क़ुरआन के अर्थों का अनुवाद - मालागासी अनुवाद - अनुवाद अग्रदूत केंद्र

पृष्ठ संख्या:close

external-link copy
91 : 5

إِنَّمَا يُرِيدُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَن يُوقِعَ بَيۡنَكُمُ ٱلۡعَدَٰوَةَ وَٱلۡبَغۡضَآءَ فِي ٱلۡخَمۡرِ وَٱلۡمَيۡسِرِ وَيَصُدَّكُمۡ عَن ذِكۡرِ ٱللَّهِ وَعَنِ ٱلصَّلَوٰةِۖ فَهَلۡ أَنتُم مُّنتَهُونَ

Tena marina fa i Satana dia mila handatsaka anareo ao anaty fifanoherana sy ny fifankahalana avy amin’ny toaka sy ny loka, ary hanakana anareo amin’ny fahatsiarovana an'I Allah sy amin’ny vavaka fanompoana. Ka moa ve hitsahatra amin’izany ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
92 : 5

وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَ وَٱحۡذَرُواْۚ فَإِن تَوَلَّيۡتُمۡ فَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّمَا عَلَىٰ رَسُولِنَا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ

Ary ankatoavinareo I Allah sy ankatoavinareo ihany koa ny Iraka ary mitandrema ianareo ! Ka raha mitodi-damosina ianareo dia fantaro fa ny tena adidin’ny Irakay dia ny fampitana ny hafatra mazava ihany. info
التفاسير:

external-link copy
93 : 5

لَيۡسَ عَلَى ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جُنَاحٞ فِيمَا طَعِمُوٓاْ إِذَا مَا ٱتَّقَواْ وَّءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ ثُمَّ ٱتَّقَواْ وَّءَامَنُواْ ثُمَّ ٱتَّقَواْ وَّأَحۡسَنُواْۚ وَٱللَّهُ يُحِبُّ ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Tsy hananan’ireo izay nino sy nanao asa soa tsiny ny amin’izay nohanin’izy ireo tany aloha raha natahotra sy nanao asa soa izy ireo, avy eo natahotra sy nino izy ireo, avy eo ihany koa natahotra sy nanao soa. Ary I Allah dia tia ireo mpanao soa. info
التفاسير:

external-link copy
94 : 5

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَيَبۡلُوَنَّكُمُ ٱللَّهُ بِشَيۡءٖ مِّنَ ٱلصَّيۡدِ تَنَالُهُۥٓ أَيۡدِيكُمۡ وَرِمَاحُكُمۡ لِيَعۡلَمَ ٱللَّهُ مَن يَخَافُهُۥ بِٱلۡغَيۡبِۚ فَمَنِ ٱعۡتَدَىٰ بَعۡدَ ذَٰلِكَ فَلَهُۥ عَذَابٌ أَلِيمٞ

O ianareo mpino ! Tena ho tsapain’I Allah ianareo amin’ny haza azon’ny tananareo sy ny lefonareo, mba ahafantaran’I Allah izay matahotra Azy ankiafina. Ka n'iza n'iza mandika ny didy aman-dalàna aorian’izany dia ho azy ny sazy mamirifiry info
التفاسير:

external-link copy
95 : 5

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَقۡتُلُواْ ٱلصَّيۡدَ وَأَنتُمۡ حُرُمٞۚ وَمَن قَتَلَهُۥ مِنكُم مُّتَعَمِّدٗا فَجَزَآءٞ مِّثۡلُ مَا قَتَلَ مِنَ ٱلنَّعَمِ يَحۡكُمُ بِهِۦ ذَوَا عَدۡلٖ مِّنكُمۡ هَدۡيَۢا بَٰلِغَ ٱلۡكَعۡبَةِ أَوۡ كَفَّٰرَةٞ طَعَامُ مَسَٰكِينَ أَوۡ عَدۡلُ ذَٰلِكَ صِيَامٗا لِّيَذُوقَ وَبَالَ أَمۡرِهِۦۗ عَفَا ٱللَّهُ عَمَّا سَلَفَۚ وَمَنۡ عَادَ فَيَنتَقِمُ ٱللَّهُ مِنۡهُۚ وَٱللَّهُ عَزِيزٞ ذُو ٱنتِقَامٍ

O ianareo mpino ! Aza mamono biby fihaza ianareo raha mbola ao anatin’ny Ihram . Ary izay mamono izany aminareo an-tsitrapo dia manolo mitovy amin’ izay biby novonoiny izy, ka hitsara izany ny olona roa azo antoka avy aminareo, ho fanatitra amin’ny Ka’aba , na ny onitra dia ny fampihinanana sakafo ireo mahantra, na ny fifehezana mifandanja amin’izany, mba hanandramany ny voka-dratsin’ny asa izay nataony. Namela izay efa lasa i Allah, ary izay mamerina dia ho sazin’i Allah. Ary Allah dia Mahery sy Tompon’ny fanasaziana. info
التفاسير: