Firo maanaaji al-quraan tedduɗo oo - Eggo e ɗemngal Malagasi - Ñiiɓirde Ruwwad ngam Eggude.

Tonngoode hello ngoo:close

external-link copy
19 : 14

أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِٱلۡحَقِّۚ إِن يَشَأۡ يُذۡهِبۡكُمۡ وَيَأۡتِ بِخَلۡقٖ جَدِيدٖ

Moa ve tsy hitanao fa i Allah dia Nahary ireo lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana ? Raha sitrany dia ho nofoanany tanteraka Ianareo, ary hampisy zava-boary vaovao Izy. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 14

وَمَا ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ بِعَزِيزٖ

Ary tsy sarotra velively amin’i Allah izany. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 14

وَبَرَزُواْ لِلَّهِ جَمِيعٗا فَقَالَ ٱلضُّعَفَٰٓؤُاْ لِلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُوٓاْ إِنَّا كُنَّا لَكُمۡ تَبَعٗا فَهَلۡ أَنتُم مُّغۡنُونَ عَنَّا مِنۡ عَذَابِ ٱللَّهِ مِن شَيۡءٖۚ قَالُواْ لَوۡ هَدَىٰنَا ٱللَّهُ لَهَدَيۡنَٰكُمۡۖ سَوَآءٌ عَلَيۡنَآ أَجَزِعۡنَآ أَمۡ صَبَرۡنَا مَا لَنَا مِن مَّحِيصٖ

Ary hiseho eo anatrehan’i Allah daholo izy rehetra, ka hiteny ireo kanosa amin’ireo mpanambony tena nanao hoe : “ Izahay dia tena mpanaraka Anareo teo aloha. Moa ve Ianareo afaka hiaro Anay kely amin’ny sazin’I Allah ? ” Hiteny ireo sasany ka nanao hoe : “ Raha notarihan’i Allah làlana Izahay dia ho notarihinay làlana ihany koa Ianareo. Mitovy ihany izany ho antsika, na mitaraina na miharitra, tsy ahita làlana hivoahana mihitsy Isika. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 14

وَقَالَ ٱلشَّيۡطَٰنُ لَمَّا قُضِيَ ٱلۡأَمۡرُ إِنَّ ٱللَّهَ وَعَدَكُمۡ وَعۡدَ ٱلۡحَقِّ وَوَعَدتُّكُمۡ فَأَخۡلَفۡتُكُمۡۖ وَمَا كَانَ لِيَ عَلَيۡكُم مِّن سُلۡطَٰنٍ إِلَّآ أَن دَعَوۡتُكُمۡ فَٱسۡتَجَبۡتُمۡ لِيۖ فَلَا تَلُومُونِي وَلُومُوٓاْ أَنفُسَكُمۖ مَّآ أَنَا۠ بِمُصۡرِخِكُمۡ وَمَآ أَنتُم بِمُصۡرِخِيَّ إِنِّي كَفَرۡتُ بِمَآ أَشۡرَكۡتُمُونِ مِن قَبۡلُۗ إِنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ

Ary hiteny i Satana, rehefa tapaka ny didy rehetra ka nanao hoe : “ Marina fa i Allah dia nampanantena Anareo fampanantenàna marina, fa izaho kosa dia nampanantena Anareo (zavatra) izay tsy notanterahiko ary tsy nanana fahefana taminareo Aho, fa niantso Anareo fotsiny Aho, ary dia namaly Ahy Ianareo. Aza manome tsiny Ahy Ianareo, fa ny tenanareo no omeo tsiny. Tsy afaka hamonjy Anareo Aho, ary Ianareo koa dia tsy afaka hamonjy Ahy. Izaho dia mitsipaka tanteraka izay natambatrareo Tamiko tany aloha. Marina fa ireo mpanao ny tsy rariny dia ho azy ireo ny sazy mamirifiry. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 14

وَأُدۡخِلَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَا بِإِذۡنِ رَبِّهِمۡۖ تَحِيَّتُهُمۡ فِيهَا سَلَٰمٌ

Ary hampidirina ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ao anatin’ireo zaridaina (Paradisa) izay misy rano mikoriana ao ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo nohon'ny fanomezan-dàlan’ny Tompon’izy ireo. Ary ny fiarahabana azy ireo[89] ao dia : “ salama (fiadanana).” info
التفاسير:

external-link copy
24 : 14

أَلَمۡ تَرَ كَيۡفَ ضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلٗا كَلِمَةٗ طَيِّبَةٗ كَشَجَرَةٖ طَيِّبَةٍ أَصۡلُهَا ثَابِتٞ وَفَرۡعُهَا فِي ٱلسَّمَآءِ

Tsy hitanao va ahoana no nanaovan’i Allah fanoharana ny teny tsara ? Dia mitovy amin’ny hazo tsara iray, izay miorina tsara ny fakany, ary ny rantsany dia manakatra ny habakabaka. info
التفاسير: