ترجمهٔ معانی قرآن کریم - ترجمه‌ى مالاگاشی - مرکز ترجمه‌ى رواد

شماره صفحه: 271:267 close

external-link copy
43 : 16

وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ إِلَّا رِجَالٗا نُّوحِيٓ إِلَيۡهِمۡۖ فَسۡـَٔلُوٓاْ أَهۡلَ ٱلذِّكۡرِ إِن كُنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ

Ary tsy nandefa Iraka teo alohanao Izahay raha tsy Olombelona, izay nandefasanay ny fanambarana. Koa anontanio ireo manam-pahalalana, raha toa ka tsy mahafantatra Ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 16

بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَٱلزُّبُرِۗ وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلذِّكۡرَ لِتُبَيِّنَ لِلنَّاسِ مَا نُزِّلَ إِلَيۡهِمۡ وَلَعَلَّهُمۡ يَتَفَكَّرُونَ

(Nalefanay izy ireo) niaraka tamin’ny porofo mazava sy ireo Boky masina. Ary Izahay dia nampidina Taminao ny fampahatsiahivana (Koroany), mba hanazavanao amin’ireo Olona izay nampidinana izany Taminy. Ary angamba handinika izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 16

أَفَأَمِنَ ٱلَّذِينَ مَكَرُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ أَن يَخۡسِفَ ٱللَّهُ بِهِمُ ٱلۡأَرۡضَ أَوۡ يَأۡتِيَهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَشۡعُرُونَ

Moa ve voaharo ireo izay nanao ny teti-dratsy, ka ho afaka hiala amin’ny fandetehan’i Allah azy ireo any anaty tany,na koa tsy hianjady amin’izy ireo ve ny famaizana, izay tsy ampoizin’izy ireo akory ny fahatongavany ? info
التفاسير:

external-link copy
46 : 16

أَوۡ يَأۡخُذَهُمۡ فِي تَقَلُّبِهِمۡ فَمَا هُم بِمُعۡجِزِينَ

Na ho tratran’izany izy ireo eo am-perin’asa, ka tsy afaka handositra akory (amin’ny sazin’i Allah). info
التفاسير:

external-link copy
47 : 16

أَوۡ يَأۡخُذَهُمۡ عَلَىٰ تَخَوُّفٖ فَإِنَّ رَبَّكُمۡ لَرَءُوفٞ رَّحِيمٌ

Na koa ho tratran’izany izy ireo ao anaty tahotra ? Saingy tena be Fangorahana sy be Indrafò tokoa ny Tomponareo. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 16

أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَىٰ مَا خَلَقَ ٱللَّهُ مِن شَيۡءٖ يَتَفَيَّؤُاْ ظِلَٰلُهُۥ عَنِ ٱلۡيَمِينِ وَٱلشَّمَآئِلِ سُجَّدٗا لِّلَّهِ وَهُمۡ دَٰخِرُونَ

Tsy hitan’izy ireo ve izay zavatra noharian’i Allah, fa ny alok’izy ireny dia mirona miankavanana sy miankavia, amim-piankohofana eo anatrehan’i Allah, amim-panetre-tena ? info
التفاسير:

external-link copy
49 : 16

وَلِلَّهِۤ يَسۡجُدُۤ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ مِن دَآبَّةٖ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَهُمۡ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ

Ary eo anatrehan’i Allah no miankohoka izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany,amin’ireo zava-manan’aina, ary koa ireo Anjely, ka tsy manambony tena izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 16

يَخَافُونَ رَبَّهُم مِّن فَوۡقِهِمۡ وَيَفۡعَلُونَ مَا يُؤۡمَرُونَ۩

Matahotra ny Tompony izy ireo, izay ambonin’izy ireo, ary manao izay andidiana azy (izy ireo). info
التفاسير:

external-link copy
51 : 16

۞ وَقَالَ ٱللَّهُ لَا تَتَّخِذُوٓاْ إِلَٰهَيۡنِ ٱثۡنَيۡنِۖ إِنَّمَا هُوَ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞ فَإِيَّٰيَ فَٱرۡهَبُونِ

Ary niteny i Allah KA nanao hoe : “ Aza manao zanahary Roa Ianareo. Tena marina fa Izy dia Zanahary Tokana, ary Izaho no atahory ”. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 16

وَلَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَلَهُ ٱلدِّينُ وَاصِبًاۚ أَفَغَيۡرَ ٱللَّهِ تَتَّقُونَ

Ary Azy izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary ho Azy ny fankatoavana mandrakizay. Moa hatahotra ankoatr’i Allah ve Ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
53 : 16

وَمَا بِكُم مِّن نِّعۡمَةٖ فَمِنَ ٱللَّهِۖ ثُمَّ إِذَا مَسَّكُمُ ٱلضُّرُّ فَإِلَيۡهِ تَجۡـَٔرُونَ

Ary izay zava-tsoa rehetra Anananareo dia avy amin’i Allah, ary rehefa tra-pahoriana Ianareo dia Izy no hitalahoanareo amin’ny feo avo. info
التفاسير:

external-link copy
54 : 16

ثُمَّ إِذَا كَشَفَ ٱلضُّرَّ عَنكُمۡ إِذَا فَرِيقٞ مِّنكُم بِرَبِّهِمۡ يُشۡرِكُونَ

Avy eo, rehefa nesoriny teo Aminareo ny fahoriana, dia indro misy andiany avy Aminareo, mampikambana ny Tompon’izy ireo amin’ny hafa. info
التفاسير: