَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰٓ أَرۡبَعٖۚ يَخۡلُقُ ٱللَّهُ مَا يَشَآءُۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ

Ary I Allah dia nahary ny biby rehetra avy amin’ny rano, ka misy amin’izy ireny no mikisaka amin’ny kibony, ny hafa dia mandeha amin’ny tongotra roa, ary misy ihany koa mandeha amin’ny tongotra efatra. Ary I Allah dia nahary izay sitrany, ary marina fa I Allah dia mahefa ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 24

لَّقَدۡ أَنزَلۡنَآ ءَايَٰتٖ مُّبَيِّنَٰتٖۚ وَٱللَّهُ يَهۡدِي مَن يَشَآءُ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ

Efa nampidininay tokoa ireo fanambarana mazava, ary I Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny lalana mahitsy. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 24

وَيَقُولُونَ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَبِٱلرَّسُولِ وَأَطَعۡنَا ثُمَّ يَتَوَلَّىٰ فَرِيقٞ مِّنۡهُم مِّنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَۚ وَمَآ أُوْلَٰٓئِكَ بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Ary niteny izy ireo hoe : “Mino an’I Allah sy ny Irany izahay, ary mankato Azy”. Ary taorian’izany, nisy andiany iray tamin’izy ireo nitodi-damosina (nivadika), izy ireny dia tsy mba mpino mihitsy. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 24

وَإِذَا دُعُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ إِذَا فَرِيقٞ مِّنۡهُم مُّعۡرِضُونَ

Ary raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany izy ireo mba hitsarany azy ireo, dia indro misy andiany tamin’izy ireo manohitra izany tanteraka. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 24

وَإِن يَكُن لَّهُمُ ٱلۡحَقُّ يَأۡتُوٓاْ إِلَيۡهِ مُذۡعِنِينَ

Nefa raha nanana ny fahamarinana izy ireo, dia tonga teo Aminy izy ireo amim-panetren-tena. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 24

أَفِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ أَمِ ٱرۡتَابُوٓاْ أَمۡ يَخَافُونَ أَن يَحِيفَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡ وَرَسُولُهُۥۚ بَلۡ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ

Moa ve misy aretina ao am-pon’izy ireo ? Na miahiahy izy ireo, ka matahotra sao hitongilana amin’izy ireo (ny fitsaran)I Allah sy ny Irany ? Tsia ! Fa izy ireny no mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 24

إِنَّمَا كَانَ قَوۡلَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ إِذَا دُعُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ أَن يَقُولُواْ سَمِعۡنَا وَأَطَعۡنَاۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ

Ny teny tokan’ireo mpino, raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany, mba hitsarany azy ireo dia ny hoe : “ Henonay sy ankatoavinay ”, izy ireny no hahazo fahombiazana. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 24

وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَيَخۡشَ ٱللَّهَ وَيَتَّقۡهِ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَآئِزُونَ

Ary na iza na iza mankato an’I Allah sy ny Irany, ary manetry tena amin’I Allah sy matahotra Azy, dia izy ireny no hahazo fahasambarana. info
التفاسير:

external-link copy
53 : 24

۞ وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَئِنۡ أَمَرۡتَهُمۡ لَيَخۡرُجُنَّۖ قُل لَّا تُقۡسِمُواْۖ طَاعَةٞ مَّعۡرُوفَةٌۚ إِنَّ ٱللَّهَ خَبِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ

Ary mianiana amin’I Allah izy ireo amin’ny fianianana manetriketrika, fa raha mandidy azy ireo ianao, dia hivoaka tokoa izy ireo (amin’ny ady), dia teneno hoe : “Koa aza mianiana àry ianareo, (efa fantatray tsara) ny fankatoavanareo (am-bava), fa tena mahalala tsara izay ataonareo I Allah”. info
التفاسير: