আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ

পৃষ্ঠা নং:close

external-link copy
102 : 6

ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ خَٰلِقُ كُلِّ شَيۡءٖ فَٱعۡبُدُوهُۚ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ وَكِيلٞ

Izany no Allah Tomponareo ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Mpahary ny zava-drehetra, ka tompoinareo àry Izy. Ary Izy no misahana ny zava-drehetra info
التفاسير:

external-link copy
103 : 6

لَّا تُدۡرِكُهُ ٱلۡأَبۡصَٰرُ وَهُوَ يُدۡرِكُ ٱلۡأَبۡصَٰرَۖ وَهُوَ ٱللَّطِيفُ ٱلۡخَبِيرُ

Tsy takatry ny fahitan’ny maso Izy ary Izy kosa dia mahatakatra izay hitan’ny maso. Ary Izy Ilay be Fangorahana sy Mahafantatra ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
104 : 6

قَدۡ جَآءَكُم بَصَآئِرُ مِن رَّبِّكُمۡۖ فَمَنۡ أَبۡصَرَ فَلِنَفۡسِهِۦۖ وَمَنۡ عَمِيَ فَعَلَيۡهَاۚ وَمَآ أَنَا۠ عَلَيۡكُم بِحَفِيظٖ

Efa Tonga aminareo ireo porofo mazava avy amin’ny Tomponareo, ka izay mahita mazava dia ho an’ny tenany izany ary izay mijanona ho jamba kosa dia fahavoazana ho azy izany ary Izaho dia tsy ho Mpiambina anareo velively. info
التفاسير:

external-link copy
105 : 6

وَكَذَٰلِكَ نُصَرِّفُ ٱلۡأٓيَٰتِ وَلِيَقُولُواْ دَرَسۡتَ وَلِنُبَيِّنَهُۥ لِقَوۡمٖ يَعۡلَمُونَ

Ary tahaka izany no hamakafakanay ireo fanambarana mba hitenenan’izy ireo manao hoe : “nianatra Ianao”. Ary mba hanazavanay izany amin’ny vahoaka mahalala. info
التفاسير:

external-link copy
106 : 6

ٱتَّبِعۡ مَآ أُوحِيَ إِلَيۡكَ مِن رَّبِّكَۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ وَأَعۡرِضۡ عَنِ ٱلۡمُشۡرِكِينَ

Araho ny fanambarana izay nalefa Aminao avy amin’ny Tomponao. Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Atodiho ny lamosinao amin’ireo mpanompo sampy. info
التفاسير:

external-link copy
107 : 6

وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَآ أَشۡرَكُواْۗ وَمَا جَعَلۡنَٰكَ عَلَيۡهِمۡ حَفِيظٗاۖ وَمَآ أَنتَ عَلَيۡهِم بِوَكِيلٖ

Ary raha sitrak’I Allah dia tsy nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa izy ireo. Tsy nataonay ho Mpiambina Ianao amin’izy ireo, ary Ianao dia tsy Mpiantoka azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
108 : 6

وَلَا تَسُبُّواْ ٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ فَيَسُبُّواْ ٱللَّهَ عَدۡوَۢا بِغَيۡرِ عِلۡمٖۗ كَذَٰلِكَ زَيَّنَّا لِكُلِّ أُمَّةٍ عَمَلَهُمۡ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّهِم مَّرۡجِعُهُمۡ فَيُنَبِّئُهُم بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ

Ary aoka ianareo tsy hanompa ireo izay antsoin’izy ireo ankoatr’i Allah, ka hanompa Allah amim-pankahalana (amim-pietraketrahana) ao anaty tsy fahalalana izy ireo. Tahaka izany koa, nohatsarainay tamin’ny vahoaka tsirairay ny asany ary any amin’ny Tompon’izy ireo no fiverenan’izy ireo, ka ho lazainy azy ireo ny asa rehetra izay nataony. info
التفاسير:

external-link copy
109 : 6

وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَئِن جَآءَتۡهُمۡ ءَايَةٞ لَّيُؤۡمِنُنَّ بِهَاۚ قُلۡ إِنَّمَا ٱلۡأٓيَٰتُ عِندَ ٱللَّهِۖ وَمَا يُشۡعِرُكُمۡ أَنَّهَآ إِذَا جَآءَتۡ لَا يُؤۡمِنُونَ

Ary mianiana amin’I Allah izy ireo eram-po tamin’ireo finianany, raha misy fahagagana tonga amin’izy ireo dia tena hino izany izy ireo. Teneno hoe : “Tena marina fa ireo fahagagana dia miankina amin’I Allah”. Ary inona àry no ahatsapanareo (ry mpino) raha tonga tokoa izany, dia tsy hino ihany izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
110 : 6

وَنُقَلِّبُ أَفۡـِٔدَتَهُمۡ وَأَبۡصَٰرَهُمۡ كَمَا لَمۡ يُؤۡمِنُواْ بِهِۦٓ أَوَّلَ مَرَّةٖ وَنَذَرُهُمۡ فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ

Avadikay ny fon’izy ireo sy ny mason’izy ireo noho izy ireo tsy nino izany tamin’ny voalohany ary avelanay handeha amin’ny hajambana izy ireo nohon'ny fihoaram-pefiny. info
التفاسير: