કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર

પેજ નંબર:close

external-link copy
25 : 30

وَمِنۡ ءَايَٰتِهِۦٓ أَن تَقُومَ ٱلسَّمَآءُ وَٱلۡأَرۡضُ بِأَمۡرِهِۦۚ ثُمَّ إِذَا دَعَاكُمۡ دَعۡوَةٗ مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ إِذَآ أَنتُمۡ تَخۡرُجُونَ

Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fijadonan’ny lanitra sy ny tany, amin’ny alalan’ny didiny, avy eo rehefa miantso anareo Izy, avy amin’ny tany, amin’ny antso iray, dia indro fa hipoitra ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 30

وَلَهُۥ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ كُلّٞ لَّهُۥ قَٰنِتُونَ

Ary Azy izay rehetra amin’ireo lanitra sy ny tany; samy mankatò Azy tanteraka izao rehetra izao. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 30

وَهُوَ ٱلَّذِي يَبۡدَؤُاْ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥ وَهُوَ أَهۡوَنُ عَلَيۡهِۚ وَلَهُ ٱلۡمَثَلُ ٱلۡأَعۡلَىٰ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ

Ary Izy no nanomboka ilay fahariana, avy eo mamerina izany indray; ary izany dia mora kokoa Aminy. Azy ny fahamboniana avo indrindra ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 30

ضَرَبَ لَكُم مَّثَلٗا مِّنۡ أَنفُسِكُمۡۖ هَل لَّكُم مِّن مَّا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُم مِّن شُرَكَآءَ فِي مَا رَزَقۡنَٰكُمۡ فَأَنتُمۡ فِيهِ سَوَآءٞ تَخَافُونَهُمۡ كَخِيفَتِكُمۡ أَنفُسَكُمۡۚ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ ٱلۡأٓيَٰتِ لِقَوۡمٖ يَعۡقِلُونَ

Nanome fanoharana ho anareo Izy, avy amin’ny tenanareo ihany : moa ataonareo mpiara-miombon’antoka aminareo ve ireo andevonareo, amin’ny fananana izay nomenay anareo, ka ianareo amin’izany dia mitovy (amin’ny fananana), ary hatahotra azy ireo tahaka ny fatahoranareo ny tenanareo ? Toy izany no hamelabelaranay ireo fanambarana ho an’ny vahoaka misaina. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 30

بَلِ ٱتَّبَعَ ٱلَّذِينَ ظَلَمُوٓاْ أَهۡوَآءَهُم بِغَيۡرِ عِلۡمٖۖ فَمَن يَهۡدِي مَنۡ أَضَلَّ ٱللَّهُۖ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ

Nefa ireo izay nanao ny tsy rariny dia nanaraka ny hetahetam-pon’izy ireo, tsy amim-pahalalana. Fa iza àry no hitari-dàlana izay noverezin’i Allah ? Ary tsy manana mpanavotra izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 30

فَأَقِمۡ وَجۡهَكَ لِلدِّينِ حَنِيفٗاۚ فِطۡرَتَ ٱللَّهِ ٱلَّتِي فَطَرَ ٱلنَّاسَ عَلَيۡهَاۚ لَا تَبۡدِيلَ لِخَلۡقِ ٱللَّهِۚ ذَٰلِكَ ٱلدِّينُ ٱلۡقَيِّمُ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ

Koa atsangano ny tavanao amin’ny finoana madio (ho an’i Allah), fa izany no toetra voajanahary izay nomen’i Allah ny olombelona. Tsy misy fiovana amin’ny faharian’i Allah. Izany no finoana mahitsy, saingy ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahafantatra. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 30

۞ مُنِيبِينَ إِلَيۡهِ وَٱتَّقُوهُ وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَلَا تَكُونُواْ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ

Miverena amim-pibebahana Aminy ianareo, ary matahora Azy, manantanteràha ny vavaka (soalat) ianareo, ary aoka ianareo tsy ho anisan’ireo mpanompo sampy. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 30

مِنَ ٱلَّذِينَ فَرَّقُواْ دِينَهُمۡ وَكَانُواْ شِيَعٗاۖ كُلُّ حِزۡبِۭ بِمَا لَدَيۡهِمۡ فَرِحُونَ

Amin’ireo izay nizarazara ny finoany ka lasa antokom-pinoana maro, isaka ny antoko dia faly amin’izay ananany. info
التفاسير: