আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ

পৃষ্ঠা নং:close

external-link copy
27 : 38

وَمَا خَلَقۡنَا ٱلسَّمَآءَ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَا بَٰطِلٗاۚ ذَٰلِكَ ظَنُّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۚ فَوَيۡلٞ لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنَ ٱلنَّارِ

Ary tsy nahary ny lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo ho tsy misy antony Izahay. Izany no eritreritr’ireo izay tsy nino. Loza ho an’ireo izay tsy nino momba ny afo (izay miandry azy ireo). info
التفاسير:

external-link copy
28 : 38

أَمۡ نَجۡعَلُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ كَٱلۡمُفۡسِدِينَ فِي ٱلۡأَرۡضِ أَمۡ نَجۡعَلُ ٱلۡمُتَّقِينَ كَٱلۡفُجَّارِ

Moa ve hataonay ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ho toy ireo mpanao ny asa fanimbana eto an-tany ? Na koa hataonay ireo manam-patahorana ho tahaka ireo mpanao asa ratsy ? info
التفاسير:

external-link copy
29 : 38

كِتَٰبٌ أَنزَلۡنَٰهُ إِلَيۡكَ مُبَٰرَكٞ لِّيَدَّبَّرُوٓاْ ءَايَٰتِهِۦ وَلِيَتَذَكَّرَ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ

[Indro ny] Boky iray feno tso-drano izay nampidininay taminao, mba handinika izy ireo amin’ireo andian-teniny, ary mba hieritreritra ireo manana saina matsilo. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 38

وَوَهَبۡنَا لِدَاوُۥدَ سُلَيۡمَٰنَۚ نِعۡمَ ٱلۡعَبۡدُ إِنَّهُۥٓ أَوَّابٌ

Ary nomenay an’i Daoda i Solaimana (Salômôna), mpanompo tsara tokoa izy! Marina fa izy dia tena mpibebaka! info
التفاسير:

external-link copy
31 : 38

إِذۡ عُرِضَ عَلَيۡهِ بِٱلۡعَشِيِّ ٱلصَّٰفِنَٰتُ ٱلۡجِيَادُ

Rehefa naseho taminy indray tolakandro ireo soavaly mpihazakazaka tsara tarehy, info
التفاسير:

external-link copy
32 : 38

فَقَالَ إِنِّيٓ أَحۡبَبۡتُ حُبَّ ٱلۡخَيۡرِ عَن ذِكۡرِ رَبِّي حَتَّىٰ تَوَارَتۡ بِٱلۡحِجَابِ

Niteny izy hoe : “ Tena marina fa nitia ny zava-tsara (eto ambonin’ny tany) aho ka saika nanadino ny fahatsiarovana ny Tompoko hatramin’ny filentehan’ny masoandro. info
التفاسير:

external-link copy
33 : 38

رُدُّوهَا عَلَيَّۖ فَطَفِقَ مَسۡحَۢا بِٱلسُّوقِ وَٱلۡأَعۡنَاقِ

Averenonareo aty amiko izy ireo”. Dia notapahiny ireo tongony sy ireo vozony. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 38

وَلَقَدۡ فَتَنَّا سُلَيۡمَٰنَ وَأَلۡقَيۡنَا عَلَىٰ كُرۡسِيِّهِۦ جَسَدٗا ثُمَّ أَنَابَ

Ary efa notsapainay tokoa i Solaimana, ka natsipinay tamin’ny sezany ny vatana[106] iray, avy eo dia nibebaka izy. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 38

قَالَ رَبِّ ٱغۡفِرۡ لِي وَهَبۡ لِي مُلۡكٗا لَّا يَنۢبَغِي لِأَحَدٖ مِّنۢ بَعۡدِيٓۖ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡوَهَّابُ

Niteny izy hoe : “ Tompo ô ! Mamelà ahy Ianao, ary omeo fanjakana aho, izay tsy misy na dia iray aza mendrika hahazo izany any aoriako. Marina fa Ianao Ilay be fanomezana ”. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 38

فَسَخَّرۡنَا لَهُ ٱلرِّيحَ تَجۡرِي بِأَمۡرِهِۦ رُخَآءً حَيۡثُ أَصَابَ

Nataonay teo ambany fahefany ny rivotra izay mitsioka malefaka araka ny baikony, mankany amin’ny toerana rehetra izay tiany. info
التفاسير:

external-link copy
37 : 38

وَٱلشَّيَٰطِينَ كُلَّ بَنَّآءٖ وَغَوَّاصٖ

Ary koa ireo satana izay mpanorina trano sy mpilentika an-drano isan-karazany. info
التفاسير:

external-link copy
38 : 38

وَءَاخَرِينَ مُقَرَّنِينَ فِي ٱلۡأَصۡفَادِ

Ary ny sasany hafa, izay voafatotra tsiroaroa amin’ny rojo. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 38

هَٰذَا عَطَآؤُنَا فَٱمۡنُنۡ أَوۡ أَمۡسِكۡ بِغَيۡرِ حِسَابٖ

“ Izany no fanomezana avy Aminay; zarao, na koa tazòny, tsy hisy tatitra hataonao ny amin’izany ”. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 38

وَإِنَّ لَهُۥ عِندَنَا لَزُلۡفَىٰ وَحُسۡنَ مَـَٔابٖ

Ary marina fa hahazo toerana akaiky izy eo Aminay, sy toeram-pialofana mahafinaritra ihany koa. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 38

وَٱذۡكُرۡ عَبۡدَنَآ أَيُّوبَ إِذۡ نَادَىٰ رَبَّهُۥٓ أَنِّي مَسَّنِيَ ٱلشَّيۡطَٰنُ بِنُصۡبٖ وَعَذَابٍ

Ary tsarovy ny mpanomponay Ayoba (Joba), rehefa niantso ny Tompony izy, dia nanao hoe: “Nofaizin’ny satana aho tamin’ny fahorianana sy fijaliana”. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 38

ٱرۡكُضۡ بِرِجۡلِكَۖ هَٰذَا مُغۡتَسَلُۢ بَارِدٞ وَشَرَابٞ

Kapohy amin’ny tongotrao (ny tany) dia indro rano mangatsiaka hisasanao, sy ho sotroinao. info
التفاسير: