ترجمهٔ معانی قرآن کریم - ترجمه‌ى مالاگاشی - مرکز ترجمه‌ى رواد

Twà-hà

external-link copy
1 : 20

طه

Toã-Hã. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 20

مَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡقُرۡءَانَ لِتَشۡقَىٰٓ

Tsy nampidina velively Taminao ny Koroany Izahay mba hampahory Anao. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 20

إِلَّا تَذۡكِرَةٗ لِّمَن يَخۡشَىٰ

Fa fampahatsiahivana ho an’izay matahotra (an’i Allah); info
التفاسير:

external-link copy
4 : 20

تَنزِيلٗا مِّمَّنۡ خَلَقَ ٱلۡأَرۡضَ وَٱلسَّمَٰوَٰتِ ٱلۡعُلَى

Nidina avy tamin’Ilay nahary ny tany sy ireo lanitra ambony. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 20

ٱلرَّحۡمَٰنُ عَلَى ٱلۡعَرۡشِ ٱسۡتَوَىٰ

Ilay be Fiantrana nitoetra eo amin’ny Seza Fiandrianana. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 20

لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا وَمَا تَحۡتَ ٱلثَّرَىٰ

Ary Azy avokoa izay any amin’ireo lanitra, sy ety an-tany, ary izay eo anelanelan’izy ireo, sy izay any ambanin’ny tany. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 20

وَإِن تَجۡهَرۡ بِٱلۡقَوۡلِ فَإِنَّهُۥ يَعۡلَمُ ٱلسِّرَّ وَأَخۡفَى

Ary raha mampiaka-peo Ianao, Izy dia mahafantatra tokoa ireo zava-miafina, na dia ireo izay tena miafina aza. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 20

ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ لَهُ ٱلۡأَسۡمَآءُ ٱلۡحُسۡنَىٰ

Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ! Azy ireo anarana tsara indrindra. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 20

وَهَلۡ أَتَىٰكَ حَدِيثُ مُوسَىٰٓ

Moa ve tonga Taminao ny tantaran’i Mosa ? info
التفاسير:

external-link copy
10 : 20

إِذۡ رَءَا نَارٗا فَقَالَ لِأَهۡلِهِ ٱمۡكُثُوٓاْ إِنِّيٓ ءَانَسۡتُ نَارٗا لَّعَلِّيٓ ءَاتِيكُم مِّنۡهَا بِقَبَسٍ أَوۡ أَجِدُ عَلَى ٱلنَّارِ هُدٗى

Raha nahita afo Izy, dia niteny tamin’ny fianakaviany ka nanao hoe : “ Mijanona eto ianareo ! Fa Izaho dia nahatazana afo tokoa erý lavitra erý, angamba hitondra tapa-porohana ho Anareo Aho, na ahita toro-làlana eo anatrehan’io afo io Aho ”. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 20

فَلَمَّآ أَتَىٰهَا نُودِيَ يَٰمُوسَىٰٓ

Ary nony tonga teo izy, dia nisy feo niantso azy hoe : “ Ry Moussa ! " info
التفاسير:

external-link copy
12 : 20

إِنِّيٓ أَنَا۠ رَبُّكَ فَٱخۡلَعۡ نَعۡلَيۡكَ إِنَّكَ بِٱلۡوَادِ ٱلۡمُقَدَّسِ طُوٗى

Izaho no Tomponao ! Esory ny Kapanao, satria eo amin’ny lohasaha masina, “ Towa ” Ianao. info
التفاسير: