আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ

Ghafir

external-link copy
1 : 40

حمٓ

Hà, Mîm. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 40

تَنزِيلُ ٱلۡكِتَٰبِ مِنَ ٱللَّهِ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡعَلِيمِ

Ny Fidinan’ny boky, dia avy amin’I Allah, Ilay Tsitoha, Ilay mahafantatra ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 40

غَافِرِ ٱلذَّنۢبِ وَقَابِلِ ٱلتَّوۡبِ شَدِيدِ ٱلۡعِقَابِ ذِي ٱلطَّوۡلِۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ إِلَيۡهِ ٱلۡمَصِيرُ

Ilay Mpamela ny fahotana, Ilay Mpandray ny fibebahana, Ilay Mafy amin’ny fanasaziana, Ilay fatra Mpangoraka. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy ihany, ary any Aminy no fiafarana. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 40

مَا يُجَٰدِلُ فِيٓ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ إِلَّا ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فَلَا يَغۡرُرۡكَ تَقَلُّبُهُمۡ فِي ٱلۡبِلَٰدِ

Izay tsy mino ihany no miady hevitra amin’ireo andininy avy amin’I Allah, aoka tsy hamitaka anao izay ataon’izy ireo amin’ny firenena. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 40

كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٖ وَٱلۡأَحۡزَابُ مِنۢ بَعۡدِهِمۡۖ وَهَمَّتۡ كُلُّ أُمَّةِۭ بِرَسُولِهِمۡ لِيَأۡخُذُوهُۖ وَجَٰدَلُواْ بِٱلۡبَٰطِلِ لِيُدۡحِضُواْ بِهِ ٱلۡحَقَّ فَأَخَذۡتُهُمۡۖ فَكَيۡفَ كَانَ عِقَابِ

Niampanga ho mpandainga an’ireo Iraka ny vahoakan’i Noa, toy izany ihany koa ireo antoko nitambatra taorian’izy ireo, ary samy nanana fikasana ny hisambotra ny Iraka tao aminy ny vahoaka tsirairay, ka niady hevitra tamin’ny hevi-diso izy ireo, mba hitsipahana ny marina. Ka nosaziako izy ireo, ary nanao ahoana ny fandehan’ny saziko ! info
التفاسير:

external-link copy
6 : 40

وَكَذَٰلِكَ حَقَّتۡ كَلِمَتُ رَبِّكَ عَلَى ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَنَّهُمۡ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِ

Ary izany dia manamarina ny tenin’ny Tomponao, izay hihatra amin’ireo tsy mpino, fa izy ireo dia ho olon’ny afo. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 40

ٱلَّذِينَ يَحۡمِلُونَ ٱلۡعَرۡشَ وَمَنۡ حَوۡلَهُۥ يُسَبِّحُونَ بِحَمۡدِ رَبِّهِمۡ وَيُؤۡمِنُونَ بِهِۦ وَيَسۡتَغۡفِرُونَ لِلَّذِينَ ءَامَنُواْۖ رَبَّنَا وَسِعۡتَ كُلَّ شَيۡءٖ رَّحۡمَةٗ وَعِلۡمٗا فَٱغۡفِرۡ لِلَّذِينَ تَابُواْ وَٱتَّبَعُواْ سَبِيلَكَ وَقِهِمۡ عَذَابَ ٱلۡجَحِيمِ

Ireo Anjely izay mitondra ny Seza fiandrianana, sy ireo izay manodidina izany, dia mankalaza ny voninahitrin'ny Tompony, mino Azy izy ireo, ary mangataka famelan-keloka ho an’izay mino hoe : “ Tomponay ô! Manenika ny zava-drehetra Ianao amin’ny indrafo sy Fahalalana. Koa mamela heloka izay mibebaka sy manaraka ny lalanao, ary arovy amin’ny sazin’ny Afobe izy ireo ”. info
التفاسير: