আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ

Al-mozzammil

external-link copy
1 : 73

يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمُزَّمِّلُ

Fa ianao, ilay misaron-damba ! info
التفاسير:

external-link copy
2 : 73

قُمِ ٱلَّيۡلَ إِلَّا قَلِيلٗا

Mitsangàna ianao mandritry ny alina afa-tsy amin'ny ampahany kely ihany . info
التفاسير:

external-link copy
3 : 73

نِّصۡفَهُۥٓ أَوِ ٱنقُصۡ مِنۡهُ قَلِيلًا

Ny antsasany na alatsaho kely noho izany . info
التفاسير:

external-link copy
4 : 73

أَوۡ زِدۡ عَلَيۡهِ وَرَتِّلِ ٱلۡقُرۡءَانَ تَرۡتِيلًا

Na ampitomboy kely ary vakio miadana sady mazava ny koroany. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 73

إِنَّا سَنُلۡقِي عَلَيۡكَ قَوۡلٗا ثَقِيلًا

Fa hanambara teny manan-danja aminao izahay. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 73

إِنَّ نَاشِئَةَ ٱلَّيۡلِ هِيَ أَشَدُّ وَطۡـٔٗا وَأَقۡوَمُ قِيلًا

Mety kokoa ny vavaka amin'ny alina sady mifanaraka amin'ny vakiteny. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 73

إِنَّ لَكَ فِي ٱلنَّهَارِ سَبۡحٗا طَوِيلٗا

Fa manana andraikitra maharitra ianao, mandritra ny andro. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 73

وَٱذۡكُرِ ٱسۡمَ رَبِّكَ وَتَبَتَّلۡ إِلَيۡهِ تَبۡتِيلٗا

Koa tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ary manokàna tena tanteraka Aminy. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 73

رَّبُّ ٱلۡمَشۡرِقِ وَٱلۡمَغۡرِبِ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ فَٱتَّخِذۡهُ وَكِيلٗا

Ilay Tompon'ny fiposahana sy ny filentehana. Tsy misy Tompo hafa, afa-tsy Izy. Koa ataovy mpihay anao ary Izy. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 73

وَٱصۡبِرۡ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَٱهۡجُرۡهُمۡ هَجۡرٗا جَمِيلٗا

Ary hiareto izay tenenin'izy ireo ary miataha aminy amim-pahamendrehana. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 73

وَذَرۡنِي وَٱلۡمُكَذِّبِينَ أُوْلِي ٱلنَّعۡمَةِ وَمَهِّلۡهُمۡ قَلِيلًا

Ary avelao aho hiaraka amin'ireo mpiampanga lainga, izay mihaina ao anatin'ny fiadanana ; ary omeo fe-potoana fohy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 73

إِنَّ لَدَيۡنَآ أَنكَالٗا وَجَحِيمٗا

Ny tena marina dia manana rojo vy mavesatra sy afobe ho azy ireo Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 73

وَطَعَامٗا ذَا غُصَّةٖ وَعَذَابًا أَلِيمٗا

Ary sakafo mahasempotra sy famaizana mamirifiry. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 73

يَوۡمَ تَرۡجُفُ ٱلۡأَرۡضُ وَٱلۡجِبَالُ وَكَانَتِ ٱلۡجِبَالُ كَثِيبٗا مَّهِيلًا

Amin'ny andro hampihorohoro ny tany sy ny tendrombohitra, ka hiparitahan'ny tendrombohitra ho toy ny vondro-pasika. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 73

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَآ إِلَيۡكُمۡ رَسُولٗا شَٰهِدًا عَلَيۡكُمۡ كَمَآ أَرۡسَلۡنَآ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ رَسُولٗا

Nandefa Iraka taminareo tokoa Izahay mba ho vavolombelona hanohitra anareo, tahaky ny nandefasanay Iraka tamin'i Faraona. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 73

فَعَصَىٰ فِرۡعَوۡنُ ٱلرَّسُولَ فَأَخَذۡنَٰهُ أَخۡذٗا وَبِيلٗا

Nefa tsy nankato ny Iraka i Faraona ka nosazinay mafy. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 73

فَكَيۡفَ تَتَّقُونَ إِن كَفَرۡتُمۡ يَوۡمٗا يَجۡعَلُ ٱلۡوِلۡدَٰنَ شِيبًا

Ahoana no hiarovanareo tena raha tsy mino ianareo amin'ilay andro hahatonga ny zaza ho tahaky ny lahy antitra fotsy volo. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 73

ٱلسَّمَآءُ مُنفَطِرُۢ بِهِۦۚ كَانَ وَعۡدُهُۥ مَفۡعُولًا

Hampitresaka ny lanitra.Tsy hisalasalana fa ho tanteraka ny fampanantenany. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 73

إِنَّ هَٰذِهِۦ تَذۡكِرَةٞۖ فَمَن شَآءَ ٱتَّخَذَ إِلَىٰ رَبِّهِۦ سَبِيلًا

Tena fampatsiahivana marina ity. Koa aoka handeha amin'ny lalana mankany amin'ny Tompony izay tia izany. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 73

۞ إِنَّ رَبَّكَ يَعۡلَمُ أَنَّكَ تَقُومُ أَدۡنَىٰ مِن ثُلُثَيِ ٱلَّيۡلِ وَنِصۡفَهُۥ وَثُلُثَهُۥ وَطَآئِفَةٞ مِّنَ ٱلَّذِينَ مَعَكَۚ وَٱللَّهُ يُقَدِّرُ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَۚ عَلِمَ أَن لَّن تُحۡصُوهُ فَتَابَ عَلَيۡكُمۡۖ فَٱقۡرَءُواْ مَا تَيَسَّرَ مِنَ ٱلۡقُرۡءَانِۚ عَلِمَ أَن سَيَكُونُ مِنكُم مَّرۡضَىٰ وَءَاخَرُونَ يَضۡرِبُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ يَبۡتَغُونَ مِن فَضۡلِ ٱللَّهِ وَءَاخَرُونَ يُقَٰتِلُونَ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۖ فَٱقۡرَءُواْ مَا تَيَسَّرَ مِنۡهُۚ وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَقۡرِضُواْ ٱللَّهَ قَرۡضًا حَسَنٗاۚ وَمَا تُقَدِّمُواْ لِأَنفُسِكُم مِّنۡ خَيۡرٖ تَجِدُوهُ عِندَ ٱللَّهِ هُوَ خَيۡرٗا وَأَعۡظَمَ أَجۡرٗاۚ وَٱسۡتَغۡفِرُواْ ٱللَّهَۖ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمُۢ

Fantatry ny Tomponao tokoa, fa mitsangana mandritra ny roa ampahatelon'ny alina ianao, na ny antsasany, na ny ampahatelony. Toy izany koa ny ampahany amin'ireo izay miaraka aminao. Allah no mametra ny andro sy ny alina, fantany fa tsy afaka handany ny alina manontolo amin'ny fivavahana ianareo. Namela anareo Izy. Vakio ary izay vitanareo amin'ny koroany. Fantany, fa misy harary aminareo, misy handeha hivahiny hitady ny fahasoavan'I Allah, ary ny sasany koa handeha hiady amin'ny lalan'I Allah. Vakio ary izay azonareo vakiana. Tanterao ny vavaka fanompoana, omeo ny harena fiantrana, ary mampindrama amin-kitsim-po amin'I Allah ianareo. Fa izay tsara rehetra nomaninareo ho an'ny tenanareo, dia ho hitanareo any amin'I Allah, izany no tsara sy lehibe indrindra ho valisoanareo. Ary mangataha famelan-keloka amin'I Allah ianareo, fa mpamela heloka sy be indrafo tokoa I Allah. info
التفاسير: