કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર

પેજ નંબર:close

external-link copy
19 : 44

وَأَن لَّا تَعۡلُواْ عَلَى ٱللَّهِۖ إِنِّيٓ ءَاتِيكُم بِسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٖ

Aza manambon'ny tena eo anatrehan’I Allah ianareo, fa mitondra porofo mazava ho anareo aho. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 44

وَإِنِّي عُذۡتُ بِرَبِّي وَرَبِّكُمۡ أَن تَرۡجُمُونِ

Ary mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba tsy ho torahanareo. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 44

وَإِن لَّمۡ تُؤۡمِنُواْ لِي فَٱعۡتَزِلُونِ

Ary raha tsy te-hino ahy ianareo, dia manalavira ahy.” info
التفاسير:

external-link copy
22 : 44

فَدَعَا رَبَّهُۥٓ أَنَّ هَٰٓؤُلَآءِ قَوۡمٞ مُّجۡرِمُونَ

Dia niantso ny Tompony izy hoe: “ Olona mpanao ratsy tokoa izy ireo ! ”. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 44

فَأَسۡرِ بِعِبَادِي لَيۡلًا إِنَّكُم مُّتَّبَعُونَ

Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao;fa hisy hanaraka ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 44

وَٱتۡرُكِ ٱلۡبَحۡرَ رَهۡوًاۖ إِنَّهُمۡ جُندٞ مُّغۡرَقُونَ

Avelao ho tony araka izao ny ranomasina, fa tafika ho maty an-drano izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 44

كَمۡ تَرَكُواْ مِن جَنَّٰتٖ وَعُيُونٖ

Firifiry ireo zaridaina sy loharano navelan’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 44

وَزُرُوعٖ وَمَقَامٖ كَرِيمٖ

Ireo saha sy fonenana mahafinaritra info
التفاسير:

external-link copy
27 : 44

وَنَعۡمَةٖ كَانُواْ فِيهَا فَٰكِهِينَ

Ny fahafinaretana nifalian’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 44

كَذَٰلِكَۖ وَأَوۡرَثۡنَٰهَا قَوۡمًا ءَاخَرِينَ

Toy izany no niseho, ka nampandovanay vahoaka hafa izany. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 44

فَمَا بَكَتۡ عَلَيۡهِمُ ٱلسَّمَآءُ وَٱلۡأَرۡضُ وَمَا كَانُواْ مُنظَرِينَ

Tsy nisy nitomany azy ireo, na ny lanitra, na ny tany, sady tsy nahazo fanemoram-potoana intsony izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 44

وَلَقَدۡ نَجَّيۡنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ مِنَ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡمُهِينِ

Ary navotanay tamin’ny famaizana mahafabaraka ireo zanak’Israely, info
التفاسير:

external-link copy
31 : 44

مِن فِرۡعَوۡنَۚ إِنَّهُۥ كَانَ عَالِيٗا مِّنَ ٱلۡمُسۡرِفِينَ

Tamin’i Faraona, izay mpanambon'ny tena, isan’ireo mpanao ny tafahoatra. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 44

وَلَقَدِ ٱخۡتَرۡنَٰهُمۡ عَلَىٰ عِلۡمٍ عَلَى ٱلۡعَٰلَمِينَ

Hamafisina, fa nofidiay teo anivon’izao tontolo izao izy ireo tamim-pahalalana tanteraka. info
التفاسير:

external-link copy
33 : 44

وَءَاتَيۡنَٰهُم مِّنَ ٱلۡأٓيَٰتِ مَا فِيهِ بَلَٰٓؤٞاْ مُّبِينٌ

Ka nitondranay fahagagana izy ireo, izay misy fitsapana miharihary ho azy. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 44

إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ لَيَقُولُونَ

Milaza izy ireny (mponin'i Makkat) hoe: info
التفاسير:

external-link copy
35 : 44

إِنۡ هِيَ إِلَّا مَوۡتَتُنَا ٱلۡأُولَىٰ وَمَا نَحۡنُ بِمُنشَرِينَ

Tsy misy afa-tsy ny fahafatesana iray voalohany ihany ho anay. Ary tsy hatsangana amin’ny maty izahay. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 44

فَأۡتُواْ بِـَٔابَآئِنَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ

Avereno àry ireo razambenay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.” info
التفاسير:

external-link copy
37 : 44

أَهُمۡ خَيۡرٌ أَمۡ قَوۡمُ تُبَّعٖ وَٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ أَهۡلَكۡنَٰهُمۡۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ مُجۡرِمِينَ

Mendrika kokoa va izy ireo nohon'ny vahoakan’i Tobba, sy ireo talohan’izy ireo ? Naringanay izy ireo, fa tena olon-dratsy. info
التفاسير:

external-link copy
38 : 44

وَمَا خَلَقۡنَا ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَا لَٰعِبِينَ

Tsy ho kilalao no naharianay ny lanitra sy ny tany, ary izay eo anelanelan’izany. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 44

مَا خَلَقۡنَٰهُمَآ إِلَّا بِٱلۡحَقِّ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ

Fa tamim-pahamarinana tokoa no naharianay azy ireny. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo. info
التفاسير: