કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર

Al-baqarah

external-link copy
1 : 2

الٓمٓ

Alif, Làm, Mìm info
التفاسير:

external-link copy
2 : 2

ذَٰلِكَ ٱلۡكِتَٰبُ لَا رَيۡبَۛ فِيهِۛ هُدٗى لِّلۡمُتَّقِينَ

Indro ilay boky izay tsy isalasalana ny aminy, tari-dàlana ho an’ireo manampatahorana. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 2

ٱلَّذِينَ يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡغَيۡبِ وَيُقِيمُونَ ٱلصَّلَوٰةَ وَمِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ يُنفِقُونَ

Ireo izay mino ny tsy hitamaso, sy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), ka mahafoy mizara izay anjarampivelomana
azony taminay.
info
التفاسير:

external-link copy
4 : 2

وَٱلَّذِينَ يُؤۡمِنُونَ بِمَآ أُنزِلَ إِلَيۡكَ وَمَآ أُنزِلَ مِن قَبۡلِكَ وَبِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ يُوقِنُونَ

Ary ireo mino izay nampidinina taminao, sy izay nampidinina tany alohanao, ary mino tanteraka ihany koa ny fisian’ny fiainana
any an-koatra.
info
التفاسير:

external-link copy
5 : 2

أُوْلَٰٓئِكَ عَلَىٰ هُدٗى مِّن رَّبِّهِمۡۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ

Izy ireo no mizotra amin’ny làla-marina avy amin’ny Tompon’izy ireo, ary izy ireo no nahazo ny fahombiazana. info
التفاسير: