ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
76 : 17

وَإِن كَادُواْ لَيَسۡتَفِزُّونَكَ مِنَ ٱلۡأَرۡضِ لِيُخۡرِجُوكَ مِنۡهَاۖ وَإِذٗا لَّا يَلۡبَثُونَ خِلَٰفَكَ إِلَّا قَلِيلٗا

Ary saika hanelingelina anao hiala ny tanàna izy ireo, mba handroahan’izy ireo anao avy ao. Ary rehefa izany dia tsy hipetraka afa-tsy fotoana kely aorianao izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
77 : 17

سُنَّةَ مَن قَدۡ أَرۡسَلۡنَا قَبۡلَكَ مِن رُّسُلِنَاۖ وَلَا تَجِدُ لِسُنَّتِنَا تَحۡوِيلًا

Toy izany no sori-dalana izay efa nampiharinay tamin’ireo Irakay teo alohanao. Ary tsy hahita fiovana velively amin’ny sori-dalanay ianao. info
التفاسير:

external-link copy
78 : 17

أَقِمِ ٱلصَّلَوٰةَ لِدُلُوكِ ٱلشَّمۡسِ إِلَىٰ غَسَقِ ٱلَّيۡلِ وَقُرۡءَانَ ٱلۡفَجۡرِۖ إِنَّ قُرۡءَانَ ٱلۡفَجۡرِ كَانَ مَشۡهُودٗا

Tanteraho ny Soalat (vavaka) amin’ny fitongilanan’ny masoandro mandra-pahatongan’ny haizin’ny alina, ary koa ny famakiana amin’ny vao mangiran-dratsy. Marina fa ny famakiana amin’ny vao mangiran-dratsy dia misy vavolombelona. info
التفاسير:

external-link copy
79 : 17

وَمِنَ ٱلَّيۡلِ فَتَهَجَّدۡ بِهِۦ نَافِلَةٗ لَّكَ عَسَىٰٓ أَن يَبۡعَثَكَ رَبُّكَ مَقَامٗا مَّحۡمُودٗا

Ary manokàna ny ampahan’ny alina, amin’ny fanatanterahana ny fanompoana fanampiny ho anao (Tahadjoud), mba hananganan’ny Tomponao anao amin’ny toerana mendri-piderana. info
التفاسير:

external-link copy
80 : 17

وَقُل رَّبِّ أَدۡخِلۡنِي مُدۡخَلَ صِدۡقٖ وَأَخۡرِجۡنِي مُخۡرَجَ صِدۡقٖ وَٱجۡعَل لِّي مِن لَّدُنكَ سُلۡطَٰنٗا نَّصِيرٗا

Ary mitenena hoe : “Tompoko ô ! Ampidiro amin’ny fidirana mifanaraka amin’ny fahamarinana aho, ary avoahy amin’ny fivoahana mifanaraka amin’ny fahamarinana ary omeo fahefana tena mahavonjy avy Aminao aho”. info
التفاسير:

external-link copy
81 : 17

وَقُلۡ جَآءَ ٱلۡحَقُّ وَزَهَقَ ٱلۡبَٰطِلُۚ إِنَّ ٱلۡبَٰطِلَ كَانَ زَهُوقٗا

Ary mitenena hoe : “Tonga ny fahamarinana (Finoana Islamo) ary nanjavona ny hadisoana. Marina fa ny hadisoana dia natao hanjavona”. info
التفاسير:

external-link copy
82 : 17

وَنُنَزِّلُ مِنَ ٱلۡقُرۡءَانِ مَا هُوَ شِفَآءٞ وَرَحۡمَةٞ لِّلۡمُؤۡمِنِينَ وَلَا يَزِيدُ ٱلظَّٰلِمِينَ إِلَّا خَسَارٗا

Ary ampidininay miaraka amin’ny Kor’any, izay fanasitranana sy famindram-po ho an’ireo mpino.Ary tsy mampitombo afa-tsy fahaverezana amin’ireo mpanao ny tsy rariny izany. info
التفاسير:

external-link copy
83 : 17

وَإِذَآ أَنۡعَمۡنَا عَلَى ٱلۡإِنسَٰنِ أَعۡرَضَ وَنَـَٔا بِجَانِبِهِۦ وَإِذَا مَسَّهُ ٱلشَّرُّ كَانَ يَـُٔوسٗا

Ary raha fenoinay fahasoavana ny olombelona, dia mitodi-damosina sy mivily lalana izy, fa raha misy ratsy mianjady aminy kosa, dia ketraka tanteraka izy. info
التفاسير:

external-link copy
84 : 17

قُلۡ كُلّٞ يَعۡمَلُ عَلَىٰ شَاكِلَتِهِۦ فَرَبُّكُمۡ أَعۡلَمُ بِمَنۡ هُوَ أَهۡدَىٰ سَبِيلٗا

Mitenena hoe : “Ny tsirairay dia samy manao araka ny fombany, fa ny Tomponareo dia tena mahalala izay mizotra amin’ny lala-mahitsy indrindra”. info
التفاسير:

external-link copy
85 : 17

وَيَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلرُّوحِۖ قُلِ ٱلرُّوحُ مِنۡ أَمۡرِ رَبِّي وَمَآ أُوتِيتُم مِّنَ ٱلۡعِلۡمِ إِلَّا قَلِيلٗا

Ary manontany anao izy ireo momban'ny fanahy.Teneno hoe : “Ny fanahy dia eo ambany fiadidian’ny Tompoko”. Ary tsy nomena fahalalana ianareo afa-tsy kely ihany”. info
التفاسير:

external-link copy
86 : 17

وَلَئِن شِئۡنَا لَنَذۡهَبَنَّ بِٱلَّذِيٓ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ ثُمَّ لَا تَجِدُ لَكَ بِهِۦ عَلَيۡنَا وَكِيلًا

Ary raha sitrakay, dia nataonay nanjavona izay nambaranay taminao ary tsy hahita mpiaro intsony ianao hanohitra Anay. info
التفاسير: