કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર

પેજ નંબર:close

external-link copy
35 : 18

وَدَخَلَ جَنَّتَهُۥ وَهُوَ ظَالِمٞ لِّنَفۡسِهِۦ قَالَ مَآ أَظُنُّ أَن تَبِيدَ هَٰذِهِۦٓ أَبَدٗا

Ary niditra tao amin’ny zaridainy izy ary nanao fahadisoana tamin’ny tenany no sady niteny hoe : “Tsy mieritreritra aho fa ho rava mihitsy ity”. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 18

وَمَآ أَظُنُّ ٱلسَّاعَةَ قَآئِمَةٗ وَلَئِن رُّدِدتُّ إِلَىٰ رَبِّي لَأَجِدَنَّ خَيۡرٗا مِّنۡهَا مُنقَلَبٗا

Ary tsy mieritreritra mihitsy aho fa ho avy ny Ora, ary raha miverina any amin’ny Tompoko aza aho dia tena hahita tsara kokoa noho izao (zaridaina izao) ho takalony. info
التفاسير:

external-link copy
37 : 18

قَالَ لَهُۥ صَاحِبُهُۥ وَهُوَ يُحَاوِرُهُۥٓ أَكَفَرۡتَ بِٱلَّذِي خَلَقَكَ مِن تُرَابٖ ثُمَّ مِن نُّطۡفَةٖ ثُمَّ سَوَّىٰكَ رَجُلٗا

Niteny azy ilay namany (mpino) teo am-piresahana aminy nanao hoe : “Moa tsy mino Ilay Nahary anao avy amin’ny tany sy (nohariany) amin’ny alalan’ny ranon'aina ary nanao anao ho olombelona ve ianao ? info
التفاسير:

external-link copy
38 : 18

لَّٰكِنَّا۠ هُوَ ٱللَّهُ رَبِّي وَلَآ أُشۡرِكُ بِرَبِّيٓ أَحَدٗا

Fa kosa, Izy Allah no Tompoko ary tsy hanambatra ny Tompoko na amin’iza na amin’iza aho. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 18

وَلَوۡلَآ إِذۡ دَخَلۡتَ جَنَّتَكَ قُلۡتَ مَا شَآءَ ٱللَّهُ لَا قُوَّةَ إِلَّا بِٱللَّهِۚ إِن تَرَنِ أَنَا۠ أَقَلَّ مِنكَ مَالٗا وَوَلَدٗا

Tamin’ny fotoana nidiranao ny zaridainao, naninona ianao no tsy mba niteny hoe : "Izaho no sitrak’I Allah ! Ary tsy misy hery ka tsy avy amin’I Allah”, rehefa hitanao fa tsy manan-karena sy kely anaka kokoa noho ianao aho. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 18

فَعَسَىٰ رَبِّيٓ أَن يُؤۡتِيَنِ خَيۡرٗا مِّن جَنَّتِكَ وَيُرۡسِلَ عَلَيۡهَا حُسۡبَانٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ فَتُصۡبِحَ صَعِيدٗا زَلَقًا

Angamba ny Tompoko hanome ahy ny tsara kokoa noho ny zaridainao ary handefa loza (amin’ilay zaridaina) avy eny an-danitra Izy, ka ho lasa tany malama (tsy hamokatra intsony) izy. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 18

أَوۡ يُصۡبِحَ مَآؤُهَا غَوۡرٗا فَلَن تَسۡتَطِيعَ لَهُۥ طَلَبٗا

Na ho lasa ritra ny ranony ka tsy afaka hahatratra izany (rano) intsony ianao. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 18

وَأُحِيطَ بِثَمَرِهِۦ فَأَصۡبَحَ يُقَلِّبُ كَفَّيۡهِ عَلَىٰ مَآ أَنفَقَ فِيهَا وَهِيَ خَاوِيَةٌ عَلَىٰ عُرُوشِهَا وَيَقُولُ يَٰلَيۡتَنِي لَمۡ أُشۡرِكۡ بِرَبِّيٓ أَحَدٗا

Ary potika tokoa ny vokatra nantenainy, ka lasa namadibadika ny tànany izy (nanenina) noho izay efa nisasarany tao, ka indro rava tanteraka hatramin’ny talantalany izany (tanim-boly) ary niteny izy nanao hoe : “Eh ! Tahaka izay aho tsy nanakambana ny Tompoko tamin’iza na iza !" info
التفاسير:

external-link copy
43 : 18

وَلَمۡ تَكُن لَّهُۥ فِئَةٞ يَنصُرُونَهُۥ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَمَا كَانَ مُنتَصِرًا

Ary tsy nisy vondron’olona afaka nanavotra azy ankoatr'I Allah ary tsy afaka nanavotra ny tenany koa izy. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 18

هُنَالِكَ ٱلۡوَلَٰيَةُ لِلَّهِ ٱلۡحَقِّۚ هُوَ خَيۡرٞ ثَوَابٗا وَخَيۡرٌ عُقۡبٗا

Ho setrin’izany, dia an’Allah, Ilay Marina ny fiarovana ambony indrindra. Izy no manome ny valisoa, sy ny vokatra tsara indrindra. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 18

وَٱضۡرِبۡ لَهُم مَّثَلَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا كَمَآءٍ أَنزَلۡنَٰهُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ فَٱخۡتَلَطَ بِهِۦ نَبَاتُ ٱلۡأَرۡضِ فَأَصۡبَحَ هَشِيمٗا تَذۡرُوهُ ٱلرِّيَٰحُۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ مُّقۡتَدِرًا

Ary anaovy fanoharana izy ireo (ry Mohamady) amin’ny fiainana eto an-tany : tahaka ny rano izay nampidininay avy any an-danitra; ka mifangaro aminy (rano) ny zava-manirin’ny tany, avy eo dia lasa ahitra maina izay aparitaky ny rivotra. Ary Allah dia mahery amin’ny zava-drehetra. info
التفاسير: