કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર

Al-mo'minona

external-link copy
1 : 23

قَدۡ أَفۡلَحَ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ

Tena sambatra tokoa ireo mpino. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 23

ٱلَّذِينَ هُمۡ فِي صَلَاتِهِمۡ خَٰشِعُونَ

Ireo izay manetri-tena amin’ny Soalat (vavaka) ataon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 23

وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَنِ ٱللَّغۡوِ مُعۡرِضُونَ

Sy ireo izay manalavitra ny rendrarendra. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 23

وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِلزَّكَوٰةِ فَٰعِلُونَ

Sy ireo izay mamoaka ny Zakat (harena fiantrana). info
التفاسير:

external-link copy
5 : 23

وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِفُرُوجِهِمۡ حَٰفِظُونَ

َAry ireo izay mitandrina ny fitaovam-pananahany amin'ny fahadiovam-pitondra-tenany. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 23

إِلَّا عَلَىٰٓ أَزۡوَٰجِهِمۡ أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَإِنَّهُمۡ غَيۡرُ مَلُومِينَ

Ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 23

فَمَنِ ٱبۡتَغَىٰ وَرَآءَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡعَادُونَ

Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa, dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 23

وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِأَمَٰنَٰتِهِمۡ وَعَهۡدِهِمۡ رَٰعُونَ

Izay mitandrina ny fananana nankinina taminy, sy manaja tanteraka ny fifanekena. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 23

وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَوَٰتِهِمۡ يُحَافِظُونَ

Sy ireo izay manatontosa an-tsakany sy an-davany ireo vavaka (Soalat). info
التفاسير:

external-link copy
10 : 23

أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡوَٰرِثُونَ

Dia izy ireny no mpandova. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 23

ٱلَّذِينَ يَرِثُونَ ٱلۡفِرۡدَوۡسَ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ

Izay handova ny Paradisa «Firdaosy», honina ao mandrakizay izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 23

وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِن سُلَٰلَةٖ مِّن طِينٖ

Tena marina fa noharianay avy amin’ny tany (maro isan-karazany) ny olombelona. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 23

ثُمَّ جَعَلۡنَٰهُ نُطۡفَةٗ فِي قَرَارٖ مَّكِينٖ

Avy eo dia Noharianay avy amin’ny tentin’ny tsirin'aina izy ireo (ka napetrakay) tao amin'ny toerana voaaro (tranon-janaka). info
التفاسير:

external-link copy
14 : 23

ثُمَّ خَلَقۡنَا ٱلنُّطۡفَةَ عَلَقَةٗ فَخَلَقۡنَا ٱلۡعَلَقَةَ مُضۡغَةٗ فَخَلَقۡنَا ٱلۡمُضۡغَةَ عِظَٰمٗا فَكَسَوۡنَا ٱلۡعِظَٰمَ لَحۡمٗا ثُمَّ أَنشَأۡنَٰهُ خَلۡقًا ءَاخَرَۚ فَتَبَارَكَ ٱللَّهُ أَحۡسَنُ ٱلۡخَٰلِقِينَ

Avy eo dia nataonay ho vaingan-drà izany tsirin'aina izany ; ary avy amin’ny vaingan-drà no nanamboaranay ny vainga-nofo ; ary avy amin’ny vainga-nofo no nanamboaranay ny taolana ; ary notafianay nofo ny taolana. Avy eo dia novanay ho fahariana hafa tanteraka izany. Ka voninahitra anie ho an’I Allah, Ilay tsara indrindra amin’ireo Mpahary ! info
التفاسير:

external-link copy
15 : 23

ثُمَّ إِنَّكُم بَعۡدَ ذَٰلِكَ لَمَيِّتُونَ

Avy eo, aorian’izany dia tena ho faty ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 23

ثُمَّ إِنَّكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ تُبۡعَثُونَ

Avy amin’ny Andro Fitsanganana dia hatsangana amin’ny maty ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 23

وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا فَوۡقَكُمۡ سَبۡعَ طَرَآئِقَ وَمَا كُنَّا عَنِ ٱلۡخَلۡقِ غَٰفِلِينَ

Eny, Nahary ny lanitra fito tokoa Izahay eo amboninareo, ary tsy mba variana amin’ny fahariana nataonay Izahay. info
التفاسير: