আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ

Al-waqi'ah

external-link copy
1 : 56

إِذَا وَقَعَتِ ٱلۡوَاقِعَةُ

Rehefa ho avy tokoa ny fisehoan-javatra. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 56

لَيۡسَ لِوَقۡعَتِهَا كَاذِبَةٌ

Dia tsy hisy hiampanga ny fiaviany ho lainga. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 56

خَافِضَةٞ رَّافِعَةٌ

Hampidina ny sasany izy fa hampiakatra ny hafa. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 56

إِذَا رُجَّتِ ٱلۡأَرۡضُ رَجّٗا

Rehefa hihorohoro mafy ny tany. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 56

وَبُسَّتِ ٱلۡجِبَالُ بَسّٗا

Ary hiforotra ireo tendrombohitra. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 56

فَكَانَتۡ هَبَآءٗ مُّنۢبَثّٗا

Ka ho lasa vovoka miparitaka. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 56

وَكُنتُمۡ أَزۡوَٰجٗا ثَلَٰثَةٗ

Ary amin’izany dia ho sokajy telo ianareo : info
التفاسير:

external-link copy
8 : 56

فَأَصۡحَٰبُ ٱلۡمَيۡمَنَةِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلۡمَيۡمَنَةِ

Ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ? info
التفاسير:

external-link copy
9 : 56

وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡمَشۡـَٔمَةِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلۡمَشۡـَٔمَةِ

Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ? info
التفاسير:

external-link copy
10 : 56

وَٱلسَّٰبِقُونَ ٱلسَّٰبِقُونَ

Ireo voalohany dia izy ireo no ho voalohany. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 56

أُوْلَٰٓئِكَ ٱلۡمُقَرَّبُونَ

Izy ireny no akaiky indrindra an’I Allah info
التفاسير:

external-link copy
12 : 56

فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ

Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 56

ثُلَّةٞ مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ

Maro ireo voafidy amin’ny taranaka voalohany. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 56

وَقَلِيلٞ مِّنَ ٱلۡأٓخِرِينَ

Fa vitsy kosa amin’ireo taranaka farany. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 56

عَلَىٰ سُرُرٖ مَّوۡضُونَةٖ

Eo ambon'ny farafara voaravaka. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 56

مُّتَّكِـِٔينَ عَلَيۡهَا مُتَقَٰبِلِينَ

Mitehin-kiho izy ireo eo amin’izany, sady mifanatrika. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 56

يَطُوفُ عَلَيۡهِمۡ وِلۡدَٰنٞ مُّخَلَّدُونَ

Hivezivezy eo amin’izy ireo, ireo zaza lahy tanora mandrakizay. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 56

بِأَكۡوَابٖ وَأَبَارِيقَ وَكَأۡسٖ مِّن مَّعِينٖ

Miaraka amin’ireo kapoaka sy tavoara ary vera feno zava-pisotron-doharano. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 56

لَّا يُصَدَّعُونَ عَنۡهَا وَلَا يُنزِفُونَ

Izay tsy hamparary an-doha na hahafanina azy ireo . info
التفاسير:

external-link copy
20 : 56

وَفَٰكِهَةٖ مِّمَّا يَتَخَيَّرُونَ

Ary voankazo araka izay safidin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 56

وَلَحۡمِ طَيۡرٖ مِّمَّا يَشۡتَهُونَ

Sy henam-borona izay ankafizin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 56

وَحُورٌ عِينٞ

Ary hahazo tovovavin’ny Paradisa baribarimaso, sady tsara izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 56

كَأَمۡثَٰلِ ٱللُّؤۡلُوِٕ ٱلۡمَكۡنُونِ

Toy ireny vatosoa tsara tahiry. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 56

جَزَآءَۢ بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ

Ho valisoa amin’izay nataon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 56

لَا يَسۡمَعُونَ فِيهَا لَغۡوٗا وَلَا تَأۡثِيمًا

Tsy hare teniteny foana na teny ratsy izy ireo ao . info
التفاسير:

external-link copy
26 : 56

إِلَّا قِيلٗا سَلَٰمٗا سَلَٰمٗا

Afa-tsy ny teny hoe : “ Fiadanana ! Fiadanana ! ” (Salam !Salam !). info
التفاسير:

external-link copy
27 : 56

وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡيَمِينِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلۡيَمِينِ

Ary ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ? info
التفاسير:

external-link copy
28 : 56

فِي سِدۡرٖ مَّخۡضُودٖ

Ho eo amin’ny hazona mokonazy tsy misy tsilo izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 56

وَطَلۡحٖ مَّنضُودٖ

Ary ho eo amin’ireo fototr’akondro misy lafiny vaventy. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 56

وَظِلّٖ مَّمۡدُودٖ

Ao anaty aloka midadasika. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 56

وَمَآءٖ مَّسۡكُوبٖ

Eo amin’ny rano mikoriana lalandava. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 56

وَفَٰكِهَةٖ كَثِيرَةٖ

Sy voankazo sesehena. info
التفاسير:

external-link copy
33 : 56

لَّا مَقۡطُوعَةٖ وَلَا مَمۡنُوعَةٖ

Izay tsy misy fitsaharany na koa fandrarana. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 56

وَفُرُشٖ مَّرۡفُوعَةٍ

Eo ambon'ny farafara avo. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 56

إِنَّآ أَنشَأۡنَٰهُنَّ إِنشَآءٗ

Izahay no Nahary ireo tovovavin’ny Paradisa ho tonga lafatra. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 56

فَجَعَلۡنَٰهُنَّ أَبۡكَارًا

Ka nataonay ho virijiny izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
37 : 56

عُرُبًا أَتۡرَابٗا

Mahatehotia, mitovy taona avokoa. info
التفاسير:

external-link copy
38 : 56

لِّأَصۡحَٰبِ ٱلۡيَمِينِ

Ho an’ireo olon’ny an-kavanana. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 56

ثُلَّةٞ مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ

Maro no voafidy tamin’ireo taranaka voalohany. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 56

وَثُلَّةٞ مِّنَ ٱلۡأٓخِرِينَ

Ary maro ihany koa no voafidy tamin’ireo taranaka farany. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 56

وَأَصۡحَٰبُ ٱلشِّمَالِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلشِّمَالِ

Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ? info
التفاسير:

external-link copy
42 : 56

فِي سَمُومٖ وَحَمِيمٖ

Ho ao afovoan’ny rivotra mamay sy rano mangotraka izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 56

وَظِلّٖ مِّن يَحۡمُومٖ

Eo amin’ny alokin'ny setroka mainty. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 56

لَّا بَارِدٖ وَلَا كَرِيمٍ

Sady tsy mangatsiatsiaka no tsy malefaka. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 56

إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَبۡلَ ذَٰلِكَ مُتۡرَفِينَ

Niaina tao anatin’ny adalana izy ireo taloha. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 56

وَكَانُواْ يُصِرُّونَ عَلَى ٱلۡحِنثِ ٱلۡعَظِيمِ

Ary nilomamo tao anatin’ny fahotana lehibe (izy ireo). info
التفاسير:

external-link copy
47 : 56

وَكَانُواْ يَقُولُونَ أَئِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ

Ka niteny hoe : “ Rehefa maty ka ho vovoka sy taolana izahay dia mbola ho hatsangana va ?" info
التفاسير:

external-link copy
48 : 56

أَوَءَابَآؤُنَا ٱلۡأَوَّلُونَ

Na koa ireo razambenay taloha ? info
التفاسير:

external-link copy
49 : 56

قُلۡ إِنَّ ٱلۡأَوَّلِينَ وَٱلۡأٓخِرِينَ

Dia lazao hoe : “ Marina fa ireo voalohany sy ireo farany" info
التفاسير:

external-link copy
50 : 56

لَمَجۡمُوعُونَ إِلَىٰ مِيقَٰتِ يَوۡمٖ مَّعۡلُومٖ

Dia havory avokoa amin’ny fotoan’ilay andro efa fantatra. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 56

ثُمَّ إِنَّكُمۡ أَيُّهَا ٱلضَّآلُّونَ ٱلۡمُكَذِّبُونَ

Ary ianareo diso lalana, izay niampanga izany ho lainga. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 56

لَأٓكِلُونَ مِن شَجَرٖ مِّن زَقُّومٖ

Dia tsy maintsy hihinana amin’ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe) ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
53 : 56

فَمَالِـُٔونَ مِنۡهَا ٱلۡبُطُونَ

Ka hameno kibo amin’izany. info
التفاسير:

external-link copy
54 : 56

فَشَٰرِبُونَ عَلَيۡهِ مِنَ ٱلۡحَمِيمِ

Sady hisotro rano mangotraka(maimbo) ianareo ankoatr’izany. info
التفاسير:

external-link copy
55 : 56

فَشَٰرِبُونَ شُرۡبَ ٱلۡهِيمِ

Hisotro amin’izany tahaka ny fisotroan’ny rameva mangetaheta ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
56 : 56

هَٰذَا نُزُلُهُمۡ يَوۡمَ ٱلدِّينِ

Izany no anjara haroso azy ireo amin’ny andro famaliana. info
التفاسير:

external-link copy
57 : 56

نَحۡنُ خَلَقۡنَٰكُمۡ فَلَوۡلَا تُصَدِّقُونَ

Izahay no Nahary anareo. Koa nahoana àry no tsy hino ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
58 : 56

أَفَرَءَيۡتُم مَّا تُمۡنُونَ

Hitanareo va ny tsirin'aina avoakanareo. info
التفاسير:

external-link copy
59 : 56

ءَأَنتُمۡ تَخۡلُقُونَهُۥٓ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡخَٰلِقُونَ

Ianareo va no nanamboatra azy, sa Izahay no Mpahary ? info
التفاسير:

external-link copy
60 : 56

نَحۡنُ قَدَّرۡنَا بَيۡنَكُمُ ٱلۡمَوۡتَ وَمَا نَحۡنُ بِمَسۡبُوقِينَ

Efa noferanay ny fahafatesana eo aminareo ka tsy ho voasakana mihitsy izahay. info
التفاسير:

external-link copy
61 : 56

عَلَىٰٓ أَن نُّبَدِّلَ أَمۡثَٰلَكُمۡ وَنُنشِئَكُمۡ فِي مَا لَا تَعۡلَمُونَ

Hanolo anareo amin’izay mitovy aminareo ary hamelona anareo indray amin’izay tsy fantatrareo. info
التفاسير:

external-link copy
62 : 56

وَلَقَدۡ عَلِمۡتُمُ ٱلنَّشۡأَةَ ٱلۡأُولَىٰ فَلَوۡلَا تَذَكَّرُونَ

Nahafantatra ny famoronana voalohany ianareo. Ka moa tsy tsaroanareo va izany ? info
التفاسير:

external-link copy
63 : 56

أَفَرَءَيۡتُم مَّا تَحۡرُثُونَ

Mba hitanareo va ny asa-tany izay ataonareo ? info
التفاسير:

external-link copy
64 : 56

ءَأَنتُمۡ تَزۡرَعُونَهُۥٓ أَمۡ نَحۡنُ ٱلزَّٰرِعُونَ

Ianareo va no mamboly izany ? Sa Izahay no Mpamboly ? info
التفاسير:

external-link copy
65 : 56

لَوۡ نَشَآءُ لَجَعَلۡنَٰهُ حُطَٰمٗا فَظَلۡتُمۡ تَفَكَّهُونَ

Raha tianay dia ho potehinay izany. Ary dia tsy hitsahatra ny fahagaganareo: info
التفاسير:

external-link copy
66 : 56

إِنَّا لَمُغۡرَمُونَ

Indro izahay fa vesaran-trosa ! info
التفاسير:

external-link copy
67 : 56

بَلۡ نَحۡنُ مَحۡرُومُونَ

Fa izahay dia nisakanana sy noraraina. info
التفاسير:

external-link copy
68 : 56

أَفَرَءَيۡتُمُ ٱلۡمَآءَ ٱلَّذِي تَشۡرَبُونَ

Hitanareo va ny rano izay sotroinareo ? info
التفاسير:

external-link copy
69 : 56

ءَأَنتُمۡ أَنزَلۡتُمُوهُ مِنَ ٱلۡمُزۡنِ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡمُنزِلُونَ

Ianareo va no nampidina azy avy eny amin’ny rahona ? Sa Izahay no Mpampidina izany? info
التفاسير:

external-link copy
70 : 56

لَوۡ نَشَآءُ جَعَلۡنَٰهُ أُجَاجٗا فَلَوۡلَا تَشۡكُرُونَ

Raha tianay dia nataonay masira izany. Koa nahoana àry ianareo no tsy mahay mankasitraka ? info
التفاسير:

external-link copy
71 : 56

أَفَرَءَيۡتُمُ ٱلنَّارَ ٱلَّتِي تُورُونَ

Mba hitanareo va ny afo izay arehitrareo ? info
التفاسير:

external-link copy
72 : 56

ءَأَنتُمۡ أَنشَأۡتُمۡ شَجَرَتَهَآ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡمُنشِـُٔونَ

Ianareo va no nahary ny hazo sa Izahay no Mpahary ? info
التفاسير:

external-link copy
73 : 56

نَحۡنُ جَعَلۡنَٰهَا تَذۡكِرَةٗ وَمَتَٰعٗا لِّلۡمُقۡوِينَ

Nataonay ho fampahatsiarovana izany, sy ho fitaovana ilain’izay mila azy. info
التفاسير:

external-link copy
74 : 56

فَسَبِّحۡ بِٱسۡمِ رَبِّكَ ٱلۡعَظِيمِ

Koa ankalazao àry ny Anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra ! info
التفاسير:

external-link copy
75 : 56

۞ فَلَآ أُقۡسِمُ بِمَوَٰقِعِ ٱلنُّجُومِ

Tsia ! Mianiana amin’ny alalan’ny toeran’ireo kintana eny amin’ny habakabaka Aho. info
التفاسير:

external-link copy
76 : 56

وَإِنَّهُۥ لَقَسَمٞ لَّوۡ تَعۡلَمُونَ عَظِيمٌ

Fa tena fianianana lehibe izany, raha mba fantatrareo mantsy. info
التفاسير:

external-link copy
77 : 56

إِنَّهُۥ لَقُرۡءَانٞ كَرِيمٞ

Ary tena Koroany mendrika. info
التفاسير:

external-link copy
78 : 56

فِي كِتَٰبٖ مَّكۡنُونٖ

Ao anaty Boky voaaro tsara. info
التفاسير:

external-link copy
79 : 56

لَّا يَمَسُّهُۥٓ إِلَّا ٱلۡمُطَهَّرُونَ

Ka izay voadio ihany no mikasika azy . info
التفاسير:

external-link copy
80 : 56

تَنزِيلٞ مِّن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao. info
التفاسير:

external-link copy
81 : 56

أَفَبِهَٰذَا ٱلۡحَدِيثِ أَنتُم مُّدۡهِنُونَ

Moa izany lahateny izany va no lazainareo ho lainga ? info
التفاسير:

external-link copy
82 : 56

وَتَجۡعَلُونَ رِزۡقَكُمۡ أَنَّكُمۡ تُكَذِّبُونَ

Fomba hankasitrahanareo ny anjaram-pahasoavanareo ny filazanareo ny Koroany ho lainga ? info
التفاسير:

external-link copy
83 : 56

فَلَوۡلَآ إِذَا بَلَغَتِ ٱلۡحُلۡقُومَ

Rehefa miakatra eo an-tenda ny aina. info
التفاسير:

external-link copy
84 : 56

وَأَنتُمۡ حِينَئِذٖ تَنظُرُونَ

Ary mijery ianareo amin’izany fotoana izany. info
التفاسير:

external-link copy
85 : 56

وَنَحۡنُ أَقۡرَبُ إِلَيۡهِ مِنكُمۡ وَلَٰكِن لَّا تُبۡصِرُونَ

Dia izahay no akaiky azy kokoa noho ianareo, saingy tsy hitanareo mihitsy. info
التفاسير:

external-link copy
86 : 56

فَلَوۡلَآ إِن كُنتُمۡ غَيۡرَ مَدِينِينَ

Ahoana àry, raha mino ianareo fa tsy ho tsaraina. info
التفاسير:

external-link copy
87 : 56

تَرۡجِعُونَهَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ

No tsy averinareo izy, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
88 : 56

فَأَمَّآ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ

Fa raha isan’ireo manakaiky an’I Allah izy. info
التفاسير:

external-link copy
89 : 56

فَرَوۡحٞ وَرَيۡحَانٞ وَجَنَّتُ نَعِيمٖ

Dia hahazo fialan-tsasatra, sy hanitra, ary zaridainam-pahasambarana. info
التفاسير:

external-link copy
90 : 56

وَأَمَّآ إِن كَانَ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلۡيَمِينِ

Ary raha isan’ireo olon’ny an-kavanana izy. info
التفاسير:

external-link copy
91 : 56

فَسَلَٰمٞ لَّكَ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلۡيَمِينِ

(Dia hilaza hoe) : “ Fiadanana ho anao ! ”, avy amin’ireo olon’ny an-kavanana. info
التفاسير:

external-link copy
92 : 56

وَأَمَّآ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡمُكَذِّبِينَ ٱلضَّآلِّينَ

Fa raha isan’ireo nilaza lainga kosa izy, sady very làlana. info
التفاسير:

external-link copy
93 : 56

فَنُزُلٞ مِّنۡ حَمِيمٖ

Dia hapetraka ao anaty rano mangotraka. info
التفاسير:

external-link copy
94 : 56

وَتَصۡلِيَةُ جَحِيمٍ

Ka ho dioavina ao anatin'ny afo mamaivay. info
التفاسير:

external-link copy
95 : 56

إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ حَقُّ ٱلۡيَقِينِ

Izany no marina tena azo antoka tanteraka. info
التفاسير:

external-link copy
96 : 56

فَسَبِّحۡ بِٱسۡمِ رَبِّكَ ٱلۡعَظِيمِ

Ka ankalazao àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra ! info
التفاسير: