আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ

At-takwir

external-link copy
1 : 81

إِذَا ٱلشَّمۡسُ كُوِّرَتۡ

Rehefa tsy hisy fahazavana intsony ny masoandro, info
التفاسير:

external-link copy
2 : 81

وَإِذَا ٱلنُّجُومُ ٱنكَدَرَتۡ

rehefa hanjavona ny famirapiratan'ireo kintana, info
التفاسير:

external-link copy
3 : 81

وَإِذَا ٱلۡجِبَالُ سُيِّرَتۡ

rehefa hihetsika hiala amin'ny toerany ireo tendrombohitra, info
التفاسير:

external-link copy
4 : 81

وَإِذَا ٱلۡعِشَارُ عُطِّلَتۡ

rehefa tsy raharahiana intsony ireo rameva akaiky hiteraka, info
التفاسير:

external-link copy
5 : 81

وَإِذَا ٱلۡوُحُوشُ حُشِرَتۡ

rehefa tafavory ireo bibidia, info
التفاسير:

external-link copy
6 : 81

وَإِذَا ٱلۡبِحَارُ سُجِّرَتۡ

rehefa manjary nirehitra ny ranomasina, info
التفاسير:

external-link copy
7 : 81

وَإِذَا ٱلنُّفُوسُ زُوِّجَتۡ

rehefa voatambatra araka ny sokajiny avy ny fanahy, info
التفاسير:

external-link copy
8 : 81

وَإِذَا ٱلۡمَوۡءُۥدَةُ سُئِلَتۡ

rehefa hanontaniana ireo zazavavy nalevim-belona hoe: info
التفاسير:

external-link copy
9 : 81

بِأَيِّ ذَنۢبٖ قُتِلَتۡ

mba fahotana inona loatra no antony namonoana azy? info
التفاسير:

external-link copy
10 : 81

وَإِذَا ٱلصُّحُفُ نُشِرَتۡ

rehefa nampahalalana ireo takela-piraketana ny asa vita, info
التفاسير:

external-link copy
11 : 81

وَإِذَا ٱلسَّمَآءُ كُشِطَتۡ

rehefa voaesotra ny lanitra, info
التفاسير:

external-link copy
12 : 81

وَإِذَا ٱلۡجَحِيمُ سُعِّرَتۡ

rehefa haredareda ny afo, info
التفاسير:

external-link copy
13 : 81

وَإِذَا ٱلۡجَنَّةُ أُزۡلِفَتۡ

rehefa hampanantonina ny mpino ny Paradisa, info
التفاسير:

external-link copy
14 : 81

عَلِمَتۡ نَفۡسٞ مَّآ أَحۡضَرَتۡ

dia samy hahafantatra ny nataony ny tsirairay avy! info
التفاسير:

external-link copy
15 : 81

فَلَآ أُقۡسِمُ بِٱلۡخُنَّسِ

Tsia! Mianiana Aho amin'ireo andian-kintana. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 81

ٱلۡجَوَارِ ٱلۡكُنَّسِ

Izay mandeha amin'ny lalana izorany ka indraindray mipoitra ary indraindray manjavona. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 81

وَٱلَّيۡلِ إِذَا عَسۡعَسَ

Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra, info
التفاسير:

external-link copy
18 : 81

وَٱلصُّبۡحِ إِذَا تَنَفَّسَ

ny maraina rehefa miposaka mitondra tsio-drivotra, info
التفاسير:

external-link copy
19 : 81

إِنَّهُۥ لَقَوۡلُ رَسُولٖ كَرِيمٖ

tena marina, izany dia tenin'ilay iraka mendrika, info
التفاسير:

external-link copy
20 : 81

ذِي قُوَّةٍ عِندَ ذِي ٱلۡعَرۡشِ مَكِينٖ

izay matanjaka sy manan-danja lehibe eo anatrehan'ny tompon'ny fiandrianana, info
التفاسير:

external-link copy
21 : 81

مُّطَاعٖ ثَمَّ أَمِينٖ

Mpakato izy sady itokisana, info
التفاسير:

external-link copy
22 : 81

وَمَا صَاحِبُكُم بِمَجۡنُونٖ

tsy marary saina velively akory ny sakaizanareo, info
التفاسير:

external-link copy
23 : 81

وَلَقَدۡ رَءَاهُ بِٱلۡأُفُقِ ٱلۡمُبِينِ

izay efa nahita ny anjely Gabriela tokoa teny am-param-bodi-lanitra mazava. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 81

وَمَا هُوَ عَلَى ٱلۡغَيۡبِ بِضَنِينٖ

Ary izy dia tsy kahihitra ka hitana ho azy irery ny faminaniana izay tonga taminy, info
التفاسير:

external-link copy
25 : 81

وَمَا هُوَ بِقَوۡلِ شَيۡطَٰنٖ رَّجِيمٖ

izany dia tsy tenin'ilay demony izay voahozona! info
التفاسير:

external-link copy
26 : 81

فَأَيۡنَ تَذۡهَبُونَ

koa aiza ary no hombanareo, info
التفاسير:

external-link copy
27 : 81

إِنۡ هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ لِّلۡعَٰلَمِينَ

Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao, info
التفاسير:

external-link copy
28 : 81

لِمَن شَآءَ مِنكُمۡ أَن يَسۡتَقِيمَ

Ho an'izay manam-paniriana ny hanaraka ny fahitsiana aminareo, info
التفاسير:

external-link copy
29 : 81

وَمَا تَشَآءُونَ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُ رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Tsy hanam-pahefana ny amin'izany ianareo raha tsy sitrak'I Allah tompon'izao tontolo izao. info
التفاسير: