ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
90 : 23

بَلۡ أَتَيۡنَٰهُم بِٱلۡحَقِّ وَإِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ

Nefa noentinay tamin’izy ireo ny fahamarinana, ary tena marina fa mpandainga izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
91 : 23

مَا ٱتَّخَذَ ٱللَّهُ مِن وَلَدٖ وَمَا كَانَ مَعَهُۥ مِنۡ إِلَٰهٍۚ إِذٗا لَّذَهَبَ كُلُّ إِلَٰهِۭ بِمَا خَلَقَ وَلَعَلَا بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖۚ سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يَصِفُونَ

Tsy manan-janaka velively Allah, ary tsy misy zanahary hafa miaraka Aminy. Raha tsy izany dia samy handeha hiaraka amin’izay nohariany avy ny zanahary tsirairay. Ary ny sasany amin’izy ireo dia ho lasa ambonimbony noho ny hafa. Ho an’i Allah anie ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Izy no ambony indrindra amin’izay faritan’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
92 : 23

عَٰلِمِ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِ فَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ

(Izy no) Mahalala ny zava-miafina sy ny hita maso ! Ary Izy dia ambony lavitra noho izay ankamban’izy ireo Aminy ! info
التفاسير:

external-link copy
93 : 23

قُل رَّبِّ إِمَّا تُرِيَنِّي مَا يُوعَدُونَ

Teneno hoe : “Tompo ô ! Raha sanatria ka asehonao ahy izay ampanantenainao azy ireo." info
التفاسير:

external-link copy
94 : 23

رَبِّ فَلَا تَجۡعَلۡنِي فِي ٱلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ

"Tompo ô ! Aza atao ho anisan’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho !” info
التفاسير:

external-link copy
95 : 23

وَإِنَّا عَلَىٰٓ أَن نُّرِيَكَ مَا نَعِدُهُمۡ لَقَٰدِرُونَ

Ary ho afaka tokoa hampiseho aminao izay nampanantenanay azy ireo Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
96 : 23

ٱدۡفَعۡ بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُ ٱلسَّيِّئَةَۚ نَحۡنُ أَعۡلَمُ بِمَا يَصِفُونَ

Atoseho amin’ny alalan’izay tena tsara ny ratsy. Izahay no tena mahalala izay faritan’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
97 : 23

وَقُل رَّبِّ أَعُوذُ بِكَ مِنۡ هَمَزَٰتِ ٱلشَّيَٰطِينِ

Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mangataka fiarovana Aminao aho, mba hanoherana ireo fanangolen’ireo satana." info
التفاسير:

external-link copy
98 : 23

وَأَعُوذُ بِكَ رَبِّ أَن يَحۡضُرُونِ

" Ary mangata-piarovana Aminao ihany koa aho ry Tompo, mba tsy hanatonan’izy ireo ahy”. info
التفاسير:

external-link copy
99 : 23

حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءَ أَحَدَهُمُ ٱلۡمَوۡتُ قَالَ رَبِّ ٱرۡجِعُونِ

Koa rehefa tonga amin’ny anankiray amin’izy ireo ny fahafatesana, dia hiteny izy hoe : ”Ry Tompoko ! avereno indray (eny ambonin’ny tany) aho. info
التفاسير:

external-link copy
100 : 23

لَعَلِّيٓ أَعۡمَلُ صَٰلِحٗا فِيمَا تَرَكۡتُۚ كَلَّآۚ إِنَّهَا كَلِمَةٌ هُوَ قَآئِلُهَاۖ وَمِن وَرَآئِهِم بَرۡزَخٌ إِلَىٰ يَوۡمِ يُبۡعَثُونَ

"Mba hanaovako ny tsara tamin’izay navelako”. Tsia ! Izany dia teny lazaina fotsiny ihany. Ary aorian’izy ireo anefa dia misy sakana (barzakh) hatramin’ny andro izay hananganana azy ireo amin’ny maty. info
التفاسير:

external-link copy
101 : 23

فَإِذَا نُفِخَ فِي ٱلصُّورِ فَلَآ أَنسَابَ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَئِذٖ وَلَا يَتَسَآءَلُونَ

Ary raha ho tsofina ny Trompeta (Anjomara) dia tsy hisy intsony ny fihavanana amin’izy ireo amin’izany andro izany, ary tsy hifanontany izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
102 : 23

فَمَن ثَقُلَتۡ مَوَٰزِينُهُۥ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ

Ka izay mavesatra ny mizànany, dia izy ireny no olon-tsambatra. info
التفاسير:

external-link copy
103 : 23

وَمَنۡ خَفَّتۡ مَوَٰزِينُهُۥ فَأُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ خَسِرُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ فِي جَهَنَّمَ خَٰلِدُونَ

Fa ireo izay maivana kosa ny mizànany, dia maty antoka ny tenan'izy ireo, ka hitoetra ao anatin’ny afobe mandrakizay izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
104 : 23

تَلۡفَحُ وُجُوهَهُمُ ٱلنَّارُ وَهُمۡ فِيهَا كَٰلِحُونَ

Handoro ny tavan’izy ireo ny afo, ary hikainkona ny molotr’izy ireo amin’izany. info
التفاسير: